Global Voices teny Malagasy » Senegal
Andro Iraisam-Pirenena ho an'ny Vehivavy: “Mpanjakavavy avokoa ny vehivavy rehetra”
Omaly no nankalazaina ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy, ary nampiasa ny mozika sy ny tononkalo ary ny zava-kanto ireo mpitoraka bilaogy miteny Frantsay hankalazana ny kanto, ny fandresena ary ny tolona tsy an-kiato ho an'ny vehivavy.
Tany Martinika dia nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tamin'ny alalan'ny fandefasana ny sary mihetsik'ilay mpihira Senegale, Ismael Lo, i Imaniyé [Fr]:
Ny soratra ao amin'ny tahirin-tsary mihetsika mirakitra ny hira Fontenay d'Avenir, “manana vahaolana amin'ny herisetra manjaka eto an-tany ny vehivavy ary raha toa ka tsy dia manda loatra ny andron'ny vehivavy izy, dia tsy hahita fa afaka manova zavatra ireo.
Nitoraka bilaogy teny ambony fiaramanidina teo anelanelan'i Bénin sy Frantsa i Antonia Neyrins. Nalefany ny rakin-kiran'i Alicia Keyes, “Superwoman,” (vehivavy mahery):
Je pense à toutes les femmes dont les droits élémentaires ne sont toujours pas respectés en 2009, toutes celles qui doivent lutter pour protéger et nourrir leurs enfants, trouver un logement et travailler, toutes celles qui sont victimes de violences conjugales, de violences ou de mutilations sexuelles ou toutes celles qui sont victimes d'atrocités commises au nom d'une guerre ou d'un intégrisme religieux, quel qu'il soit.
Mahatsiaro ireo vehivavy rehetra voahosihoxy zo aho amin'ity taona 2009 ity, ho an'ireo rehetra voatery mitolona hiaro sy hamelona ny zanany, mitady trano fonenana sy asa, ho an'ireo rehetra hiharan'ny herisetra ao an-tokantranony, herisetra ara-pananahana sy fahasembanana na ireo rehetra miaina ao anatin'ny ady mahatsiravina sy ny fanavahana ara-pinoana, na inona na inona.
Je pense aussi à toutes les femmes épanouies au bras d'un homme (ou d'une femme) qu'elles aiment et qui les aime, qui ont réussi à trouver un équilibre entre leur vie de femme, de mère, d'épouse, d'amante, à toutes les femmes heureuses d'être nées femme.
mahatsirao koa aho ireo vehivavy rehetra sambatra eo anilan'ny lehilahy (na vehivavy), tiany sy tia azy, ireo izay mahita fiadanana amin'ny fiainana maha vehivavy azy, ny maha reny azy, ny maha vady azy, ny maha olon-tiana azy, ho an'ireo vehivavy rehetra mahatsiaro sambatra fa nateraka ho vehivavy.
Tout être humain équilibré et intelligent devrait souhaiter avoir près de lui un autre être humain, à son image, c'est à dire libre et epanoui.
C'est étrange en même temps cette fête, car nous sommes et restons femme tous les jours de l'année…
Ny omombelona misaina rehetra dia maniry hanana olona eo akaikiny, olona mitovy aminy, izany hoe afaka sy mivelatra.
Mahagaga ihany ity fety ity, satria mijanona ho vehivavy foana isika isan'andro mandavan-taona…
Any La Réunion dia nandefa sary nankalazana ity andro ity tany St. Paul i Noemie tao amin'ny TiBazar [Fr] .
Ary tany Maroc dia nanome haja manokana ny vehivavy tamin'ny alalan'ny tononkalo ny citoyenhmida , tononkalo izay heveriny fa tsy feno raha tsy eo ny “Black woman,” (vehivavy mainty) nosoratan'ilay mpanoratra Senegale, Léopold Sédar Senghor:
Vehivavy mihanjaka, vehivavy mainty
Mitafy ny lokon'ny fiainana,
miaraka amin'ny endrikao hatsarana!
Tao ambany elatrao no nitomboako;
ny fahalemen'ny tananao no nandrakotra ny masoko.
Ary ankehitriny, ny hafanan'ny tara-masoandro
eto an'ivon-dohataona, rehefa mitatao vovonana,
Avy manantona anao aho, ry Tany Nantenaiko,
Mamely hatrany anaty fo ny fahatsaranao
tahaka ny fanindron'ny voromahery.
Vehivavy mihanjaka, vehivavy mainty
Voankazo masaka eny an-tsaha, fahatsaran'ny divay mainty
miantsa fahatsarana eo am-bavako
Ahitra manazava ny fara-tazana,
ahitra mamolivoly entin-divotra malefaka
misafo avy antsinanana
Zava-maneno voasokitra, mibitsika avy lavitra,
ambany rantsan'ny mpandresy
Ny feonao iva no bitsiky ny fanahy
ho an'ny olon-tiana.
Vehivavy mihanjaka,vehivavy mainty
Diloilo voakobana, manaisotra ny fanaintan'ny
lamosin'ny mpihazakazaka , ny lamosin'ny mpanjakan'i Mali
Gazela mitoetra irery any am-paradisa, vatosoa no kintana manjelatra anatin'ny alina eny an-koditrao
Fahafinaretan'ny fisainako, diamondra manjelatra mena
mipetaka amin'ny hoditrao mando
Tao ambany aloky ny volonao, voazava ny fisiako
Noho ireo tara-masoandro avy amin'ny masonao.
Vehivavy mihanjaka, vehivavy mainty,
Mihira ny hakantonao mandalo, ny endrikao banjiniko mandrakizay,
Mandra-pihavin'ny vintana misompatra
manova anao hovovoka hamahana ny fakan'ny fiainana.
Jennifer Brea
Senegaly: Fikorontanana an-tsekoly
Maro ny mpanao gazety sy mpamaham-bolongana Senegaly no mitodika amin'ny fanamby lehibe atrehina amin'ny fitaizana ny ankizy any Senegaly.
Ao amin'ny lahatsoratra navoakan'ny vohikala vaovao PressAfrik [fr], no anoratan'i Awa Diédhiou fa “Tandindonin-doza ny sekoly Senegaly”, satria maro amin'ny sekoly - indrindra ny ao Dakar - no manakaiky loatra ny sekoly,
L’école sénégalaise est menacée. Beaucoup d’établissements scolaires sont en train de se transformer timidement en un fief de délinquants et l’environnement est de plus en plus carnavalesque. Les enseignements se déroulent dans un fond sonore assourdissant provenant des marchés dont l’animation et l’encombrement permettent aux voyous et aux drogués d'entrer discrètement dans les écoles
Tandindonin-doza ny sekoly Senegaly.  Maro amin'ny tranon-tsekoly no miofo tsikelikely ho toeran-ditra ary lasa toerana mahatsikaiky mikorataba ny tontolony.  Mizotra ao anaty tabataba mankarenintsofina avy ao an-tsena ny fampianarana ary izany somebiseby izany noahafahan'ny jiolahim-boto sy ny mpifoka rongony miditra an-tsokosoko ao an-tsekoly.
Sarin'ny miara-mianatra aoamin'ny sekolin'i Agnam-Goly, Senegal avy amin'i Adama Diop, alalan'i  Wikipedia Commons License.
Naomed, nanoratra [30th of November 2008] ao amin'ny bolongana Politique au Sénégal [fr], no mamoaka  tranga hafa :
De 2001 à nos jours, au moins 1 050 cas de grossesses ont été recensés dans les écoles du département de Kolda. […]
Plus de 50% de ces grossesses seraient dues à des enseignants.
Hatramin'ny 2001 ka mandraka ankehitriny, dia fitondrana vohoka 1 050 raha kely indrindra no voaisa any amin'ny faritry Kolda [faritra manana mponina 300 000]. […]
Mpampianatra no antsasa-manila maherin'ny nahabevohoka ireo mpianatra ireo.
Raha atao amin'ny teny bontolo kokoa, dia olana goavana roa no avoitran'ny mpanoratra.
Voalohany ny tsy fahampian'ny fampianarana ara-pananahana any an-tsekoly, izay mahatonga ny zazavavy ho “matokitoky foana”, “tsara hohanina” ary “tsy manana ny fahalalana fototra”. Tsikerain'i Naomed ny mpitondra fivavahana izay “faingana raha hanameloka ny fomba fiainana tandrefana” ary heveriny fa ny fahotana fototra dia ny tsy fahalalàna. Ary tsy fahalalana toa ifampizarana amin'ny mpampianatra “ tsy mahay mampiasa fimailo”.
Faharoa, ny tsy famaizana ireo mpampianatra mikaoty ny mpianany ireo. Nasongadin'i Naomed fa amin'ny ankapobeny dia tsy misy ny fitoriana azy ireo. “Mifampiraharaha ny olona dia vita ny raharaha,” hoy Naomed.  Miova tanana ny vola dia adino ny raharaha.
L'omerta fonctionne parce qu'un consensus non dit couvre en général ce genre d'actes, tout comme il couvre la corruption, le détournement… C'est la rançon de la difficulté des sénégalais à condamner l'un des leurs. La rançon de la propension des sénégalais à négocier toujours et encore, même le non négociable. La rançon de la tendance des sénégalais à résoudre tous les problèmes avec l'argent.
Miasa tsara ny firaisana tsikombakomba satria misy ny fifanarahana tsy miteny manarona ireny fahadalana ireny, manarona ny zava-drehetra tahaka ny kolikoly,ny fanodikodinana zaza tsy ampy taona… Izany no fiantraikan'ny fahasahiranana eo amin'ny Senegaly hanasazy ny namany na mpiara-monina aminy. Fiantraikan'ny Senegaly hifampiraharaha hatrany na dia amin'ny tranga tsy azo ifampirahrahana intsony aza. Fiantraikan'ny fironan'ny Senegaly hamaha ny olana amin'ny alalan'ny vola hatrany.
Nohamarinin'i Hamidou Sagna izany toe-javatra izany raha namoaka lahatsoratra ao amin'ny allAfrica.com [fr] izy mikasika ny fihetsiketsehan'ny ONG sy ny mpianatra any Hann-Bel Air, distrikan' i Dakar, miantso ny fampitsaharana ny herisetra, fihoara-pahefana, fanimbana fitaovam-pananahana ary  fanaovana an-keriny ny ankizivavy. Manao T-shirt misy izao soratra manaraka izao ny ankizy “Te-hianatra tsy misy tahotra aho”, “Ny sekoliko, toerana atokisana hianarana” ary “Atsaharo ny fanorisorenana ankizivavy”.
Lahatsoratra iray ao amin'ny Scoops de Ziguinchor [fr] no itaterana ny kabarin'ny Ben'ny tanànan'i Ziguinchor, teo ampanolorana fanaka sy kojakojam-pianarana ho an'ny sekoly. Faly izy ary niteny amin'ny ray aman-dreny hoe: “Nihafy tokoa ianareo ho amin'ny ho avin'ny zanakareo. Safidy tsara izany”. Fa ny tena nahavariana, dia notsikerainy avy eo ny fanabeazana:
Toutefois l’édile de Ziguinchor est d’avis que plus les gens sont instruits moins ils regagnent leur village et plus ils tournent le dos à la terre. « Le travail de la terre est aujourd’hui une contrainte. C’est comme qui dirait une punition pour ceux qui n’ont pas pu fréquenter ou réussir à l’école. Cela il faut y réfléchir. Car constituant l’ennemi principal de notre développement économique et social ».
Na izany aza dia mitovy hevitra amin'ny olona ny Ben'ny tanànan'i Ziguinchor fa arakaraka ny fahaizana azon'ny olona no handaozany ny (asa) tany. “Lasa an-tery ny asa tany ankehitriny. Tahaka ny hoe sazy ho an'ireo izay tsy afaka tany an-tsekoly na tsy nahomby tamin'ny fianarana izany. Tokony eritreretina ny amin'izany. Fa izany no fahavalo voalohan'ny fampandrosoana ny toe-karena sy ny sosialy”.
Nomarihin'ny Ben'ny tanàna moa fa mamery tsikelikely ny mponina ao aminy ny tanàna ambanivohitra;  toa manabe ny olona hifindra ho any an-drenivohitra hiatrika ho avy mbola tsy fantatra, ary matetika mahatonga azy ireny ho tsy an'asa any, ny sekoly.
Soa ihany fa mihamaro ny ankizy no mamonjy sekoly ny any Senegaly. Ny antontan'isan'i UNESCO no namoaka fa mianatra any amin'ny ambaratonga voalohany
Senegaly: Mpanefoefo te-hamorona asa vaovao an'arivony
Indro mijoro eo anilan'ny filoha Wade ao amin'ny lapam-panjakana ilay mpandraharaha Senegaly sady  Filoha Tale Jeneralin'ny vondrom-barotra Bara Mboup (CCbm), Atoa  Serigne Mboup,  nilaza ny tsiri-keviny  omaly hampiasa vola mahatratra 34 arivo arivo arivo Cfa (US$ 666 arivo arivo) hanomezana asa vaovao mahatratra 60 000 amin'ny fanafarana posy-bisikileta ampolo arivony avy any ivelany ampidirina any Senegaly.
lahatsoratra avy ao amin'ny Le Quotidien no nakan'i Seneweb ilay tetikasa:
Il s’agit de remplacer notamment les motos-taxis qui circulent à Kaolack et Fatick, par des tricycles dans lesquels les passagers sont installés de manière un peu plus confortable. L’ambition de la Ccbm et de l’Etat est que ces nouveaux moyens de transport remplacent progressivement les pousse-pousse traditionnels, tractés par la force d’homme ou tirés par la traction animale. Pour Serigne Mboup, il y a là, rien que pour Dakar, l’opportunité de «générer ou consolider 3000 emplois plus valorisants».
Ny paika moa dia ny hanoloana ny moto-taxi indrindra izay mivezivezy any Kaolack sy any Fatick amin'ny alalan'ny fiara kodiarantelo ahafahan'ny mandeha mahazo fitoerana tsara.  ny kendren'ny fanjakana sy ny Ccbm moa dia ny hanoloana tsikelikely ny posiposy nentim-paharazana, tarihin'olona na biby. Eo imason'i Serigne Mboup dia efa misy fahafahana, ho an'i Dakar fotsiny, “mamorona na manamafy asa ahazoana karama tsara 3 000.”
Na dia tsy mazava tsara amin'ny antsipiriany aza anefa dia marihin'ny lahatsoratra fa tian'ny orinasan' i Mboup ny hanangana fampindramam-bola madinika ahafahan'ny orinasa madinika na olo-tsotra mividy fiara kodiarantelo.
Tsy ny rehetra tsy akory no resy lahatra amin'ity tetikasam-pampandrosoana amin'ny famenoana fiara vaovao mamoaka setroka maloto ny firenena ity.
Le Blog politique au Senegal no manazava:
Ces petites cylindrées sont extrèmement polluantes, surtout celles venant d'Asie où aucune règle ne s'impose en matière de pollution. Rajouter ces engins dans le bordel des rues de dakar me parait hautement suicidaire.
Tena mpandoto rivotra ange ireto fiaramadinika ireto e, indrindra fa ireny avy any Azia izay tsy noferan'ny lalàna hanaja ny fikajiana ny fahadiovan'ny tontolo iainana. Famonoantena mihitsy raha mbola ampiana izany fiara izany izao fifamoivoizana mikorontana eto Dakar izao.
La circulation de Dakar va empirer, les bronches de nos gamins se goudronner un peu plus pour que la géniale idée de Mr Mboup lui rapporte 4 ou 5 milliards.
hiharatsy ny fifamoivoizana eto Dakar, hihosotra tara (goudron) kokoa ny havokavoky ny zanatsika mba hahazoan'i Mr. Mboup 4 na 5 arivo arivo arivo.
Mieritreritra i Naomed fa raha tena te-hanatsara ny fitaovam-pitaterana eto Dakar ny fitondrana dia any amin'ny fitaovam-pitaterana mahazaka olona maro sady maoderina no tokony ifotorany.
Raha namoaka ny tantara ny gazety Le Quotidien, omaly [FR], dia difotry ny fanehoan-kevitra mafana vay ny vohikalany.  Maro kokoa no tsy resy lahatra.
Dioh:
Les motos-taxis, il n'y a rien de pire dans une ville comme Dakar. Ce genre de système de transport doit être interdit. Aggravation du trafic, accidents, incivisme, pollution…
Tsy misy zavatra ratsy noho ny fisiana moto-taxi ho an'ny tanàna tahaka an'i Dakar.  Tokony horarana ny fitaovam-pitaterana tahaka ireny.  Fitohanana, lozam-pifamoivoizana, tsy fanajana lalàna, loto, ao daholo izany…
Laye:
…Ce projet est à saluer et à soutenir mais plus important nous devons veiller à ce qu'il ne tombe pas dans les travers de la pratique politicienne et, ce faisant, être la chasse-gardée des autorités politiques (comme il en a déjà été le cas dans un passé très récent avec REVA) au détriment des vrais demandeurs d'emploi…
Tsara sy tokony hotohanana ity tetikasa ity fa ny tena zavadehibe dia tsy maintsy manara-maso isika mba tsy hivarina any amin'ny resaka politika maloto ity raharaha ity ka ny manampahefana indray no mahazo vahana [vola] (tahaka izay nitranga tamin'ny REVA vao haingana) ka tsy nisy na inona na inona ho an'ny tena mpitady asa intsony…
BOUKI
DU N'IMPORTE QUOI. C'EST UN RETOUR EN ARRIERE. QUI VA MONTER SUR CES TROTINETTES POUR ALLER SE SUICIDER? WHAT A F…K IS GOING ON? C'EST CE QUI SE PASSE QUAND DES INCOMPETANTS ET IDIOTS DIRIGENT UN PAYS.
TSISY DIKANY.  MIVERINDALANA IZANY. IZA NO HANDEHA AMIN'IRENY FIARAKODIA IRENY HAMONO TENA? FA MISY INONA-P… E?  IZANY NO IZY REHEFA NY VENDRANA SY NY ADALA NO MITONDRA NY FIRENENA.
Tsy nitonana anarana:
Bara veut tout simplement transposer la Chine au Sénégal. Il n'a pas l'esprit creatif, il ne fait que du copié collé. Mais ce qui est valable en Chine ne l'est pas forcémént au Sénégal.
Te-hamindra an'i Shina ho eto Senegaly fotsiny i Bara.  Tsy manana tsirin-kevitra izy fa mandika sy mametaka fotsiny. Fa tsy voatery ho tsara ho an'i Senegaly anie ny nahasoa an'i Shina e.
Fa misy kosa ireo hafa izay mitehaka ny tetikasan'i Mboup ho fanehoana fitiavan-tanindrazana vitsy mpanana ka te-hampiasa ny volany amin'izao fitadiavana mpampiasa vola izao.
boy Dakar:
Le malheure c'est que les sénégalais sont commlexés. C'est comme ça que beaucoup de secteurs de notre économie nous ont échappé. C'est le cas du commerce controlé par les libano syriens, les mauritaniens et les guinéens… ce que le jeune Mboup propose c'est ce que tout patriote doit faire. Son projet ne s'adresse pas à tous les séngégalais mais peut régler en parte le problème du chômage. Il ya des jeunes qui restent du matin au soir sans rien faire, avec ces motos ils peuvent au moins assurer les besoins courants et on verra la suite.
Ny mampalahelo dia mahatsiaro ho ambany (miraviray tanana) ny Senegaly. Izay no mahatonga antsika tsy mahafehy ny toe-karenantsika mihitsy eo amin'ny sehatra maro. Ny varotra lasan'ny Libaney Syriana, ny Maoritaniana aryny Gena…Ny zavatra tokony ataon'ny tia tanindrazana rehetra izao asehon'i Mboup izao.  Tsy ho an'i Senegaly iray manontolo ny tetikasany fa mba mamaha olona amin'ny ampahany ny tsy fananan'asa aloha izay.  Maro anie ireo tanora tsy manao na inona na inona mandritra ny tontolo andro e, raha manana môtô izy mba mety afaka misahana ny zavatra ilaina andavanandro aloha dia ho hita eo ny tohiny.
izz:
si tous les Sénégalais riches pensaient comme le jeune Mboup,on serait loin de la souffrance.Des centaines de milliardaires Sénégalais n'investissent que sur l'immobilier ou thésaurisent leur argent dans les banques occidentales jusqu'à mourir.C'est vraiment égoiste de leur part.”pensons à s'entraider entre fréres Sénégalais” au lieu d'en faire profiter les toubabs…
Raha manana eritreritra tahaka an'i Mboup ny mpanankarena rehetra mety mba ho lavitry ny fijaliana ihany isika. Anjatony ny mpanefoefo senegaly no tsy mampiasa vola afa-tsy amin'ny fananganan-trano sy fanofana izany na mitahiry ny volany any amin'ny Banky tandrefana mandra-pahafatiny.  Izany no endrika fitiavantena tafahoatra ataony.  ”Andao isika hieritreritra hanampy ny Senegaly rahalahintsika” fa tsy hampanankarena ny vazaha…
Senegaly : Fahasamihafana mikasika ny Ramadana
Ria Bacon no mizara mikasika ny fivavahana Silamo sy ny fahasamihafana mikasika ny Ramadana Senegaly :
Thus for some, Ramadan ended yesterday; for most it was today, declared a national holiday by the Government. One final confusion: the festival to mark the end of Ramadan is called Korité in Senegal, but is known elsewhere in the Muslim world as Aïd-el-fitr.
“Hoan'ny sasany dia nifarana omaly [Talata 30 Septambra 2008] ny Ramadana; hoan'ny ankamaroany anefa dia vao androany no farany [Alarobia 1 Ôktôbra 2008], sady notapahin'ny gôvernementa ho andro tsy fiasana. Fahasamihafana hafa : Korité no ahafantarana sy iantsoana ny fankalazana ny faran'ny Ramadana any Senegaly raha Aïd-el-fitr kosa no iantsoana izany eran'ny faritra Silamo rehetra.”
Senegaly : Midina an-dalam-be ny mpianatra noho ny tsy nandoavana ny vatsim-pianarana
Mitokona ny mpianatra ao amin'ny Oniversite any Dakara, Senegal noho tsy ny nandohavan'ny fanjakana ny vatsim-pianarana. “Raha miady mafy any Beijing ireo atleta avy amin'izao tontolo izao mba handresy ny zava-bita tsara indrindra eo amin'ny fanatanjahan-tena, dia miezaka kosa ireo mpianatra ao amin'ny Oniversite Cheikh Anta Diop ho tompon-daka amin'ny fitoraham-bato”, hoy i Seneblog [fr].
Mozambika : Hetsika ho fanoherana ny fisondrotry ny vidim-piainana any Afrika
Carlos Serra monina any Maputo, Mozambika no manapariaka ao amin'ny blaogy diário um sociólogo [diarin'ilay mpandinika fiaraha-monina] ireo hetsika sy fikomiana ho fanoherana ny fisondrotry ny vidim-piainana, tamin'ity indray mitoraka ity dia tany Senegaly sy Côte d'Ivoire no nitrangan'izany, nohon'ny fidangan'ny fisondrotry ny vidin-tsakafo. Maminany ity mpandinika ny fiaraha-monina [sociologist | sociologue] sady mpiblaogy ity fa tsy izao hetsika izao no ho farany :
Recordo que manifestações do mesmo tipo realizaram-se recentemente nos Camarões, no Burkina Faso e no nosso país.
Prevejo que o fenómeno se vai generalizar no nosso continente.
“Tsaroako fa nisy hetsika sahala izay nitranga vao tsy ela tany Kamerona sy Burkina Faso ary aty amin'ny firenentsika [Mozambika].
Maminany aho fa amin'ny ho avy, dia hipariaka hihanaka amin'ny kontinantantsika [Afrika] manontolo ny toe-javatra toy izany.”
[Lahantsoratra efa notaterina teto ihany mikasika ireo hetsika sy fikomiana nohon'ny fisondrotry ny vidim-piainana any Afrika : Fanoherana ny fiakaran'ny vidin-tsakafo any amin'ny firenena maro]
Ny fahasamihafan'i Senegaly sy i Shina
Blog politique au Senegal no manolotra ny fomba fahitany ny fahasamihafan'i Senegaly sy i Shina :
Il existe une différence fondamentale : la manière de concevoir les choses et de les jouer. Et cette différence, elle change tout !
Nous, on joue au ballon, on rêve de ballons, on en parle, on adule les professionnels, on mendie pour nous payer ce bouffe-temps ludique qui arrête le pays quand il y a un match.
Pendant ce temps, le chinois, lui, il rêve aussi de ballon, mais de celui qu'il va fabriquer et nous vendre cash !
“Misy fahasamihafana fototra : ny fomba fijery sy ny fiatrehana raharaha. Ary io dia manova zava-dehibe !
Isika [Senegaly] izao, milalao baolina kitra, manonofy baolina kitra, miresaka baolina kitra, indrahindraintsika ireo mpilalao matihanina, “mandohalika” mangataka mihitsy aza isika mba ahafahantsika manaraka io “fandaniam-potoana io” izay mampikatso ny firenena manontolo rehefa misy lalao fifandonana izay arahina.
Mandritra izany fotoana izany, ireo Shinoa koa mba manonofy baolina, saingy ny hanamboatra baolina sy ny hivarotra izany amintska tolo-botsitra no nofinofin'izy ireo !”
Senegaly : Ny pôlitika momba ny fandiovana an'i Dakar
Senablog no manolotra izay fiheviny mikasika ny andrana farany izay nataon'ny governemanta Senegaley mba hanadiovana ireo araben'i Dakar amin'ny mpivarotra an-tselika [izay niteraka hetsika fanoherana goavana tamin'ny 21 Novambra 2007] :
Force est de reconnaître que ces marchands ambulants issus du secteur informel ont été longtemps protégés par les marabouts et politiciens, qui grâce à leurs influences intervenaient pour surseoir aux décisions étatiques.
“Mazava ho azy fa ireo mpivarotra an-tselika sady mpandehadeha dia narovan'ireo mpisikidy sy ireo mpanao pôlitika hatramin'ny elabe, izay nampiasa ny fahefany mba hanoherana ny fanapahan-kevim-panjakana.”
Senegaly : Hiatrika fifidianana
Blog Politique au Senegal no manoratra mikasika ny fifidianana izay hatrehina any Senegaly, kasain'ny antoko eo amin'ny fitondrana ho ferana ny isan'ireo antoko ary tsy misy antoko, na dia iray aza, afaka manazava na izay fotokeviny na izay tetikadiny.
Nos partis politiques, s'il ne sont pas au gouvernement, sont de véritables machines à perdre.
“Ireo antoko politika misy aty amintsika, raha tsy eo amin'ny fitondrana, dia tena “fitaovam-paharesena” mihitsy.”
Nampody ny masoivohony tany Senegal i Maraoka
Blog politique au Senegal no nanoratra [fr] mikasika ny fanapahan-kevitry ny Mpanjakan'i Maraoka hampody ny masoivohony avy any Senegal noho ny fifanolanana momba ny Sahara andrefana: “Nanaitra ny hambom-pony (ny mpanjaka) angamba ny fahasahiana minisitra sosialista teo aloha nanohitra ny hevitry ny Marokana momba ny hoavin'ny sahraouis.”
Jennifer Brea