The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Madagascar Sokajy ara-tany

RSS ho an ny Madagascar

2008-06-11

Madagasikara : Nahoana i Afrika no tsy mba avela hijery ny fiadiana izay ho tompon-dakan'i Eorôpa amin'ny baolina kitra UEFA ?

Raha mbola mankafy eo am-panarahana izay fiadiana izay ho tompon-dakan'i Eorôpa amin'ny taranja baolina kitra UEFA izao tontolo izao, firenena maro any Afrika no tsy afaka manaraka afatsy lalao 8 monja. Ny namana Jentilisa, dia manazava fa ny fikambanana AFNEX (African Network and News Exchange) no nametra izay isan'ny fifandonana ...

2008-06-04

Madagasikara : Mizarazara hevitra ireo mpiblaogy mikasika ny fanampiana ireo tra-boin'ny horohorontany any Sichuan

Nanolotra fanampiana ho fandraisana anjara amin'ny fiaraha-mientana iraisam-pirenena ho fanohanana ireo tra-boin'ny horohorontany any Sichuan, any Shina, ny governemanta Malagasy. Ny halehiben'ny voina sy izay fahasimbana dia nanosika ny governemanta hanome lelavola $100,000 USD hoan'ny masoivoho Shinoa Wo Ruidi any Madagasikara ho fandraisana anjara amin'izany ezaka iombonana izany. Mizarazara ny blaogasyfera ...

2008-04-15

Madagasikara : Manindrahindra loatra ny Tontolo iainana ?

(sary nindramina tamin'i Harinjaka) Tsy isalasalana fa ny resaka tontolo iainana manokana misy ao aminy, no ahafantaran'a an'i Madagasikara indrindra. Na dia izany aza, ny fanindrahindrana ny tontolo iaianana dia tsapan'ny Malagasy ho toy ny manarona izay fahasarotana amin'ny fiainana andavan'androny. Rossy izay isan'ny mpanakanto Malagasy malaza indrindra no namorona ny hira ...

2008-03-28

Korian-karena : Tati-dresak'ireo mpiblaogy mikasika ny Andro Iraisam-Pirenena hoan’ny RanoPhotos post

(Tsy ho nahita masoandro mihitsy ity lahatsoratra ity raha tsy nisy ny fanampian'i Paula Góes, sy i Amira Al Hussaini ary i Lova Rakotomalala. Fankasitrahana eram-po no atolotra azy ireo !) Sary nindramina tamin'i Ragesh Vasudevan Iarahana mahafantatra ho fandevonana zava-drehetra, labieran'ingahy Adam [Adam's Ale], ranom-boakazom-panjakana [government juice], sôdan'ny mahantra [council pop], ...

2008-03-20

Disaster ,
Racism

harinjaka no mitatitra ny fisiana toeram-pihaonana amin'ny alina sy fandihizana natokana ho an'ny Malagasy (night club) vaovao [Fr] iray any Marseille: “Fantatro avy amin'ny traikefa niainako manokana fa tsy mora ny miditra club eto (Frantsa),  indrindra fa hoe mainty ianao na arabo…Tsy ny Queen no lazaiko eto fa club iray izay ny Malagasy kosa no Olobe (VIP) ao.”

2008-03-11

Madagasikara : Lesona azo notsoahina taorian'ny fandalovan'ny rivomahery mahery vaika faha-3 tao anatin'ny iray volana sy tapany monja

Hatramin'ny faran'ny volana Janoary lasa teo dia rivomahery maherivaika 3 [Fame, Ivan, Jokwe], no nifanesy namely mafy an'i Madagasikara, ny farany amin'izy ireo dia ny rivomahery Jokwe izay niditra an-tanety tany Antsiranana, any amin'ny faritry Diana, any Avaratry Madagasikara, izay nandrava trano mihoatry ny 40 ary namela ...

2008-03-09

Fikambanana Tononkalo Eran-Tany: ny andriambavilanitra no mitazona ny atsasaky ny lanitra

Amin'ny andro fifakalazana ny Andriambavilanitra eran-tany, y Kathy Ward avy amin'ny Rising Voices sy Nari Jibon dia nanome hevitra hoe ahoana moa raha mba anao fikambanana tononkalo eran-tany ao anatiny mpanao blaogy ny Rising Voices. Nomena erin-andro ny mpiblaogy anoratra tononkalo momba ny andriambavilanitra: Tononkalo 10 no ...

2008-03-05

Rakotomalala Lova : Manome toerana an'i Madagasikara

I Rakotomalala Lova, izay fantatra koa amin'ny anaram-bosotry ny blaoginy hoe Malagasy Dwarf Hippo na Lalomena Malagasy Botry (satria ireo karazam-biby izay ripaka dia mba manan-kambara koa), dia teraka tany Madagasikara ary mitatitra momba ny blaogasyfera avy any Lafayette, any Indiana USA, izay toerana onenany sy anaovany ny asa maha-mpikaroka ...

2008-02-20

Madagasikara : Taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Ivan, ireo takaitraVideo post

(sary nadika tamin'ny GAZETY_ADALADALA) Efa nandao an'i Madagasikara ankehitriny ny rivodoza Ivan, izay namela tany amin'ireo faritra maro nandalovany haolo sy tsy manan-kialofana aman'arivony maro. Araky ny tarehimarika ofisialy dia olona roa [monja !] no maty ary mahatratra 15'000 kosa ireo tsy manan-kialofana. Raha heverina amin'ny maha sokajy faha-4 ny rivodoza Ivan, ...

2008-02-18

Madagasikara : Mandrava ny Rivodoza Ivan

Niditra an-tanety tany amin'ny faritra Avaratra Atsinanan'i Madagasikara tamin'ny [alina hifoha] Alahady 17 Febroary 2008 ny rivodoza Ivan, izay rivodoza sokajy faha-4 ankehitriny. (sary nadika tamin'ny meteo france) Na dia efa misy fihatsarana aza ny fiomanan'i Madagasikara hiatrika ny tonon-taonan'ny rivodoza, sady efa nisedra ny kotsan'ireo rivodoza maro ( i Fame no ...