· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Nizeria tamin'ny Febroary, 2012

Afrika: Mifidiàna Izay Afrikana Mpisaintsaina Tena Henoin-teny Indrindra Mbola Miaina

Ny bilaogy "Africa is a Country" dia mangataka ireo mpamaky mba hifidy ny Afrikana mpisaintsaina tena henoin-teny indrindra ao anaty lisitra ahitàna mpifaninana 12. Ilay lisitra dia ahitàna an-dry Chinua Achebe (Nizeria), Mahmood Mamdani (Oganda), Mamdouh Habashi, (Ejipta), Kwame Anthony Appiah (Ganà/Etazonia), J M Coetzee (Afrika Atsimo/Aostralia) ary Issa Shivji (Tanzania). Misokatra amin'ny 5 Martsa 2012 ny fifidianana.

Sahel: Manamafy ny Vahohony Any Amin'ny Faritra Ny Boko Haram Sy Ny AQMI

  20 Febroary 2012

Am-bolana maro izao ireo silamo "intégristes" ara-pivavahana (mpifikitra amin'ny fomba nahazatra hatrizay) no nanamafy ny adin'izy ireo amin'ny mponina sy ny repoblika federaly ao Nizeria sady manandrana manitatra ny faritra iasan'izy ireo mankany amin'ireo firenena hafa any Sahel. Miteraka fandalinana ireny fanafihana ireny, sy fijerena akaiky ary fanehoan-kevitra eny anivon'ny tontolon'ny bilaogy hatrany amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina.