· Desambra, 2007

Tantara mikasika ny Nizeria tamin'ny Desambra, 2007

Nizeria : Ny fahazakana ao amin'ny fombam-pivavahana Yoruba

  18 Desambra 2007

Dia soratan'i Loomnie ny fivavahana sy ny fahazakana ny fivavahan'ny hafa miorina ao anatin'ny kolontsaina Yoruba: “Navoitran'ilay namako mazava tsara fa io no tena mampiavaka ny fombam-pivavahana Yoruba. Ao amin'ny fomban-drazana nentim-paharazana Yoruba, na dia ao anatin'ny ankohonana iray aza dia malalaka ny tsirairay amin'ny andriamanitra izay tiany ivavahana, ary tsy manery na mampahory...

Nizeria : Manja ireo solosaina-findainay

  04 Desambra 2007

Ny mpiblaogy Sokari dia manapariaka sarina mpianatra maro mirongo solosaina any Nizeria [ireo solosaina-finday maitso mora vidy (100$) izay novokarina manokana ahafahan'ireo ankizy mpianatra any amin'ny faritra ambanivohitra any amin'ny firenena andalam-pandrosoana mampiasa Aterineto] : « We love our green laptops » « Tena manja ireto solosaina-findainay maitso ireto »...

Nizeria: Mpanofana fotsy hoditra no ilainay

  04 Desambra 2007

Ny mpiblaogy Jeremy dia manoratra momba ny « fanaovana ho ondry botry ny an'ny tena » [aleo samy hitady ny dikanteniny malalaka ny tsirairay : internalized racial inferiority complex / complexe d'infériorité racial intériorisé] mba alaivo sary an-tsaina kely ny fanahiany mirongo ireto mpiara-dia Nizeriana hiringiriny miaraka aminy (izay manana...