· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Senegal tamin'ny Avrily, 2012

Sénégal : Ry Zareo Senegaly Sy Ny toerana Misy Ny Demaokrasiany

  30 Avrily 2012

Raha toa mbola variana mitehaka an'ila Filoha teo aloha Abdoulaye Wade sy ny Demaokrasia Senegaly izao tontolo izao, ny tontolon'ny bilaogy senegaly kosa dia feno fanakianana ny tomban'asan'ilay filoha voahilika, A. Wade. Ampahatsiahiviny indrindra indrindra ireo niharan-doza nialoha ny fifidianana, ireo fanitsakitsahana ny zon'ny fanaovana gazety ary ireo ohatra mikasika ny faharatsiam-pitantanana.

Sénégal : #Sunu2012, Fomba Iray Hitan'ny Afrikana Hanaraha-maso Ny Fifidianana

  23 Avrily 2012

Ny harivan'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenana senegaly, tamin'ny 9 ora alina i Pape Alé Niang mpanao gazetin'ny 2stv dia efa afaka nanome sahady ny fironana mavesatra avy amin'ireo vokatra. Ireo vokatra sy vinavinan'ny #Sunu2012 no navoakan'ny fahitalavitra senegaly ary avy amin'izy ireny no azo antoka fa nahafahana voalohany indrindra namoaka vokatra dieny vao tamin'ny 9 ora alina fotsiny.Sunu2012 dia tetikasa iray nosainina sy novokarn'i Cheikh Fall tamin'ny 2008. Ity no hahafantarana bebe kokoa momba io tetikasa io :