The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Mozambique Tahiry Firenena

RSS ho an i Mozambique

2008-05-21

Mozambika : Ho fitandrovana ireo fitenim-paritra

Jorge Saiete no manapariaka ao amin'ny Debate e reflexão [Adihevitra sy fieritreretana] ny fahakavian-keviny manoloana ny fiheveran'ny sasany ireo fitenim-paritra ho toy ny fitenin'ny Satana ka tokony horarana mafy ny fampiasana azy dia ireo fiteny Xangana, Xitswa, Ndau, Nhugwe, Macua, ary Chuabo any Mozambika : Considero as línguas nacionais, nosso ...

2008-04-30

Mozambika : Ireo tsy an'asa sy ny andraikitry ny governemanta

Basilio Muhate no manapariaka izay feheviny izay fototry ny maha-avo ny tahan'ireo tsy an'asa sy izay andraikitry ny governemanta manoloana izany any Mozambika : A Burocracia também é a causa de muitos problemas ligados ao mercado de trabalho pois granded parte das decisões não são coerentes e reais com a ...

2008-04-18

Development ,
Ekonomia

Basilio Muhate [pt] no miresaka vetivety ny fifanarahana eo amin'ny sendikan'ny mpiasa Mozambikana sy ny vondron'ny mpandraharaha momba ny famerana ny karama ambany indrindra ao amin'ny vondron'asa valo na sivy voafaritry ny governemanta. “Raha tena nisy tokoa ny fifanarahana dia zavatra tsara izay eo amin'ny lafiny diplomatika. Ny tsy fantatra kosa dia izay mety ho fiantraikany (fiitarany) eo amin'ny fandanian'ny tsirairay sy eo amin'ny fomba fanakarany ny vidin-javatra eo amin'ny sakafo fototra ilaina any Mozambika”.

2008-04-09

Mozambika : Dinidinika momba ireo vaovao

Bayano Valy monina any Maputo, any Mozambika, no mizara ao amin'ny blaogy Nullius in Verba izay heviny mikasika izay tokony ho toetoetr'ireo vaovao : Na minha humilde opinião é necessário que os fazedores de notícias reflictam seriamente sobre as notícias que oferecem à sociedade. Quando a ausência dos factos começa a ...

2008-04-01

Mozambika : Hetsika ho fanoherana ny fisondrotry ny vidim-piainana any Afrika

Carlos Serra monina any Maputo, Mozambika no manapariaka ao amin'ny blaogy diário um sociólogo [diarin'ilay mpandinika fiaraha-monina] ireo hetsika sy fikomiana ho fanoherana ny fisondrotry ny vidim-piainana, tamin'ity indray mitoraka ity dia tany Senegaly sy Côte d'Ivoire no nitrangan'izany, nohon'ny fidangan'ny fisondrotry ny vidin-tsakafo. Maminany ity mpandinika ny fiaraha-monina [sociologist ...

2008-03-11

Madagasikara : Lesona azo notsoahina taorian'ny fandalovan'ny rivomahery mahery vaika faha-3 tao anatin'ny iray volana sy tapany monja

Hatramin'ny faran'ny volana Janoary lasa teo dia rivomahery maherivaika 3 [Fame, Ivan, Jokwe], no nifanesy namely mafy an'i Madagasikara, ny farany amin'izy ireo dia ny rivomahery Jokwe izay niditra an-tanety tany Antsiranana, any amin'ny faritry Diana, any Avaratry Madagasikara, izay nandrava trano mihoatry ny 40 ary namela ...

2008-02-01

Mozambika : Fanampim-baovao mikasika ny fakana an-keriny olo-maro

Moçambique para Todos [Mozambika hoan'ny rehetra] no manoina ny vaovao izay napariaky i Ivone Soares [tamin'ny 29 Janoary 2008], izay nakana an-keriny olo-maro tany amin'ny faritry Mocímboa da Praia. : Tudo muito estranho e quase de filme! Será que os media darão eco da conferência de imprensa? Já li cerca de ...

2008-01-31

Vaovao Mafana ,
Kilonga

Ity resaka ity dia tohin'ny lahatsoratra efa navoakan'ny namana Tomavana eo ambanimbany eo. Vaovao farany navoakan'ny tontolom-bolongana, Carlos Serra [pt] no nitatitra fa nahatsikaritra kamiao (fiarabe re a!) nitondra ankizy miisa 40 anelanelan'ny 7 ka hatramin'ny 11 taona niainga avy any Nampula, Mozambique ny polisy ao Inchope. Azo inoana fa nangalarina ireo zaza ireo. “ Ny fahalemen'ny rafi-panjakana sy ny rafi-piaraha-monina no manamora ny fanondranana an-tsokosoko sy ielezany amin'izao fotoana izao. Fanapahan-kevitra maro no tsy maintsy ilaina (ho fisorohana ity hala-jaza) ity ka tafiditra amin'izany ny fanankotrihana (na fanavaozana no teny fantatrao kokoa) ny fitsipiky ny heloka bevava (izay efa tamin'ny taona 1876) sy ny fametrahana mazava ny fanondranana an-tsokosoko (halajaza) ho anisan'ny heloka bevava”.

Mozambika : Fakana an-keriny hafahafa

Ivone Soares any Maputo, no mitatitra ity vaovao tselatra mahatsikaiky avy Mozambika ity : No dia 23/01/2008, foi raptado, por desconhecidos, em Mocímboa da Praia o cidadão Momade Hamade que fora conduzido para um acampamento onde se encontravam cerca de vinte pessoas de ambos sexos igualmente na condição de refêns. Dentre ...

2008-01-29

Mozambika : Fidiran'ny mpianatra any an-tsekoly, hoan'ny sasantsany ihany

Amin'izao fotoana fidiran'ny mpianatra any Mozambika izao, i Júlio Mutisse no mitatitra ny olana sedrain'ny sehatra fampianarana any an-toerana satria mpianatra marobe no tsy mahita sekoly hidirana: Ainda não estou a falar da qualidade de ensino. Falo, ainda e apenas, do acesso a escola para milhares de crianças e milhares de ...