· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Maoritania tamin'ny Aogositra, 2012

Maoritania: Maneso Ny Filoha Amin'ny Fampiasana Twitter

Niseho tamin'ny fahitalavi-panjakana ny Jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz Filoha Maoritaniana, ny 6 Aogositra teo. Nidaroka mpanao gazety ny mpitandro ny filaminana raha nandrakotra fisamborana sy fampijaliana nihatra tamin'ny vahiny nasaina iray izy, vahiny izay niantso ny Jeneraly mba hiala. Nanaraka sy nanadihady io tranga io ara-potoana ireo Maoritaniana mpampiasa Twitter .

Maoritania: Mandà Ny Fandroahana Azy Ny Lehiben'ny Fitsarana Avo

Niatrika onjanà hetsi-panoherana mitombo izay mitaky ny fandravana ny fitondrana miaramila i Mauritania. Araka ny voalazan'ny mpanohitra[ar], manohitra ny fisian'ny fanjakana misy rafitra ny fitondrana miaramila ho fanampin'ny fikasany hifehy ny fitsarana. Mandritra izany fotoana izany, nandà ny fanapahan-kevitra fanalàna azy amin'ny toerany alohan'ny fahataperan'ny fe-potoam-piasàny ny lehiben'ny Fitsarana Avo ao Maoritania, Seyid Ould Ghailani. Ghailani, izay nipetraka teo amin'ny toerany efa roa taona izao, nandray ity didim-panjakana ity ho tetika fandravàna ny fitsarana sy fitsabatsabahana manala baraka ataon'ny fahefana mpanatanteraka anatin'ny raharahan'ny fahefana mpanao lalàna.

Maoritania: Fahatsiarovana Ny Fanonganam-panjakana Voalohany Nataon'ny Miaramila Teo Amin'ny Firenena

Manamarika ny faha34 taonan'ny fanonganam-panjakana voalohany nataon'ny miaramila tany Maoritania ny 10 Jolay 2012, raha nanongana ny Filoha Moktar Ould Daddah ny miaramila. Mahatsiaro ny tsingerintaonan'ny fanonganana tamin'ny 1978 ireo mafana fo Maoritaniana, amin'ny alalan'ny fitorahana bilaogy sy bitsika mikasika izany, ary ny fanakianana ny lalàna miaramila any Maoritania.

Maoritania: Mpiasa Mpitrandraka Arintany Manohitra Ny ‘Karazana Fanandevozana Vaovao’

  05 Aogositra 2012

Maherin'ny 2.300 ireo mpiasa nanao hetsi-panoherana tao amin'ny tanànan'ire mpitrandraka ao Zouerat, izay nitondra hatrany amin'ny fiatoan'ireo toeram-pitrandrahan'ny Orinasa National Mining and Industrial Company (SNIM Société nationale industrielle et minière [fr]) efa ho am-polony fanampin'ny fikorontanan'ny asa tany an-toeran-kafa. Ny ivon'ny fitakian-dry zareo dia manodidina ny olan'ny karama.