· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Nizeria tamin'ny Desambra, 2012

Meksika: Sary Indray Mijery Mikasika Ny Fampiterahana Eran'Izao Tontolo Izao

  20 Desambra 2012

Ny fifandraisana ara-kolotsain'ny mpampiteraka no lohahevitr'ity sary am-bilaogin'ny Offbeat Mama mivahiny ato ity, nakarin'ilay mpakasary Alice Proujansky mipetraka any Brooklyn. Nitety faritra izy fony mbola dimy volana ny kibony ary naka sary ny fifanakalozam-pahalalana ara-kolotsaina tany Quintana Roo, toerana izay nalehan'ireo mpianatra manaraka ilay hany fandaharam-pampianarana nankatoavin'ny governemanta mikasika ny fampiterahana hianatra ny fampiterahana ara-pomba nentim-paharazana Mayana avy amin'ny faritra ambanivohitra.

Ndao Hifidy ny Zava-Mahatalanjona Natoraly Fito Tsara Indrindra Eto Afrika

  03 Desambra 2012

Misy fifaninanana isan-taona nalefa ho an'ny daholobe hifidianana ny zava-mahatalanjona voajanahary fito tsara indrindra eto Afrika, ary efa mandeha izany fisafidianana izany amin'izao fotoana . Misy ireo faritra voajanahary mahavariana tsy voafantina, ka nisy blaoga vitsy nanoso-kevitra tamin'ny alalan'ny bilaoginy. Indreto ny sasany aseho an-tsary: