The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Mozambique Tahiry Firenena

RSS ho an i Mozambique

2008-07-29

Development ,
Fahasalamàna

Custódio Duma [pt] no mitondra vaovao ho antsika fa nentina haingana tany amin'ny hopitaly any Afrika Atsimo ny minisitry ny fiarovana Mozambikana Filipe Nyussi raha tapaka nandritra ny lozam-pifamoivoizana ny tanany. “Reko ny filazan'ny minisitry ny fahasalamana tao amin'ny RDP Africa tamin'ny herinandro fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny Hopitaly lehiben'i Maputo… koa nahoana moa no tsy mba ampidirina ao amin'io hopitaly io mihitsy ny mpitondrantsika?”

2008-07-19

90 Taona i Nelson MandelaSary post

Ny Zoma 18 jolay teo no feno 90 taona i Nelson Mandela ary dia nihoatra sisitanin'i Afrika Atsimo izany fankalazana izany ka niarahan'izao tontolo izao niaramihira sy nitehaka ny nahatratra ny fety. Andeha ary hiaramankalaza izany koa isika amin'ny alalan'ity fitetezam-paritra ity hamakiana ny fifaliana misongadina manerana ny kaontinanta afrikana ity.

2008-07-12

Hevitra ,
Ekonomia

O Silêncio de Kianda [pt] no mitondra ho antsika sombim-baovao mahafinaritra amin'ny fikaratahan'ny olona hiatrehana ny olana ara-tsakafo: mofo vita amin'ny mangahazo voatoto fa tsy amin'ny varimbazaha. “Mahavokatra mangahazo 3 000 000T isan-taona manko i Nampula [faritany iray any Mozambika] ary ampy hamelomana ny fandraharahana momba ny fanaovamofo sy hojifain'ny mponina tsara izany”.

2008-06-03

Mikasika ny fodian'ireo tra-boin'ny herisetra sy fanafihana vahiny mpiavy mpilaravinahitra any amin'ny taniny

Agry ao amin'ny navegador solidário [mpiantsambo miray hina] no mizara vaovao mikasika ny fodian'ireo tra-boina izay nisedra herisetra sy fanafihana vahiny mpiavy mpilaravinahitra any amin'ny tany nihaviany, dia i Mozambika zany : Enfim, ainda não chegou a hora do governo sul-africano reconhecer, sem rodeios, a sua responsabilidade em todo este processo. ...

Mozambika : Aza manaiky ho resin'ny fidangan'ny vidin'ny solika, andeha hampiasa bisikileta !Sary post

Toix ao amin'ny Lusofolia no manapariaka sary mahatsikaiky entiny manazava ny lahatsorany : Com o aumento do preço da gasolina é da maior sensatez começarmos a pensar em ir buscar a velha bicla ao fundo da garagem. São só vantagens. Além de não poluir, também se poupa imenso no ginásio. “Amin'izao fidangan'ny ...

2008-06-02

Mozambika : Resaka vary sy izay fahaleovantenantsika

Manoina ny antso avon'ny fanjakana Japôney mba hisian'ny fiaraha-miasa hanampy an'i Afrika, mba hampitombo avo roa heny ao anatin'ny folo taona ny vokatra vary any Afrika, nandritra ny fivoriambe Iraisam-Pirenena TICAD [Tokyo International Conference on African Development] izay natao tany Yokohama, any Japàna, i Elísio Macamo no mizara ny fanontaniany ao amin'ny ...

2008-05-25

Diaspora ,
Ady & Fifandirana

“Ireo mpanao politika malaza nigoka ny fiarovan'ny vahoaka mozambikana ary efa lasa mpitarika na mpandraharaha amin'izao fotoana izao, nahoana moa izy ireo no tsy manandratra ny feony hiaro ny Mozambikana tsy ho tratran'ny fankahalana vahiny ary hanakana ireo mpanatanteraka (ny herisetra)?”, hoy ny fanontanian'i Bosse Hammarström [pt].

2008-05-23

Diary iombonana hoan'i Afrika miteny Pôrtogey

Ny mpanao gazety mpiblaogy Orlando Castro monina any Angôla no manapariaka ao amin'ny Alto Hama ny fivoriana hotanterahin'ireo firenena Afrikana miteny Pôrtogey izay hanomboka amin'ny faha-28 May 2008 any Lisboana, any Pôrtogala : O passado, presente e futuro de África vai estar em Lisboa durante dois dias, durante os trabalhos do ...