· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Senegal tamin'ny Febroary, 2012

Afrika: Mifidiàna Izay Afrikana Mpisaintsaina Tena Henoin-teny Indrindra Mbola Miaina

Ny bilaogy "Africa is a Country" dia mangataka ireo mpamaky mba hifidy ny Afrikana mpisaintsaina tena henoin-teny indrindra ao anaty lisitra ahitàna mpifaninana 12. Ilay lisitra dia ahitàna an-dry Chinua Achebe (Nizeria), Mahmood Mamdani (Oganda), Mamdouh Habashi, (Ejipta), Kwame Anthony Appiah (Ganà/Etazonia), J M Coetzee (Afrika Atsimo/Aostralia) ary Issa Shivji (Tanzania). Misokatra amin'ny 5 Martsa 2012 ny fifidianana.

Senegal: Gidragidran'ny Polisy Sy Ny Mpanao Fihetsiketsehana Herinandro Mialoha Ny Fifidianana

  19 Febroary 2012

Herinandro mialoha ny fifidianana filoham-pirenena dia rendrika ao anatin'ny herisetra nateraky ny firotsahan'ny filoha ankehitriny Abdoulaye Wade mitady fe-potoana fahatelo hofidiana indray i Senegal. Nanomana fihetsiketsehana an-dalambe hanoherana ny fitadiavan'i Wade fe-potoana hafa itondrana, izay heverin'izy ireo ho fanitsakitsahana mivandravandra ny Lalampanorenana ny mpanohitra hatramin'ny fotoana naneken'ny Fitsarana Momba ny Lalampanorenana ny firotsahan'i Wade

Sénégal : Ireo antom-pahatezerana

  13 Febroary 2012

Miaraka amin'ny vanim-potoana mafampàna mialoha ny fifidianana izay iainan'i Sénégal, dia atrehan-dry zareo Senegale koa izao ny fanaovana tsinontsinona ny demaokrasia ka mampanahy ny maro amin'ireo mpanaramaso herinandro vitsivitsy aty alohan'ny fifidianana. Ndeha hampahatsiahivintsika fa i Abdoulaye Wade dia lany ho filohan'ny firenena tamin'ny 2000 ary nanapa-kevitra izy fa mbola hirotsaka indray ho aminà fotoam-pitondràna fanintelony na dia voararan'ny lalam-panorenana aza izany. Marobe ireo Senegale manohitra ny hamelàna azy ho afaka mirotsaka.

Sénégal : Herinandro Mety Hampidi-doza Indrindra

  02 Febroary 2012

Namoaka didy ny lisitry ny kandidà filoham-pirenena hotontosaina amin'ny 26 febroary ho avy izao ny Fitsaran-Dalampanorenana tamin'ny 27 janoary lasa teo. Nanaiky ny firotsahan'i Abdoulaye Wade ny "Loholona" dimy ary nandà ny firotsahan'ilay mpihira Youssou N’Dour, nolazaina fa tsy ampy ny sonia hahafahany mirotsaka hofidiana.