Tantara mikasika ny Afrika Atsimo tamin'ny Jolay, 2009
Afrika: Miteraka adihevitra ny fahatongavan’ny tambajotra Seacom
Miteraka adihevitra sy fahalinana teo amin’ny tontolon’ny fitoraham-blaogy Afrikana ny fahatongavana tambajotra ambany ranomasina izay hampiakatra ny fatran'onja [bandwidth] sy hampidina ny sandan’ny fahazoana Aterineto manerana an’i Afrika. Nalefa nivantana tamin’ny Alakamisy i Seacom, izay mampifandray an’I Afrika atsimo, Tanzania, Kenia, Oganda ary Mozambique amin’i Eoropa sy Azia, ka hampiditra an’I Afrika Atsinanana sy Atsimo ho ao anatin'ny tambajotra manana fatran'onja midadasika.
Mankalaza ny andron’ny tanora ny firenena Afrika Atsimo ary mahatsiaro ny fahiny
Ny 16 Jona, izay ankalazana ny andron’ny tanora eto Afrika Atsimo dia andro ahatsirovanay ny fahiny. Tamin’ny 16 Jona 1976 no nitranga ny hetsika tao Soweto nohon'ny faneren’ny lalana fa amin’ny fiteny Afrikaans amin’izay no itondrana ny rafi-pampianarana rehetra.