The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

South Africa Tahiry Firenena

RSS ho an i South Africa

2009-07-14

Mankalaza ny andron’ny tanora ny firenena Afrika Atsimo ary mahatsiaro ny fahiny

Ny 16 Jona, izay ankalazana ny andron’ny tanora eto Afrika Atsimo dia andro ahatsirovanay ny fahiny. Tamin’ny 16 Jona 1976 no nitranga ny hetsika tao Soweto nohon'ny faneren’ny lalana fa amin’ny fiteny Afrikaans amin’izay no itondrana ny rafi-pampianarana rehetra.

2009-02-15

Madagasikara: Mampihorohoro an'Antananarivo ny tsaho

Simban'ny krizy politika efa mandratra an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao Marina sy ny fahafaha-miteny. Mandeha ny fandrahonana ary miely ny tsaho, manampy trotraka ny fampihorohoroana tsy mampilamina sy tsy mampitombina mihitsy izany rehetra izany. Taterin'i Jentilisa, mpamaham-bolongana iray tsy manohana mihitsy ny hetsika fanoheran'i Andry Rajoelina, fa nahazo fandrahonana izy: “Alina fahatelo ...

2009-02-05

Filaharan'ny bolongana Afrikana

Raha mpanaraka ny bolongana Afrikana ianao dia mety ho liana ihany koa amin'ny filaharana ankapoben'ireo bolongana ao amin'ny tontolom-bolongana Afrikana. Azontsika fantarina amin'ny alalan'ny fampilaharana ataon'ny Afrigator ireo mitana ny lohalaharana sy bolongana be mpamaky indrindra eto Afrika. Nandahatra lisitry ny vehivavy Afrikana mpamaham-bolongana mitana ny laharana 45 voalohany koa ...

2009-01-23

Bolongana Afrikana voafantina ho @ Bloggies 2009

Nisokatra tamin'ny voalohany volana janoary ary nikatona tamin'ny 19 janoary teo ny fifantenana fahasivy   ny loka fanolotra isan-taona: The 2009 Bloggies. Araka ny nolazain'ny vohikala mampanao ny fifaninanana dia ny Bloggies no fifaninanana lavitr'ezaka indrindra amin'ny resaka Web, ary anjaran'ny mpamaky ny bolongana avokoa no mifantina sy mifidy izay hiatrika ...

2008-12-17

SIDA: Kamboty, diabe, ary fahatsiarovanaVideo post

Ho tohin'ny takelaka manokana momba ny SIDA tahaka ny Fihaonambe 2008 momba ny SIDA sy ny Andro manerantany momba ny SIDA 2008, dia mitondra lahatsary maneho ny fahasahiranana mahazo ny kamboty izay matin'ny SIDA ny ray aman-dreniny, ny andro iadiana amin'ny SIDA any Bangladesh, fampahatsiarovana avy any Meskika avy amin'ny SexualidadIntegral (fandefasampeo sy sary) ary ny fiantraikan'ny tatitra avy any an-drenivohitra Mexico momba ny fahaonambe 2008 momba an'i SIDA izahay.

2008-09-09

Cyber-Activism ,
Internet & Telecoms

Bay Tsimane no mamaham-bolongana avy any amin'ny Fihaonamben'ny olom-pirenena mampiasa fitaovan-dahatrisa (niomerika) tontosaina any Indaba, Afrika Atsimo amin'izao fotoana izao: “Tamin'ity taona ity ny Digital Citizen Indaba (DCI) dia nampiseho tamin'ny fomba mamelombelona sy tamin'ny alalan'ny fanehoana an-tsary ny fanovana ny fiainam-piaraha-monina entin'ny haitao finday tahaka ny MXit, finday iray  fanaovana karajia. “

2008-08-12

SIDA 2008: Ny ahiahy sy ny fanantenan'ny MSM sy ny manao anton'asa ny fananahana AfirikanaVideo post

Nifarana tamin'ny 8 aogositra 2008 teo ny fihaonana momba ny SIDA 2008 (IAC) notontosaina tao Mexico. “Universal action now” na asa iarahan'ny rehetra manerantany atao izao no lohahevitra nobanjinin'ny fihaonana ary raha heverina ny fanatrehan'ny avy amin'ny vazantany efatra, ny fifantohana tamin'ireo vondron'olona nailakilaka ary ny fivoahan'ny gazety isan'andro ...

2008-07-30

Angovo ,
Tontolo_iainana

Hetra momba ny Karibôna any Afirika Atsimo, “Eo ampanadihadiana ny fampidirana ny hetran-gaza karibônika ho toy ny fahavononan'i Afirika Atsimo ho fandraisana anjara amin'ny fampihenana ny fiovaovan'ny toetr'andro (mihamiakatra amin'izao fotoana) resahin'ny goverinemanta ankehitriny ny rakibolam-pirenena…”