· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Senegal tamin'ny Jona, 2011

Sénégal : Novoizina Mafy Tao Amin'ny Twitter Ity Fihetsiketsehana Ity

  25 Jona 2011

Alakamisy 23 jona 2011, tototr'ireo mpanao fihetsiketsehana i Dakar. Ny tanjon'izy ireo: ny tsy hahatanteraka ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana izay azo andaniana ny filoha mahazo vato hatrany amin'ny 25% dieny amin'ny fiodinana voalohany sy manome soso-kevitra ny hisian'ny filoha lefitra toy ny an-dry zareo amerikana. Nahomby ry zareo.

Senegaly : Hetsika fanoherana ny volavolan-dalàna

  24 Jona 2011

Nanolotra volavolam-panitsiana Lalampanorenana faha-17 ny filoha Senegaly Abdoulaye Wade hatramin'ny nifidianana azy tamin'ny 2000 ho fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 2012, ary nahatezitra Senegaly maro izany. Anisan'ny volavolan-kevitra ny ametrahana lisitra araka ny fomba Amerikana ka ny filoha sy ny filoha lefitra no fidiana.

Afrika : Manaraka Akaiky An'i Shina I Inda

  12 Jona 2011

Tamin'ny May, tao amin'ny foiben'ny Fiombonambe Afrikana ao Addis-Abeba, Etiopia, no natao ny fihaonana an-tampony faharoa teo amin'i Inda sy Afrika. Ny drafi-piaraha-miasa naroson'i Inda, izay tena samihafa amin'ny an'i Shina dia niteraka fanehoan-kevitra samihafa teo amin'ny tontolon'ny Afrikana miteny frantsay.