The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Malawi Tahiry Firenena

RSS ho an i Malawi

2009-10-20

Malawi: Fanatanjahan-tena sy Kamkwanba, ilay tovolahy namokatra angovo avy amin'ny rivotra

Na dia mangina aza ny tontolon'ny bilaogy amin'ny ankapobeny dia nisy zava-niseho maro tany Malawi tato anatin'ny herinandro vitsivitsy izay. Vao tamin'ny faran'ny herinandro teo dia nanao ady sahala tamin'ny Elefantan'i Côte d'Ivoire i Malawi ary anisan'ny mpilalao tamin'izany i Didier Drogba, mpilalao avy any Chelsea. Tao amin'ny kianjan'ny Kamuzu no ...

2008-10-23

Development ,
Siansa

White African no manoratra ny lalàna 7-n'ny fihavaozana nosoratan'i Ethan : “Namoaka sombin-dahatsoratra nahatalanjona iray hafa indray i Ethan Zuckerman. Tamin'ity indray mitoraka ity dia ny fitondrana zava-baovao eto Afrika no resahiny sy ny fomba nitondrana azy noho ny fahavitsian'ny akora ampiasaina.”

2008-07-07

Global Lives Project: Fandraisan-dahatsarin'ny fiainan'ny olona 10 mandritra ny 1 andro

Natsangana hampisehoana fiainan'olona folo samihafa avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao amin'ny fanarahana azy ireo sy handraisandahatsary azy ireo mandritra ny 24 ora ny Global Lives Project. Miaraka alefa amin'ny fotoana mitovy anatina toerana voaorina iray ahafahan'ny tsirairay mivezivezy mitsidika efitra 10 samihafa handefasana ny lahatsarin'ny andavanandrom-piainan'ireo nofantenana tsirairay ny 240 ora voangona.

2008-05-27

Malawi : Nogiazana tsy mahazo mivoaka tao an-tranony ny filoham-pirenena taloha

Ho tohin'ilay raharaha “fanomana fanonganana” ny filoham-pirenena izay nisamborana olo maro tany Malawi notaterina teto dia re indray izao fa napetraky ny mpitandro ny filaminana ambany figiazana tsy mahazo mivoaka tao an-tranony ingahy Bakili Muluzi izay filoham-pirenena teo aloha. Ny mpanao gazety Bright Sonani avy any Lilongwe sady vavolombelona nanatri-maso, no ...

2008-05-16

Malawi : Fisamborana olo maro noho ny “fanomana fanonganana” ny filoham-pirenena

Araky ny tatitra voaray dia manamboninahitry ny tafika sy mpitarika ny antoko mpanohitra maromaro no nosamborina tany Malawi noho ny fiheverana azy ireo ho “nanomana fanonganam-panjakana.” Kondwani Munthali izay sady mpanao gazety no mpiblaogy Malawiana dia mihevitra fa mandalo vanim-potoana mahaliana ary madiva hangotraka ny rano [ilomanozan'ny] pôlitika any Malawi. Avy any Lilongwe izay itoerany ...

2008-05-15

Malawi : Sarintsarina “fanomana fanonganam-panjakana”

Boni Dulani no manapariaka ny fijeriny izay heveriny ho sarintsarina “fanomana fanonganam-panjakana” any Malawi : Call me naïve, but some things do not add up to this alleged new “coup plot” against the Mutharika presidency. Instead, it gives me a sense of déjà-vu: taking us back to the dark days ...

Malawi : Manamboninahitry ny tafika nosamborina noho ny “fanomana fanonganam-panjakana”

Cryton Chikoko no mitatitra ao amin'ny blaogy Stories on Malawi [tantara mikasika an'i Malawi] fa misy olona maro hafa izay nosamborina noho ny fiampangana azy ireo ho “nanomana fanonganam-panjakana” tany Malawi : Malawi has arrested two senior army officers for plotting to overthrow the government, police said on Wednesday, a day ...

Malawi : Hevitra nateraky ny fiverenan'ny filoha taloha hanao pôlitikaSary post

Vao tsy ela izay, no nanatanterahan'ny antoko [eo amin'ny fitondrana] UDF [United Democratic Front ] ny fihaonambeny sy ny nifidianany ny filoha taloha Bakili Muluzi ho  kandidan-dry zareo amin'ny fifidianana filoham-pirenena izay hotanterahaina amin'ny taona ho avy any Malawi [2009]. Ny filoha lefitry Malawi, ny Dr Cassim Chilumpha izay ambany fiampangana ho mpamadika no ...