· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Afrika Atsimo tamin'ny Jolay, 2008

Afirika Atsimo: Fampidirana ny hetra momba ny gaza karibonika

  30 Jolay 2008

Hetra momba ny Karibôna any Afirika Atsimo, “Eo ampanadihadiana ny fampidirana ny hetran-gaza karibônika ho toy ny fahavononan'i Afirika Atsimo ho fandraisana anjara amin'ny fampihenana ny fiovaovan'ny toetr'andro (mihamiakatra amin'izao fotoana) resahin'ny goverinemanta ankehitriny ny rakibolam-pirenena…”  

Afirika: Tatibaovao amin'ny alalan'ny finday

  30 Jolay 2008

White African no miady hevitra momba ny fitatera-baovao (mifindrafindra) any Afirika, “Ny (orinasa ) avy any  Pays-Bas AfricaNews no mpitari-dalana amin'ity sehatra ity, raha nanomboka tamin'ny herintaona tao amin'ny tranonkalany ny “Voices of Africa” (Feon'i Afirika). Tsy mitsahatra ny sondriana aho amin'ny fahitany, fanazarany ary fanomezany fitaovana ny mpanao gazetiny...

90 Taona i Nelson Mandela

  19 Jolay 2008

Ny Zoma 18 jolay teo no feno 90 taona i Nelson Mandela ary dia nihoatra sisitanin'i Afrika Atsimo izany fankalazana izany ka niarahan'izao tontolo izao niaramihira sy nitehaka ny nahatratra ny fety. Andeha ary hiaramankalaza izany koa isika amin'ny alalan'ity fitetezam-paritra ity hamakiana ny fifaliana misongadina manerana ny kaontinanta afrikana ity.