Tantara mikasika ny Madagasikara
Teboka itodihana: Inona no hovakiana hahatakarana ny adihevitra mialoha fifidianana eto Madagasikara
Mba hahazoana fahatakarana bebe kokoa ny maha zava-dehibe ity fifidianana ity, dia namorona torolalana kely ny Global Voices manasongadina ireo loharanom-baovao mendrika hodinihina mba hanarahana ny vaovao malagasy.
Voina nahafatesana olona nandritra ny lanonam-panokafan'ny Lalaon'ny Nosy teto Madagasikara
Fifanosehana mahafaty olona no nanamarika ny fanombohan'ny Lalaon'ny Nosy teto amin'ny Ranomasimbe Indiana notontosaina teto Mdagasikara raha mirotsaka ho amin'ny fifidianana kasaina ho atao amin'ny novambra 2023 ny Filoha.
Handray ny lalaon'ny nosy 2023 aty amin'ny ranomasimbe Indiana i Madagasikara
Fanintelony hampiantrano ny lalaon’ny Nosy eto amin'ny Ranomasimbe Indianina manomboka amin'ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao i Madagasikara.
Zakan'ny malagasy hatrany ny fisondrotry ny vidin'ny entana ilaina andavanandro
Nahitana fiakarana mihoa-pampana ny vidin’ny entana eny an-tsenan’i Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ny taona. Nandray andraikitra handrara izay mety ho fihetsiketsehana rehetra ny governemanta ho setrin'izany.
Global Voices, mitady toniandahatsoratra hitarika ny fandrakofam-baovaonay ao Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara
Mpanoratra no sady toniandahatsoratra ve ianao, manana fahatakarana lalina sy fahalianana momba ireo endrika rehetran'ny faritra Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara ? Mientanentana amin'ny famolavolana hevitra havadika ho tantara, lahatsoratra ho an'ny media sôsialy, sy famoahana lahatsoratra hafa iarahana amina vondrom-piarahamonina marolafy? Raha “eny” no havalinao...
Namely an'i Mozambika ny rivodoza Chalane, namela fahasimbana kely noho ny tafio-drivotra teo aloha
Nihena ny tanjaky ny tafiodrivotra talohan'ny nahatongavany tao amin'ny firenena. Raha mbola velona ny fahatsiarovana navelan'ny rivodoza IDAI, izay namoizana ain'olona miisa 600 tamin'ny volana Martsa 2019 dia nanahy zavatra hitranga ratsy indrindra ny Mozambikana.
Madagasikara: Mianara aloha, “Afaka manampy anay hahita asa any Eoropa ve ianao?”
Ao Madagasikara, iray amin'ireo firenena mahantra indrindra manerantany, mbola ho ela vao hiharihary izany hoe mandeha any an-tsekoly. Ny ampaha-efatry ny ankizy monja no mandeha any an-tsekoly, ary tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny 35 isanjaton'ny mponina, ary miala ny nosy ireo olona vitsy nandia-fianarana.
Fepetra manavakavaka noheverina hiaro amin'ny herisetra ara-nofo, nokianin'ireo vehivavy malagasy
Ao anatin'ny fiarahamonina malagasy, tendron'ny vongan-dranomandry iray goavambe fotsiny ihany ny herisetra manjo ny vehivavy
Fampifanarahana Ny Atao Amin'ny Fiovana Toetrandro Henjana Ao Mali Sy Madagasikara
Efa nisy fiantraikany mahatsiravina sahady tamin'ny toekaren'ireo firenena roa sahirana ny fiovan'ny toetry ny andro.
2018 manerana an'i Afrika atsimon'i Sahara: Ireo tantaran'ny fiovana sy ny fanovana nankafizinay indrindra
Taorian'ny volana maromaro nanaovana fanerena tamin'ny fitondrana tao Afrika Atsimo sy i Ethiopia, dia nametra-pialàna ny filoham-panjakana Jacob Zuma sy Hailemariam Desalegn. Niteraka fanantenana mankany amin'ny fanovana demaokratika ao amin'ny firenena Afrikana maro misy mpitondra mpanao ampihimambam-pahefana ny fianjeran'i Zuma sy Desalegn.