· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Afrika Atsimo tamin'ny Aogositra, 2012

Afrika Atsimo: Mankalaza Ny Medaly Volamena Voalohany Tao Anatin'ny 8 Taona Ny Mpiserasera Amin'ny Aterineto

  05 Aogositra 2012

Fankasitrahana no azon'ilay mpilomano Afrikana Tatsimo Cameron van der Burgh izay nandrombaka ny medaly volamena voalohany ho an'i Afrika Atsimo taorian'ny faharesen'ny firenena nahamenatra tamin'ny Lalao Olympika 2008 tany Beijing. Azony ny medaly volamena tamin'ny Alahady rehefa nandresy tamin'ny 100m savarano (brasse) sy nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra eran-tany ho 58.46 segondra izy. Izy ihany koa no mpilomano Afrikana Tatsimo lehilahy voalohany nahazo medaly volamena.

Afrika: Lalao Olaimpika 2012 Londres – Ho Avy Izahay!

  01 Aogositra 2012

Tamin'ny faha-17 andro sisa tsy hahatongavan'ny lalao Olaimpika 2012 ka hiaina indray ny fientanentanana eo amin'ny lafiny fanatanjahatena ampiantranoan'ny Londres ity – Fanindroany no nandraisany izany teo amin'ny tantara maoderin'izy ireo. Misy fiomanana betsaka ho an'ny Afrika, ary ho an'ny firenena sasany kosa, io lalao io no fara-tampon'ny taona niomanana...