· Desambra, 2010

Tantara mikasika ny Afrika Atsimo tamin'ny Desambra, 2010

COP16: Famaranana avy amin'ireo Tanora Mpikaroka

  31 Desambra 2010

Niblaogy ireo tanora "mpikaroka" avy amin'ny Tetikasa Manangàna mpanelanelana nandritra ny Fivorian'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan'ny Toetr'andro, izay natao tany Cancun, Mexico. ireto ny santionany amin'ny fanambarana sy eritreritra farany momba izay nitranga tao amin'ny COP16 avy amin'ny fomba fijerin'ny fireneny trsirairay avy.

Karazana fahandroan-tsakafo Krismasy eo amin'ny Bilaogin'ny Sakafo amin'ny ankapobeny

  27 Desambra 2010

Midika hoe 'mody an-trano' ny Krismasy ho an'ny olona maro - nefa rehefa tsy mety izany, dia mety ho fampaherezana ihany koa ny mikarakara sakafo mahagaga. Nizara ireo nahandro fialan-tsasatra tena tiany ireo mpitoraka bilaogy manerana ny kaontinana maro. Miaraka amin'ireo, afaka manonofy ianao miverina an-tanindrazana na mitsidika toerana izay tsy mbola hitanao koa aza. Fa maninona ianao no mankalaza ny Krismasy amin'ity taona ity, ary inona no harosonao?