The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Madagascar Tahiry Firenena

RSS ho an i Madagascar

2009-04-30

Madagasikara: Manitsakitsaka ny fahafahana maneho hevitra ny governemanta tetezamita

Mampidi-doza ny fahafahana maneho hevitra aty Madagasikara ny fanapahan-kevitra noraisin'ny governemantan'i Andry Rajoelina, filoha mpitarika ny Fitondrana Avon'ny Tetezamita. Ny voalohany amin'izany dia ny fisamborana mpanao fihetsiketsehana 3, ny malaza amin'ireny dia Razily, ilay tovolahy hita amin'ny sary mihetsika fa nitondra sainam-pirenena, talohan'ny nanipazana azy tao anaty fiara sy novonoin'ny miaramila. Araka ...

2009-04-23

Madagasikara: manahy ny hiverenan'ny korontana ny mponina taorian'ny fialan'ny filoham-pirenena

Ankehitriny dia ny anankiray izany (Rajoelina). Tonga eo amin'ny fiafarany ny fifandrohitana fahefana teto Madagasikara hatramin'ny volana janoary no mankaty. Omaly alarobia mantsy, taorian'ny fanandramana nataon'ireo mpanara-dia an'i Andry Rajoelina hanala an-dRavalomanana eo amin'ny fitondrana, dia nandray ny fanapahana ny lapam-panjakana tao Ambohitsirohitra ny tafika, izay lasa niandany tamin'i Andry Rajoelina. ...

Ireo antony sy ny vokatry ny fanonganam-panjakana taty Madagasikara

Taorian'ny famindram-pahefana natao ny 17 martsa taty Madagasikara dia nihamafy hatrany ny korontana tao amin'ity nosy ity. 15 000 no isan'ny olona tsy nanaiky iny fanonganam-panjakana iny no nanamarika efa ho enina andro izao ary notifirin'ny miaramila tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso efa ho 3 andro tsy an-kiato izao. Ny 28 martsa ...

2009-04-22

Madagasikara: mizotra ho any amin'ny fanoloana mpiambina?

Mety hipaka amin'ny kihon-dalana ny krizy eto Madagasikara: ny fiatombohan'ny fiafaran'ny fanjakan-dRavalomanana. raha mbola tsy fantatra mazava hoe iza no tena manana ny fahefana, dia tsapa fa nifidy hiaraka amin'ny ben'ny tanànan'Antananarivo taloha, Andry Rajoelina, ny tafika. Efa eo ambany fifehezan-dRajoelina ny biraon'ny praiministra sy ny fahitalavitra an'ny fanjakana Milaza ...

2009-02-22

Madagasikara: hisy ve ny fanapahan-kevitra hialana amin'ny olana?Sary post

Fifampiresahana (sary nalain'i Avylavitra) Nanatratra ny faratampony ny herisetra politika nanomboka hatramin'nyvolana janoary teo tamin'ny 7 Febroary teo raha 30 raha kely indrindra ny Malagasy maty notifirin'ny tafika, tafiditra tao anaty fifanenjanana politika manko i Madagasikara. Maro ny diplaomaty avy amin'ny sehatra iraisam-pirenena no nanao asam-panelanelanana hisian'ny fifanarahana eo ...

2009-02-15

Madagasikara: Mampihorohoro an'Antananarivo ny tsaho

Simban'ny krizy politika efa mandratra an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao Marina sy ny fahafaha-miteny. Mandeha ny fandrahonana ary miely ny tsaho, manampy trotraka ny fampihorohoroana tsy mampilamina sy tsy mampitombina mihitsy izany rehetra izany. Taterin'i Jentilisa, mpamaham-bolongana iray tsy manohana mihitsy ny hetsika fanoheran'i Andry Rajoelina, fa nahazo fandrahonana izy: “Alina fahatelo ...

2009-02-13

Madagasikara: Miady hevitra ny momba ny Asabotsin-drà ny mpamaham-bolongana

Nihamatroka ny toe-draharaha teto Madagasikara hatramin'ny 26 janoary 2009 nisiana fihetsiketsehana sy fandrobana nahafatesana hatramin'ny 50. Mbola nandriaka ny ra ny andron'ny Asabotsy 07 Febroary. Tononin'ny sasany ho “Asabotsy Mena” koa noho ny nitifiran'ny mpiambina ny filoha ny mpanao fihetsiketsehana nifamorivory teo ivelan'ny lapan'Ambohitsorohitra. Nizotra ho eny an-dapa ny mpanao fihetsiketsehana ...

2009-01-31

Madagasikara: Nitono-tena ho filoham-pirenena ny Ben'ny tanàna

Nivadika ho adim-pahefana hiandraikitra ho filoham-pirenena indray ny fifanandrinana misy eo amin'i filoham-pirenena Marc Ravalomanana sy ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina izay efa nampisaritaka ny Malagasy

Madagasikara: Fahapotehana tsy roa aman-tanySary post

( Zandary eny an-tanàna, sary Mehmoud Karim) ) Taorian'ny rotaka nandritra ny roa andro sy ny fahafatesan'olona heverina ho 80 manerana ny firenena, ny fandrobana toeram-pivarotana ampolony dia milamindamin-dratsy ny firenena ankehitriny. Mivezivezy manerana an'Antananarivo ny miaramila ary samy miantso fitoniana ny roa tonta ankehitriny. Miantso hanaovana an'Antananarivo ho “tanàna maty” androany ...

2009-01-27

Madagasikara: Miverina mba handatsa noho ny rotaka ny tantara!Sary post

Tena azo itokisana fa tsy avy amin'ny polisy io tovolahy kely io. Ahitanao setroka haintrano ao ambadik'ilay tovolahy. (Sary nalain'i Maika Razafindranbeza ao amin'ny takelaka Facebook) Samy lasan'eritreritra amin'ny fivadihan'ny toe-draharaha teto madagasikara ho lasa fandrobana, fanjakan'ny Baroa ary ny fahabangan'ny fahefana ny mpikambana ao amin'ny Yahoo! forum; Ahoana no mety ...