Global Voices teny Malagasy » Madagascar
Voadona mafin'ny haintany sy ny ranomasina voaloto ny tapany Atsimon'i Madagasikara
[*Fanamarihan'ny mpandikateny: ny lahatsoratra dia nosoratana talohan'ny fanaovan-tsonia fifanarahana tany Addis-Abeba ny alin'ny Zoma 6 mifoha Asabotsy 7 Novambra 2009]
Raha ny hoavy ara-pôlitikan'i Madagasikara, izay tena tsy azo vinavinaina mihintsy izay alehany hatramin'ilay fanonganam-panjakana nitranga tamin'ny volana Martsa lasa teo iny, dia tapahina amin'izao fotoana izao any Addis-Abeba amin'ny alalan'ny fanelanelanana ataon'ny vondrona iraisam-pirenena mpampifandray, iaraha mahalala amin'ny anarana hoe GIC [Groupe International de Contact], izay manandrana indray manelanelana mba ahitana marimaritra iraisana avy amin'ireo ankolafy efatra tonta. Ny filohan'ny Vondrom-pirenena Afrikana sady isan'ireo mpanelanela izay manatrika any Addis-Abeba rahateo, ingahy Jean Ping dia nanokatra ny fivoriana tamin'ny teny manao hoe:
“The reality as you know it on the ground in Madagascar is characterized by fatigue that is felt by the people of Madagascar, people who are hoping the crisis will come to an end. A crisis to which, after all, they are the hostages. Whereas the socio-economic situation in your country is getting worse day by day. The people of Madagascar deserve better destiny and that depends completely on you”
“Araky ny iarahanareo mahalala, ny toe-javatra misy izay iainana any Madagasikara ankehitriny dia leo ny vahoaka Malagasy, miandrandra izay fotoana hiafaran'ity krizy ity ny olona. Krizy izay, izy vahoaka rahateo no mitondra faisana indrindra. Tsy mitsahatry ny miharatsy isan'andro isan'andro ny toe-draharaha ara-piaraha-monina sy ara-ekonomika any amin'ny tanindrazanareo. Mendrika hiaina tsaratsara kokoa noho izao ny vahoaka Malagasy ary miankina aminareo tanteraka ny fahefana hanova izany”
Izany teny izany dia toa azo ambara koa fa fihevitry ny ankamaroan'ny blaogasyfera [Malagasy mpivoy Aterineto] izay manompana ny herim-pony amin'ireo olana hafa koa izay tsy maintsy atrehin'i Madagasikara. Satria Faritra maro ankehitriny no indray voadonan'ireo loza samihafa toy ny haintany tsy manam-paharoa, ny ranomasina voaloton'ny faharendrehan'ny sambo izay niteraka fanapoizinana ny fiveloman'ireo mpanjono aman'aliny, ary ny loza hoan'ny tontolo iainanana vokatry ny fanapahana tsy ara-dalàna ireo hazo sarobidin'ny reniala.
(Fanampim-baovao : vita sonia tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo ary ny fifanarahan'ireo ankolafy ara-politika efatra (BBC) : Madagasikara dia hiarahan'ny “vondrom-piloham-pirenena” 3 mirahalahy miara mitondra. Azonao arahanina amin'ireto rohy ireto izay fanadihadiana mikasika izao vaovao farany sady goavana izao: Reuters sy Madagascar Tribune (fr))
Ny tsirariny ara-tontolo iainana vokatry ny fandotoan'ny sambo Gulser Ana ny ranomasina
Ny Gulser Ana dia sambo avy any Torkià nitatitra fôsfata izay rendrika tany amin'ny morontsiraky Madagasikara ka nanapariaka loto simika tamin'izany firendrehana izany ka fototry ny fahafatesan'ireo trozona sady niteraka aretina tamin'ireo fianakavian'ireto mpanjono monina any an-toerana. Na dia notaterin'ireo fantsona fampitam-baovao vitsivitsy azy ny vaovao tato ho ato, dia efa roa volana lasa izay no naharendrika ity sambo ity araky ny notaterin'ny mpiblaogy Malagasy tamin'ireo lahatsorany tsirairay avy tamin'ny voalohandohan'ny volana Septambra.
Toy izao no nosoratan'i Tomavana amin'ny blaoginy (fr):
En plus d’écarter le drame écologique du Sud de l’île des actualités nationales, la controverse politique autour de ces nouvelles nominations pose la question du suivi de ce dossier sensible
Ankoatry ny aloka izay ataony amin' ity vaovao ratsy hoan'ny tontolo iainana ity, ny adilahy politika manodidina ireo fanendrena izay ho ministra dia mampanontany tena ny amin'izay mba fanaraha-maso ity raharaha saro-pady ity.
Tsotra ny fanontanian'i Joan : “Mba renareo ve izay vaovao momba ny Gulser Ana ?”. Anisan'ireo namela hafatra i Capt Collin Smith izay mamoaboafy izay mety ho fototr'izao faharendehan'ny sambo izao:
The only explanation which can exculpate the Captain and Officer of the Watch of this vessel is mechanical breakdown. Anything else is human error, and therefore incompetence, if not recklessness. How can a ship go aground in perfect visibility if the OOW and Captain are paying attention and properly trained? [..] Another practice to save money. The Captain and OOW should have been arrested when they got ashore, and held.
Ny fanazavana izay hany mety hanala tsiny ny kapitenin'ity sambo ity dia raha sendra izay fahasimban'ny milina. Fa izay rehetra fototra ankoatr'izay dia fahadisoan'olombelona avokoa, izany hoe tsy fahaizana, raha tsi-fivakiana loha tsotra izao aza. Amin'ny fomba ahoana koa no irendrehan'ny sambo amin'ny alina mazava tsara raha toa ka samy zatra ady sy mitandrina tsara avokoa ny manam-boninahitra teo am-pamiliana sy ny kapiteny ? [..] Fomba hafa fitsitsiana (koa anie izany fanaovana hitsin-dàlana izany e!)Raha ny izy dia tokony ho voatana dieny mikasi-tany ny kapiteny sy ny manam-bonihaitra izay teo am-paniliana tamin'io fotoana io.
I Mialisoa kosa mitatitra ao amin'ny blaoginy (fr):
les habitants « souffrent de problèmes respiratoires, et de maladies cutanées et diarrhéiques ». Car non seulement ces personnes ont été exposées aux déchets toxiques, mais le nettoyage des zones polluées s’est fait sans vêtements de protection et sans équipements adéquats
voan'ny aretina manembatsembana azy ireo hiaina (sempotsempotra) ny mponina any sady miofakofaka ny hodiny no mivalana. Satria tsy vitan'ny hoe voan'ny fandotoana ireto olona ireto fa nampiasaina tamin'ny fandiovana ireo morontsiraka koa anefa tsy nisy fitaovam-piarovana na fiasana tandrify hanaovana izany akory.
Ny tsy fisian'ny tatitra hatrany am-piandohana mikasika ity raharaha ity dia nahatonga an'i Tomavana hanoratra amin'ny Twitter hoe:
“@fanjakely j'ai l'impression que les habitants Sud #Madagascar sont des malgaches de 2nde zone. J'entends nos beaux discours mais nous sommes pas #Solidaire”
“@fanjakely Toa ohatry ny Malagasy latsaka fahefany ireo mponina any Atsimon'i Madagasikara. Mandre kabary tsara lahatra ombieny ombieny aho anefa tsy mahita izay mba firaisan-kina akory”
Sambo rendrika nampitain'i Mialisoa
Indrisy anefa fa tsy izany ihany no loza mianjady any amin'iny faritra iny.
Haintany tsy manam-paharoa
Tena vitsy ny orana tany amin'ny faritra Atsimo tato ho ato. Araky ny nambaran'ny gazety “the Guardian” [ny Mpiambina], izao haintany tsy ara-potoana izao dia vokatry ny fiovan'ny toetr'andro (nisondrotra 10% mantsy ny mari-pàna) ka niteraka haintany tsy manam-paharoa sy marika fambara izay tsikaritra efa hatramin'ny enim-bolana lasa izao, fa ho henjana ny kere. Tovoheryzo Raobi Jaona no manazava izay fomba iantefan'ny fiovan'ny toetr'andro ny faritra Atsimo (fr):
“Avant, il y avait une sécheresse tous les dix ans. Or, depuis 2000, il y en a eu quatre”
“Fahiny, isaky ny folo taona tany ho any no ahitana haintany. Fa nanomboka tamin'ny taona 2000 kosa dia efa in-4 sahady izao”
Féroce Remanongona, olomboafidy any an-toerana, aza dia miteny mihitsy hoe (fr):
Nous prions le Grand Dieu que le cyclone passe chez nous. Même s’il détruit nos maisons, c’est mieux que subir la sécheresse
Mivavaka izahay mba handalovan'ny Rivomahery aty aminay. Na dia mandrava ireo tranonay aza ireny, dia aleonay misedra azy ireny toy izay kere
Teny henjana izany indrindra raha tsaroana izay fomba namiraviran'ireo rivomahery vao tsy ela akory iny faritra Atsimon'ny nosy iny.
Ny toeram-pandinihana ”Panos Insitute” dia namoaka vao tsy ela andian-dahatsoratra nampitondraina ny lohateny hoe “Pushed to the Edge” [atao ankila-bao] mikasika izay fianjadian'ny fiovan'ny tontolo iainana amin'ny vahoaka Malagasy monina any amin'ny faritra Atsimon'ny nosy. Toy izao ny fijoroana vavolombelona nataon'i Bruno:
I noticed that the weather had changed from our usual predictions, and the rainy seasons were starting very late… Not only was rice production affected, but also sweet potatoes and cassava. It was getting hotter and hotter, which made planting cassava challenging… When I harvested it, I discovered that the roots had become smaller, compared to my previous harvest. In terms of rice, I used to collect three to four large baskets and now I can harvest only one small basket. The change is so obvious that it makes me ask the question, “What is happening to the climate?”
Tsikaritro fa tsy manaraka ny fihevitray toy ny mahazatra ny toetr'andro tato ho ato, fa tara be ohatra vao manomboka ny fahavaratra… Ka tsy ny fambolem-bary ihany no simba fa na ireo Bélé [voamanga] sy Balahazo [mangahazo] koa aza. Mihamafana hatrany hatrany ny andro, ka tena hasakasaka be ny fambolena Balahazo… Rehefa fotoana filana indray, dia tsikaritro fa madinidinika ireo voany raha oharina amin'ireo vokatra taloha. Resaka vary indray, taloha dia kitapo telo no jinjainay fa ankehitriny kosa dia zara raha misy vody harona. Tena misy fiovana mihitsy ka mampanontany tena hoe ”fa dia inona loatra no mahazo ny toetr'andro e?»
Misy tatitra vokatry ny fanadihadiana izay vao navoaky Richard Marcus amin'ny alalan'ny ”American Political Science Association” [Fikambanana Amerikana hoan'ireo Mpandinika ny Pôlitika] izay mampiseho ireo olana tsikaritra manodidina ny fitantanana ny rano any amin'ny faritra Ambovombe-Androy. Toy izay no voasoratra:
“Rural communities are suddenly faced with having to pay exorbitant costs for water. They are ill-prepared to carry out their municipal functions and unable to raise the level of user-fees or community taxes necessary to fund infrastructure development”
“Ireo fokonolona any ambanivohitra dia voetry nandoa saran-drano midangana dia midangana. Tsy nivonona ny hiandraikitra ny fitantanan-draharaha amin'ny maha olom-boafidy azy ireo mpitondra no sady tsy nahavita nanangona hetra mba ho takalon'ny fampiasana ny rano na koa fikambanana mba hiantoka ny fanamboarana ny famatsian-drano hoan'ny tanana rahateo”
Stephane, mpiblaogy anivon'ny fikambanana Foko Madagascar dia vao avy nanatrika ny Vòvònàna izay nokarakarain'ny Firenena Mikambana handinihina izay mikasika ny Fiovan'ny Toetr'Andro tamin'ny volana Septambra lasa teo [New-York] sady miblaogy mikasika izay olana tsy maintsy hovahana amin'ny fampivoarana ny firenena andalam-pandrosoana toa an'i Madagasikara.
Farany, nisy volavolan-dalàna izay manameloka ny fanapahana ireo hazo sarobidy any amin'ny reniala any Madagasikara izay napetraky ny Solombavambahoaka Earl Blumenauer (Demokraty avy any Oregon) amin'ny Antenimieram-Pirenena Amerikana. Nirongatra mafy mantsy ny fanapahana ireo hazo sarobidy avy amin'ny reniala, hatramin'izay nanombohan'ny fifanolanana ara-politika izay.
Ireo gazety “Courier International” sy “l'Express de Madagascar” moa dia mitatitra koa fa hay ny fitondrana mihitsy no nanome alàlana ny fanondranana ireo hazo mavokely sarobidy, izay efa tra-tehaka, tamin'ny faramparan'ny volana Septambra (fr).
Blog action day 2009: Miresaka momba ny fiovaovan'ny toetr'andro ireo tetikasa vatsian'ny Rising Voices
Androany [15 oktobra] no Blog Action Day ary kendren'ity hetsika isan-taona ity ny hanambarana ny mpamaham-bolongana manerantany hanoratra lohahevitra tokana mba hampahafantarana sy hanentanana izao tontolo izao hiresaka ilay lohahevitra. Misy amin'ireo mpikambana ao amin'ny Rising Voices ary no nandray anjara tamin'ity hetsika ity ka entinay aminareo etoana ny fantina avy amin'izany.
Iray amin'ny tanjon'ny FOKO izay vatsian'ny Rising Voices ny hahatonga ny ny olom-pirenena eto Madagasikara ho singa miasa eo anivon'ny tontolo ny  [maitso] manokana izay ahiana [ho potika]. Tahina avy ao amin'ny FOKO Blog Club eto Antananarivo, Madagascar no manoratra:
Androany no Blog Action Day momba ny fiovaovan'ny toetr'andro, bolongana anarivony no manao soroka miara-milanja amin'izany mba hanaitra sy hanery ny tsirairay sy nympitondra eto amin'izao tontolo izao handray haingana ny andraikitra mety sy mifandraika amin'izany. Misy lanjany lehibe ity tolona ity rehefa zary lasa tsy fantatra intsony izay ho avin'ny taranaka. Tsy dia manantena loatra ny fiantraikany mivantana avy amin'ny fahazotoana an-tserasera toy itony aho raha ny eto Madagasikara saingy rehefa nahita ny fomba nanampian'ny famahanam-bolongana an'i Kamba aho dia nanao hoe nahoana kosa moa no tsy ho tahaka izany koa amintsika. Te-hilaza amin'izao tontolo izao isika fa hitandrina.
Ary dia navoitrany amin'izay ny fihetsika tokony hatao:
Tokantrano malagasy firy moa no mampiasa arina na kitay handrahoan-tsakafo? 80-90%? Tsy mahatakatra angovo hafa isika ao anatin'ny fotoana lavalava. Ary eto no tena ilana fandraisana andraikitra avy amin'ny tompon'andraikitra ambony.
Patrick avy ao Toamasina, Madagasikara: Ampitadiavana toerana mety hambolena hazo
Lyva, mpikambana hafa ay ao amin'ny FOKO no manoratra [fr] avy any  Antsirabe :
Mino izahay fa tokony ho tafiditra ao anatin'ity olana ity avokoa ny rehetra satria tsy fantsatsika intsony hoe vanimpotoana inona moa no diavintsika izao. Ohatra, Lohataona izao sa fahavaratra? Niova vdia niova ny maripana satria tsy nisy ny ririnina. Midina hatrany amin'ny 3°C ny maripana rehefa lohataona nefa mahatratra 35°C na mihoatra rehefa fahavaratra. (dika milina)
Ariniaina no miteny izay tokony hataon'ny olona tsy hamotehana ny tontolo iainana:
Heveriko fa ny tena olana eto Madagasiakra dia sahirana mitady izay hohaniny isan'andro ny mponina. Lasa tia kely tsy mahalala afa-tsy ny ho antsika isika avy eo. Adinontsika ny mpiara-monina sy ny taranaka.
Manantena aho fa hanaitra olona anarivony…anapitrisany… fitondrana maro…firenena mahantra… firenena manankarena… sy ny hafa koa ity fiaraha-mientan'ny mpamaham-bolongana ity, ary hiaraka isika hamonjena ny tany. Ny azokoa atao aloha izao dia ny amboleko hazo [ho ahy].
Théophile Kouamouo avy amin'ny Abidjan Blog Camps tetikasa Ivoariana no manoratra ny resadresaka nifanaovany tamina mpanao politika Ivoariana 70 taona:
Avy any avaratr'i Cote d'Ivoire ny tenany, niresaka momba ny fahazazany izy, ary nanatri-maso ny nahatritra ny renirano roa  namakivaky ny tany ambanivohiny. Hitany fa nihabetsaka ny vovondrano lalina ary nihavitsy ny fangadiana marivo hatsakana rano. Iza moa no tompon'andraikitra ary voina sa ozona no fahitan'ny tantsaha izany? ny tany hay mihamahazo vahana, ny fiovaovan'ny toetr'andro, ary eo ihany koa ny politikam-pambolena hanaovana azy ho asan'orinasa izay mitaky fitarihandrano, samy zava-doza avokoa ireo rehetra ireo  rehefa afaka fotoana maharitra.
Niresaka izany tamim-pandresen-dahatra ilay mpanao politika, ary manahy ny ho avy aza satria hitan'ny masony ny loza mitatao. (dika milina avy tamin'ny teny frantsay)
“Afrika no iray amin'ny toerana ianjadian'ny fiovaovan'ny toetr'andro indrindra,” hoy ny fampitandreman'i Théophile.
Manoratra [fr] i Cartunelo avy amin'ny Abidjan Blog Camps :
Amin'ny maha-web developer ny tena dia misy ny asa tsotra azo tao hamonjena ny planeta sy ahafahantsika web developers hanao asa miara-mirindra amin'ny tontolo iainana eto Abidjan:
1. Vonoina ny solosaina: mampiasa izay fiatoana kely fandaniana indrindra.
2. Tsoahina avokoa ny tsaidrianaratra rehetra amin'ny alina
3. Mampiasa takamoa misakaiza amin'ny tontolo iainana
Ny adihevitra momba ny fiovaovan'ny toetr'andro manokana moa dia natsangan'ny iray hafa vatsian'ny Rising Voices. Nomad Green no mitarika ny olo-pirenena Mongol hanapariahana ao an-teorana sy ivelan'ny firenena ny  olan'ny tontolo iainan'ny fireneny. Vakio ny bolongany hahalalanao ny fahavitrihany hampiatoana ny fiharatsian'ny tontolo iainana ao Mongolia.
Rezwan
Mpamaham-bolongana malagasy nanatrika ny fihaonambe fiovan'ny toetr'andro sy ny vovonan'ny G20
Ny 27 Sept no nanamarika ny fiafaran'ny dia lavitra sy lava notontosain'ny mpamaham-bolongana malagasy Stephane, a.k.a pakysse izay mpandrindra ny Foko rahateo. Niala teto Antananarivo, Madagasikara i Stephane ny 21 septambra ary nitody teo amin'ny seranam-piaramanidin'i JFK, New York ny faha- 22 hanatrika ny Kaoferansy momba ny fiovaovan'ny toetr'andro ao New York ao amin'ny foiben'ny Firenena Mikambana sy ny Vovonan'ny G20 (goavana 20) tao Pittsburgh. Ny Oxfam no nanasa an'i Stephane handray anjara tamin'ity vovonana ity noho ny tolo-kevitra avy The Youth Climate Movement (hetsiky ny tanora manoloana ny toetr'andro) (tamin'ny alalan'ny Rising Voices).
Nizara ny fizotry fivoriambe roa sosona tamin'ny teny anglisy, frantsay, malagasy mivantana i Stephane tamin'ny famahanam-bolongana sy ny fisiahana an-tserasera.
Raha nanao tsoa-kevitra momba ity fivoriam-be mikasika ny toetr'andro  ity  i Stephane ary maniry mba hivaingana amin'izay ny fanapahan-kevitra ary hisy ny fiaraha-miasa matotra eo amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana sy ny firenena mandroso : ( ato ny dikany amin'ny teny malagasy):
Heveriko manokana fa resaka manidina no betsaka fa tsy misy loatra ny asa mivaingana hotanterahina nandritra ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana [..] Efa maro loatra ny fahapotehana ankolaka sy mivantana ateraky ny fiovaovan'ny toetr'andro eto Afrika : ady an-trano, tondra-drano, kere,…sy ny fahateren-tsaina ara-pivavahana miteraka fampihorohoroana. Ny lesona tsara azo raisina dia ny hitandroana ny tontolo iainana sy hanome anjara toerana lehibe ny natiora mba hahatrarana ny fampandrosoana. Fiaraha-miasa matotra eo amin'ny firenena mandroso sy andalam-pandrosoana no vahaolana tokana.
Ary dia nitsofoka tao amin'ny Ekipan'ny feo miresaka fiovaovan'ny toetr'andro tao Pittsburgh i Stephane ny faha-24n'ny volana, vavolombelon nahita ny hamaroan'ny mpitandro ny filaminana sy ny fihetsiketseham-panoherana isan-karazany izy.
Fanoherana ny tsy fahampian'ny fotoana miresaka ny fahantrana
teo ampandraisana sary ny mpitandro ny filaminana
Nanadihady ny antony ilàna itony fivoriambe itony ho an'ny tontolo an-dalam-pandrosoana tamin'ny mpandray anjara vitsivitsy ihany koa i Stephane ka indreto (teny anglisy) ny roa tamin'ny resadresaka nataony:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowScriptAccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/7P3yirjwXOA&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&feature=player_embedded&fs=1" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/7P3yirjwXOA&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&feature=player_embedded&fs=1" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/yHEHnauD0e8&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/yHEHnauD0e8&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ary dia nanao tsoa-kevitra avy tamin'ny vovonan'ny G20 i Stephane hoe  :
“tsy manahy na inona na inona afa-tsy ny momba azy ireo ihany ny filohan'ny firenena mandroso nanatrika ny G20. Diso fanantenana tanteraka aho…”
Indro ny raki-tsary flickr an'i Stephane nandritra ny fivoriambe.
Eto ihany koa ny raki-dahatsary nalainy nandritra ny fivoriana.
lova rakotomalala
Voasakana tsy hiteny teo anivon'ny Firenena Mikambana ny solontena malagasy
Nandray kihon-dalana vaovao indray ny kizo politika mihatra eto Madagasikara.  Tao anatin'ny tetika hampana-kery ny fitondrana malagasy tohanan'ny  miaramila eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, dia efa tafiditra handray fitenenana mandritra ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana ao New York ny mpitondra an'i Madagasikara ankehitriny, Andry Rajoelina, tamin'ny alakamisy teo, saingy tsy afa-nandray fitenenana. Nampidirina handray fitenenana indray ny lehilahy ny zoma saingy, nanambara ampahibemaso ny fanoherany ny handraisany fitenenana manoloana ny fivoriambe ny solontenan'i Repoblika demaokratikan'i Kôngô, misolo tena ny Southern African Development Community (SADC) raha iny handray fitenenana iny indrindra izy. Natao ny fandatsaham-bato(fr) ka ny valin'izany dia 23 no nanohitra ny hikabarian- dRajoelina, 4 no nanaiky ary 6 no  tsy nilaza ny heviny. Voamariky ny fandresen-dahatra araka ny voalazan'ny lalàna ny nanaovana azy ary tsikaritra ny fisavoritahana raha arahina ny lahatsary navoakan'ilay mpamaham- bolongana Malagasy vatofototra:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="480" height="365" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowScriptAccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.dailymotion.com/swf/xam1cl&related=0" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="480" height="365" src="http://www.dailymotion.com/swf/xam1cl&related=0" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>FIZARANA 2-Fanakanana an'i Andry RAJOELINA teo amin'ny Firenena Mikambana 25 sept 2009
nampidirin'i vatofototra. - Jereo ny lahatsary farany.
Maro tamin'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Malagasy  no nanaraka tamin'ny alalan'ny fandaharana mivantana an-tsarin'ny Firenena Mikambana sy nisioka (ni-twit) ihany koa fa niditra amin'ny fiolahana tsy fantatra indray ny krizy eto Madagasikara.
Raha hiakatra ny sehatra Rajoelina no nanamarika ny mpamaham-bolongana Malagasy Aliotsy:
Congo's rep just called on member states (SADC or UN?) to walk out on Rajoelina if he speaks. http://www.un.org/webcast/ #Madagascar #fb
Niantso ny firenena mpikambana (ao amin'ny SADC sa ONU?) hivoaka ny solontenan'i Kôngô raha vao miteny eo Rajoelina. http://www.un.org/webcast/ #Madagascar #fb.
Sanganehana ihany i Rashaja:
situation is quite funny actually…total mess, total confusion. President of Session and advisor not experienced enough? #UN #Madagascar
Mampihomehy ihany ny toe-draharaha amin'izao fotoana izao…mikorontana sy misavoritaka tanteraka. Tsy ampy traikefa ve ny filoha sy ny mpanolotsainan'ny fotoana? #UN #Madagascar
Nanampy i Samganegie (fr):
président de l'assemblé est même sorti de sa tribune, et ses assistant sont completement paumés !!#madagascar .
Nivoaka ny sehatra mihitsy ny filohan'ny fivoriambe. Very hevitra tanteraka ny mpanampy azy !
Mifokofoko amin'ny toe-draharaha politika eto Madagasikara i Streetrover :
Rajoelina shunned at the UN, its ambassador @ UN publicly named in an internatnl bribery scheme on the same day! #madagascar needs a break!
Nangarihana tao @ Firenena Mikambana Atoa Rajoelina, notononina ampahibemaso ho tafiditra amina kolikoly iraisam-pirenena ny androtr'io ihany koa ny masoivohony ao @ Firenena Mikambana! mila miato kely aloha i #madagascar.
Nitovy hevitra i HairyT sy i Solofo nilaza fa andro matroka eo amin'ny tantaran'i Madagasikara izao:
RT @solofo: What a shame for #Madagascar . I don't care about #Rajoelina/ RT Pdt Prevented from Taking Floor at #UN
RT @solofo: Henatra ho an'i #Madagascar . Tsy raharahako ny tsy nahazoan-d #Rajoelina niteny teo anoloan'ny Firenena Mikambana.
Nanamarika ity toe-javatra ity koa ny bolongana mpanohana ny fitondrana Madagate (fr):
Ce moment irritant dans l’histoire de Madagascar fait déjà partie du passé. Car cette crise aura une fin, quoi qu’il puisse arriver. Pour le moment, la majorité des Malgaches de Madagascar commence à la vivre très mal car ils se perdent en conjectures.
Efa any amin'ny vanim-potoan'ny lasa sahady io fotoana mahasosotra ao anatin'ny tantaran'i Madagasikara io. Tsy maintsy hisy farany rahateo ny krizy na ho inona na ho inona no hitranga. Fa amin'izao fotoana izao dia  mipaka lalina amin'ny Malagasy eto Madagasikara iny noho ny  sangodim- panina isan-karazany.
Mandritra izany fotoana izany, velona indray ny rotaka rehefa nandamoka ny tany amin'ny Firenena Mikambana. Namoaka tao amin'ny twitter i Investgasy fa:
#Madagascar:  shootings in Anosy (Tana) right now, armed 4×4 are everywhere
Raikitra indray izao ny fipoapoahana ao Anosy (Tana), feno 4×4 mitondra fitaovam-piadiana ny tanàna.
Nohamarinin'ny Reuters avy eo ny tatitra, milaza ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso sy tifitra fampitandremana natao tamin'ny mpanao  fihetsiketsehana.
Farany i Jentilisa dia nitatitra fa mitaky ny hampiharan-dRajoelina ny fampanantenana natao taminy ny tanora rezervista niara-nitolona taminy  tany ampiandohan'ny krizy(mg):
..ny rezervista tanora, nitolona tamin'ny andron'ny TGV, hidina an-dalambe izy ireo hitondra sora-baventy satria tsy tanteraka ny fampanantenana natao tamin'izy ireo, toy ny hanomezana asa ho azy ireo tahaka ny hoe fampidirana azy ho miaramila ary hotsinjovina manokana ny rezervista nanohana ny tolona.
Lova Rakotomalala
Mbola manalokaloka ao Gabon sy Maoritania ary Madagasikara ny Frantsafrika
Mbola nampiharihary ny teti-panorona politika ampiharin'i La Frantsa amin'ny zanataniny teo aloha, sy mbola ananany tombotsoa politika sy toe-karena isan-karazany ny herisetra niseho vao haingana tany Gabon sy Madagasikara, sy ny fifidianana nolavin'ny maro any Maoritania. Lazaina matetika amin'ny hoe Frantsafrika (Françafrique) izy io
Noampangaina ho feno hosoka ny fifidianana tany Gabon satria nolazaina ho mpandresy tamin'ny fifidianana i Ali Bongo, ny zanakalahin'ny filoha maty vao haingana Omar Bongo. Nitarika fandoroana ny masoivohon'i Frantsa ao  Port-Gentil, tanàna misy ny foiben'ny orinasan-tsolika frantsay Total ny herisetra nitranga taorian'ny fifidianana tany.
Eto Madagasikara, toa handamoka indray ny dinika notarihin'ny vondrona mpanelanelana iraisam-pirenena hamerenana ny fandriampahalemana fa henjana ny famoretana nataon'ny mpitondra tetezamita ny mpanohitra tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ny zoma lasa teo. Tao an-drenivohitra Antananarivo ohatra dia nahitana mpanao fihetsiketsehana nisintontsintona  vazaha teo akaikin'ny hotel Glacier rehefa nandrava ny fihetsiketseham -panoherana ny fananganana governemanta tsy iraisan'ny ankolafin-kery rehetra misy araka izay nifanarahana tany Maputo ny hery miaramila.
Ary ny farany ao Maoritania, dia lasa ara-dalàna noho ny nanantanterahana fifidianana heverin'ny mpanohitra tany an-toerana ho feno hosoka ny fahefan'ny Jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz, izay nanongam-panjakana tamin'ny herintaona. Ary dia efa nanontany tena moa ny Maoritaniana hoe nahoana moa no i Frantsa no anisan'ny voalohany nanaiky (fr) ny valim-pifidianana.
Fonjan-kevitra efa eken'ny besinimaro amin'ny ankapobeny ny resaka Francafrique hany ka niteny mihitsy ny sekreteram-panjakana frantsay misahana ny  fampandrosoana ny ampitan-dranomasina teo aloha Jean-Marie Bockel tamin'ny Janoary  2008 fa “te-hanasonia ny filazam-pahafatesan'ny Françafrique izy”
Efa ananan'ny maro dôsie ny fomba fiainan'ny mpitondra Afrikana monina ao Frantsa. Porofo mivandravandra iray amin'ny fanaovan'i Frantsa vavany fotsiny toy ny haron-tabebaka ny sarintanin'ny fonenan'ny Afrikana mpanao didy jadona manodidina an'i Paris navoakan'ny Rue89. Nametraka lisitry ny tatitra sy ny sary ao amin'ny flickr ho porofon'ny fisian'ny Françafrique ihany koa ny ONG cellule Francafrique.
Haingana dia haingana ohatra ny nanasongadinan'ny bolongana Malagasy sy Frantsay fa ny Ambasadera Frantsay Chataignier  no diplaomaty vahiny voalohany tamin-dRajoelina ny andro manaraka ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara. Mampiseho ny fomba fiasan'ny Frantsafrika eto Madagasikara amin'ny alalan'ity lahatsary manaraka ity ny mpamaham-bolongana malagasy NJ:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/npYF-xyNU9o&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/npYF-xyNU9o&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ny antony lazain'ny mpamaham-bolongana matetika nidiran'i Frantsa an-tsehatra eto Madagasikara dia ny habetsahan'ny solika azo trandrahana any amin'ny faritr'i Bemolanga. Nahazo ny 60%n'ny toerana ny Total izay heverina hitrandraka solika 180 000 barikana solika isan'andro mandritra ny 30 taona mahery. Nolazain'ny Reuters aza fa ny tahirin-tsolika ao Tsimiroro dia mahatratra hatramin'ny 1,7 miliara barika.
Manjary mivadika ho herisetra matetika izany fihetsika ataon'i Frantsa heverina ho manelingelina ny fivoaran'i Afrika izany.
Mba miezaka ny nanome soso-kevitra isorohana ny fanalàna fo amin'ny  teratany frantsay ho setrin'ny Frantsafrika ny mpamaham-bolongana Malagasy Vony. Nanokatra taratasy ho an'ny mpizaka ny zom-pirenena frantsay eto Madagasikara i Vony (fr):
On dit que vous, Français, venez du pays des droits de l’Homme
Mais on sait aussi que vous vivez désormais dans un pays où la terreur règne,
Parce que Madagascar est aussi une partie de votre histoire, nous vous demandons
solennellement de nous soutenir et nous aider à retrouver notre dignité de
Malgaches et notre fierté de vivre sur cette île [..] Nous Malgaches au pays, en France et à l’étranger faisons appel à votre solidarité envers votre peuple ami et à votre foi en la démocratie et le respect des droits de l’Homme.
Parce que vous êtes aussi menacés par l’avenir sombre et désastreux qui nous guettent tous, , ne détournez pas les yeux mais tendez nous la main pour mieux dénoncer ce que vous ne toléreriez pas dans votre propre pays!
Lazaina fa avy any amin'ny firenen'ny zon'olombelona ianareo Frantsay nefa fantatra ihany koa fa miaina aty amin'ny firenena anjakan'ny horohoro ianareo, satria manko efa tafiditra ho anisan'ny tantaranareo i Madagasikara,
Koa miangavy anareo izahay hanampy anay hamerina ny hasina mahamalagasy sy ny fahamendrehan'ny Nosy […] Miantso ny fiaraha-mientana avy aminareo noho ny fanajanareo ny demaokrasia sy ny zon'olombelona izahay Malagasy. Satria manambana aminareo ihany koa  ny ho avy matroka, aza mangarika anay fa tolory tanana izahay ahafahanay manameloka izay tsy zakanareo ihany koa any amin'ny tany fiavianareo
Niresaka ny herisetra tamin'ny zoma i Tahina sy ny tsiaro ratsy niainany:
My bus line passes through the 13 Mai Square, a hot spot if not the hottest after the Ambohijatovo Park. And this logical question asked to the conducteur before getting on the bus “Do you go till Analakely?”, “Yes, Sir.” Along the street you pay attention to any abnormal things, people gathering at one place, suspicious traffic, you to stretch your ears to over hear others’ conversations. You take out your mobile and try to call someone who’s supposed to be downtown to know if he’s safe and ask him what he’s witnessed. All of that recalls me bad things. Things that I’m likely to live again in the days to come.
Mamakivaky ny kianjan'ny 13 mey ny fiara fitaterana nandehanako, toerana mafana, raha tsy ny mangotraka indrindra taorian'ny kianjan' Ambohijatovo. Tsy maintsy nanontany ny saofera ihany hoe: “Handeha hatrany Analakely ve ianao?”, “Ie!”. Tsikaritrao avokoa ny zavatra hafahafa rehetra nandritra ny dia, tahaka ny fivorian'ny olona tamin'ny toerana iray, ny fifamoivoizana mampiahiahy, tsy maintsy mba mihaino ny resaky ny hafa ihany. Miantso olom-pantatra amin'ny finday amin'izay heverinao ho any afovoan-tanàna ianao manontany raha milamina ny tany ka hitantarany izay hitany. Mampahatsiaro ahy zava-dratsy avokoa izany rehetra izany. Tranga izay mety mbola hiseho indray.
Any Gabon kosa no itantaran'ny mpamaham-bolongana Malagasy Harinjaka, izay mitoetra any Libreville ny mety ho porofon'ny hosoka izay nahatonga ny fandresen'i Ali Bongo:
of the cards featured in the image above, the one on the left is authentic, while the one on the right has been forged. The difference is quite clear - the one on the left has been stamped after the photo was attached, whereas the photo on the right was not stamped with the card, meaning that the photo can be changed - so that several people can vote with the same electoral card.
Amin'ny karatra hita amin'ny sary eo ambony ireo dia  tena izy ny eo ankavia, raha namboamboarina kosa ny eo ankavanana. Mazava ihany ny fahasamihafana - notombohina ny eo ankavia rehefa avy nametahana sary, nefa ny eo ankavanana kosa dia tsy misy fitomboka ny sary, izay midika fa mety ho nosoloina ny sary - mba ho maro ny olona afaka hifidy amin'io karatra iray io.
Ity manaraka ity kosa dia lahatsary ahitana vehivavy Gabonezy miampanga mivantana an'i Lafrantsa ho tompon'andraikitra mivantana amin'ny fanaovana hosoka nandritra ny fifidianana hampandresy an'i Bongo (fr):
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="480" height="295" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/f9q08jjGxGU&hl=en&fs=1&rel=0" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="480" height="295" src="http://www.youtube.com/v/f9q08jjGxGU&hl=en&fs=1&rel=0" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Nolavina matetika ho tsy misy tahaka ny petrakevitry ny fiokoana (théorie du complot) any amin'ny tany Tandrefana ireny rehetra ireny. Saingy manaporofo ny fisian'ny Frantsafrika mivantana eo imason'ny mpamaham-bolongana sy ny olo-tsotra Afrikana maro ny gidragidra nitranga tany Gabon, Maoritania ary Madagasikara.
Lova Rakotomalala
“Miala fa raha tsy izany…”: Na ny endri-pamoretana mahazo ny gazety ao Madagasikara
Tanora miasa ao amin'ny fanaovan-gazety lehibe iray i VNR. Nafeniny ny laharam-pindainy tamin'ny voalohany niantsoany ahy haontaniany izay antony hitadiavako tafa aminy. Nanaiky ny hihaona tamiko, teny amin'ny toerana be mpandalo eny Anosy Antananarivo, izy sy ny namany mpanao gazety ihany koa ka eny indray no mijery toerana ahafahana miresaka malalaka. Fomba fiteny fotsiny ny hoe miresaka malalaka fa sady mibitsibitsika izy mirahavavy nandritra ny ora roa niresahana no niherikerika be ihany. Sarotra dia sarotra ankehitriny izany hoe miresaka malalaka izany eto Madagasikara. Be loatra ny fisambotsamborana amin'ny tsy antony nandritra izay volana vitsivitsy izay, be loatra ireo olona miafina noho ny fihazana ireo mpanohitra politika. Efa nisy ny tatitra navoakan'ny Reporters sans frontières amin'ny  faneriterena mahazo ny media eto Madagasikara. Mety hoe tsy hita intsony eo amin'ny lohateny lehiben'ny gazety eto an-toerana ny krizy eto Madagasikara. Tsy milaza izany fa tsy misy intsony ny zavatra tokony hotaterina fa eo dia eo ny fangejana mahazo ny mpanao gazety raha vao misy ny fanadihadiana  ataony  momba ny fihoaram-pahefan'ny mpikambana eo amin'ny governemanta tetezamita, arovan'ny miaramila ankehitriny.
Milaza sompirana ny iray amin'ny olana mianjady amin'ny mpanao gazety eo am-panatontosana ny asany ny mpamaham-bolongana Malagasy Cyber Observer :
Lasa “mpiasa” na mpitondra tenin'ny antoko na hetsika politika ny mpanao gazety any amin'ny ankamaroan'ny firenena afrikana mpiteny frantsay.
Nitafa tamina mpanao gazety 7 izahay nandritra ny 4 herinandro nandalovanay tany an-toerana. Nametraka fepetra any ankamaroan'izy ireo fa hijoro vavolombelona ry zareo rehefa tsy lazaina ny anarana sy momba azy ireo tamin'ny fanadihadiana nataony nefa norarana ny famoahana izany fanadihadiana izany. Miasa amin'ny fanaovan-gazety an-tsoratra ny efatra amin'izy ireo, amin'ny radio ny iray, amin'ny televiziona ny iray ary amin'ny famoaham-baovao an-tserasera ny iray farany. Angom-pijoroana vavolombelona mihitsy amin'ny andavanandrom-piainan'ny mpanao gazety sy ny fomba fijeriny amin'ny fanaovan-gazety ankehitriny eto Madagasikara ity lahatsoratra ity.
Notantarain'iVNR ny rivotra iainana ao amin'ny biraom-pitendrena vaovao ankehitriny:
” Tsy nazoto ny hiresaka aminao izaho sy i TM (namana miasa amin'ny fanaovan-gazety hafa sady mpanolotra vaovao tao amin'ny topmada.com) tamin'ny voalohany  satria mihasarotra ankehitriny ny mitady olona azo itokisana ao anatn'ny holafitra. Nilazana aho roa herinandro lasa izay fa safidiko samirery raha hiampanga ny fihoaram-pefy ataon'ny fitondrana ankehitriny aho, fa tsy tokony hiharan'ny vokatry ny safidiko kosa ny ekipa, noho izany dia izaho irery ihany no tompon'andraikitra amin'ny lahatsoratra soratako. Nanadihady ny fandrombahan'ny governemanta ankehitriny ny zava-pihinana ilain'ny mponina vokarina orinasa tsy miankina iray aho. Nanatona ahy ny tonian'ny lahatsoratro fa tsy arendrika miaraka amiko kosa ny gazety, fa raha te-hamono ny asako aho, dia tsy (mahazo alalana) hisintona ny gazety hiara-maty amiko. Efa nanao fanadihadiana tamin'ity tranga iray ity ihany koa i LA, mpiasa amin'ny fanaovan-gazety hafa. Niditra tany amin'ny biraon-dry zareo ny mpitandro ny filaminana dia nilaza mazava tamin'i LA fa : “miala fa raha tsy izany…”. Tsy navoaka manontolo na izay nosoratako na izay  nosoratany.”
Nanampy i TM:
“ Nahombiazana haingana dia haingana tokoa ny vohikalam-baovao Topmada.com, izay namoaka haingana dia haingana ny vaovaon'ny mpanao gazety toa ahy. Namoaka vaovao in-droa isan'andro izy hatramin'ny nanombohany tamin'ny ankapobeny saingy tratran'ny fandrahonana ny tompony, vao tsy ela akory izay, ary dia tsy namoaka vaovao intsony izy hatramin'ny fanombohan'ny volana jona. Nandefa lahatsoratra matetika aho saingy nilazana aho tsy hisasatra foana intsony.”
Mazava loatra fa tsy nanaiky ny hampisehoana ny anarany na ny gazety iasany ny mpanao gazety. Fa tsy niraharaha ny hiafin'anarana intsony ny iray amin'izy ireo dia i Evariste Ramanantsoavina, mpanao gazety  tao amin'ny Radio Mada teo aloha rehefa notaritaritina ampahibemaso ny anarany. Notantarainy ny  fandehan-javatra tamin'ny nisamborana azy tamin'ny 5 mey,  sy ny fomba nahafahany ary ny fomba fijeriny momba ny fanaovan-gazety mandritra ny krizy:
Ilay mpanao gazety  tao amin'ny radio mada nogadraina. sary:  http://pakysse.wordpress.com
“ Mpanao gazety ara-panatanjahantena tsotra aho. Nandritra ny fotoana nampamaivay ny krizy tamin'ny volana marsa dia tsy nisy intsony ny olona nandeha niasa tao amin'ny radio mada hany ka niasa irery aho hatreo. Namaky ny vaovao sy fanambarana nalefa tamiko aho ary ny ankamaroan'ny dia avy amin'ny filoha teo aloha Ravalomanana. Efa antitra sy taizan'aretina aho hany ka tsy maintsy nisintaka kely ny radio mada tamin'ny tapaky ny volana avrily. Naheno aho fa nikaroka ahy ny mpitondra vaovao satria nampianatra ny olona hanao Cocktail Molotov sy hitoraka azy ireny amin'ny mpitandro ny filaminana hoe aho tao amin'ny radio. Lainga marivo tototra io. Tsy niasa intsony aho tamin'ny fotoana nilazana ho nisian'izany fa efa tany Antsirabe nitsabo tena. Rehefa nosamborina aho dia hitsan'ny mpitsara fa tsy ampy ny porofo hitanana ahy dia noafahana aho. Nieritreritra ny hiafina aho hiarovako ny ankohonako rehefa nahare ny tsahotsaho. Saingy nihevitra aho fa tsy misy antony hanaovako izany sady efa antitra koa ny tena hahafahana mandositra. Ny tena nampalahelo ahy dia ny nosoratan'ny mpanao gazety namana momba ny nisamborana ahy tsy nakany ny fomba fijeriko akory. Nokarakaraina tsara aho tany am-pigadrana saingy tsy afa-miteny ny mihoatra izay satria mbola maro ny any am-ponja. Mbola hanoratra ny momba izany rehetra izany aho fa tsy mbola fotoanany aloha izao. Ankasitrahako indrindra ny nataon'ny mpanao gazety namana sasantsasany nanao fitokonana rehefa nahare ny nisamborana ahy sy ireo mpamaham-bolongana nanoratra momba iny raharaha iny. Aorian'ny vahoaka malagasy dia ny marina no tena voa mafy indrindra nandritra ny krizy. Nisy manko ny nanoratsora-poana rehefa izay hahazoany tombotsoa.”
Tsy mitovy ny hevitry ny besinimaro amin'ny antony hitazonana ny vaovao tsy hivoaka sy ny mahatonga ny sasantsasany ao amin'ny media ho tsy dia taitra loatra.
Talen'ny gazety mivoaka isan'andro iray sy mivoaka isan-kerinandro iray sady efa niasa tamin'ny fanaovan-gazety nandritra ny 25 taona i MMR. Nahatsiaro ny fotoana nampamirapiratra ny fanaovan-gazety teto Madagasikara, fony vao naverina ny fahaleovantena, izy. Manontany izy hoe:
“ Mbola mihevitra ny tenany ho hery fahaefatra ihany ve ry zalahy ireo ? Mampihomehy. Efa ela no notandindonin- doza ny fahaleovantenan'ny fanaovan-gazety. Vao niboraka hatramin'ny antsipiriany izany nandritra ny krizy. Misy afa-miteny ve fa matoky tanteraka ny vaovao vakiany amin'izay mitranga eto Madagasikara ? Maro ny antony nahavery izany fitokisana izany saingy tsy nisy ny te-hiresaka momba azy io. Nisy ny fotoana nanatontosa ny andraikitra maha-mpiaro ny demaokrasia azy ny mpanao gazety nandritra ny taompolo 60. Efa dify tanteraka izany fotoana izany ankehitriny. Saino izao, talen'ny famoahan'ny gazety roa aho ary mandray 1.200.000 ariary isam-bolana (tokony ho $618 isam-bolana). mandray eo ho eo amin'ny $320 isam-bolana io ny mpanao gazety vaovao, ary antonony tsara izany raha jerena ny fiakaran'ny vidim-piainana. Ankoatra izany, sarotra ho an'ny mpanao gazety ny hanana vadin'asa satria maka fotoana be dia be ny fanangonam-baovao. Noho izay toerana misy azy izay dia tsy te-hampidi-doza ny asany ry zareo fa misy aza mpanao gazety vitsivitsy no mitaky vola ho sandan'ny fanginany rehefa mahita vaovao mety hanohintohina ka dia mandeha amin'izay ny resaka ambany latabatra. Nefa, tokony hitoetra ho mihoatra ny maha-foto-pivelomana azy ny fanaovan-gazety saingy very tsy hita intsony moa izany eo amin'ny sehatryny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny”.
Na izany aza dia maro ny trangam-panohintohinana ny fahalalahan'ny gazety ary samy manao izany ny roa tonta mpifanandrina politika.
Nahatsiaro ny andro nidiran'ny miaramila ny birao fiasan'ny MaTV tsy misy taratasy fahazoan-dalana ny mpanao gazety  RL miasa ao hikaroka sary mampivandravandra ny fampiasan'ny miaramila basy tafahoatra.  Nilaza tamin'ny ekipan'i MaTV ny Komandà Charles Andrianasoavina, ilay nalaza tamin'ny fandrahonana ny diplaomaty vahiny tamin'ny 17 marsa ka anisan'izany ny masoivoho amerikana Niels Marquardt,  tsy hamoaboaka sary miaramila intsony fa raha tsy izany dia akatony ny  televiziona:
LR:
“ Sady tsy sambany no tsy tsiambaratelo io tantara io. Fantatry ny rehetra fa nanemitra ny trano ny miaramila ary nandray ny antotan-taratasy sy fitaovana sasantsasany nolazainy fa hanaovana fanadihadiana. Ankoatra ny fantsona TV manko dia mamoaka gazety an-tsoratra antsoina hoe “Ma Laza” ihany koa izahay ary hatramin'ny nandalovan'ny miaramila dia tsy nisy intsony ny nanasonia tamin'ny tena anarany.”
Tsy amin'ny mpanao gazety ihany no mihatra ny faneriterena ataon'ny miaramila. Ireto mpanao gazety manaraka ireto dia manana tantara manokana momba ny fihoaram-pahefana, fanenjehana sy fisamborana noho ny tondro-molotra, nefa tsy azon'izy ireo navoaka izany. Nanaraka ny fisamborana an'i Heriniaina Razafimahefa, tale mpandrindra ny ALMA, Asa Lalana Malagasy, orinasan'ny filoha teo aloha Ravalomanana ny mpanao gazety zokiolona DN. Nosamborina tamin'ny 16 joonamanko io tale io satria nolazaina ho nanodikodim-bola sy nirobaroba tamin'ny volam-bahoaka. Ren'i DN fa tsy nahazo alalana ny hitsidika azy ny fianakavian'Atoa Razafimahefa telo herinandro lasa izay ary tsy nandrenesam-baovao intsony ny momba io rangahy io hatramin'izao. Maro ny tantara mitovitovy amn'izany amin'ireo niara-niasa tamin'ny filoha (teo aloha) Marc Ravalomanana rahodrahonan'ny miaramila sy angalany vola. TA, mpanao gazety free lance koa dia nahare fa misy manafika ny tranon'ny  mpiandraikitra voalohan'ny MAP, tetikasan-d Ravalomanana ary nenjehin'ny miaramila nanodidina an'Antananarivo ny rahalahiny mialoha ny nilefany ivelan'ny tanindrazana.
Maro tamin'ireo vaovao ireo no tsy fantatry ny olona fa nafenina tamin'ny fomba isan-karazany, toy ny tamin'ny alalan'ny fandrahonana, kolikoly na fampitahorana. Tsy vitan'ny hoe tsy mbola tafajoro eto Madagasikara ny kolontsaina tia mangarahara fa mbola atosaky ny fitondrana amin'ny olona ihany koa ny vaovao mampiahiahy ny fahamarinany. Ohatra iray amin'izany ny famoahana ampahibemaso tamin'ny 21 jolay ny anaran'olona dimy, nambara ho atidohan'ny fametrahana baomba ao Antananarivo raha ao nolazaina fa nisy baomba hita ora vitsy mialoha io.
Mbola maro ny ezaka tsy maintsy atao eto Madagasikara hahafahan'ny mpanao gazety hijoro, hiantohana ny demaokrasia. Nisy ny fotoana mendrika nilazana izany hoe hery fahaefatra izany ny media. Mampanontany tena ihany raha fotoanany izao hitsanganan-ko velona indray avy amin'ny lavenon'ny krizy politika misy ankehitriny.
[ Nosoloina Fanombohan'anarana ny ankamaroan'ny famantarana ny olona ho fiarovana ny ain'izy ireo]
Lova Rakotomalala
Madagasikara: resaka tati-baovao mandritra ny krizy!
Koa satria moa mbola mitarazoka ny krizy politika eto Madagasikara saingy efa tsy dia liana amin'ny toe-draharaha loatra intsony ny iraisam-pirenena dia nihaona hiresaka momba ny fanangonana sy ny fitateram-baovao nandritra ny fotoanan'ny krizy ireo ao avy amin'ny fanapariaham-baovao mahazatra sy ireo amin'ny endriny vao haingana (sao miverina matetika loatra ny teny hoe vaovao).
Naresaka tokoa ny fotoana noho ireo fifanakalozan-kevitra, fijoroana vavolombelon'ny tsirairay ary ny hatsaran'ny fandraisam-pitenenan'ny tsirairay ka ireo no nampisongadina fa nilaina ny fiezahana miara-miasa ahafahana mitatitra vaovao feno sy voamarina ny fisiany na dia sarotra aza ny asa.
Tontosa ity fihaonana ity noho ny mpikarakara sy noho ireo mpandray anjara tamin'ny Barcamp Malagasy voalohany tamin'ny Oktobra 2008.
Ny zavatra iray tena voamarika dia ny fahamaroan'ny mpanatrika na dia teo aza ny filazana nataon'ny Reporters Sans Frontières (niniana najanona ho teny frantsay na dia azo nadika hoe Mpitati-baovao tsy voasakan-Tsisitany aza) sy ny Komitim-piarovana ny mpanao gazety fa mpanao gazety sy mpamaham-bolongana maro na amin'ny ankohonany no nahazo fandrahonana nandritra ny krizy. Nijoro ho amin'ny fahalalaham-pitenenana ny mpandray anjara na dia fantatr'izy ireo tsara aza fa ho fanta-bahoaka amin'izay ny anarana sy ny endrik'izy ireo sady nisy manam-pahefana avy amin'ny fitondrana teo aloha sy ankehitriny aza tamin'ny mpanatrika.
Mpanatrika nandritra ny fihaonana nalain'i ariniaina sary
Nilaina indrindra ny resadresaka satria sarobidy loatra ny mihaino ampahibemaso na mandrakitra ny fitantaran'ny tsirairay izay niainany tsy nijerena fironana politika.
Toy izao manaraka izao ny ambangovangon'ny fotoana:
Teo ho eo amin'ny 80 na 90 avy amin'ny faritra 5 (eto Madagasikara) sy avy amin'ny firenena 4 samihafa no tonga nanatrika.
Alain Andriamiandravola, mpanao gazety teo aloha fa liana kosa amin'ny media vaovao, no nanokatra ny fivoriana izay niofo ho fotoana nitenenana malalaka nahitana hevitra mifanipaka sy nahatsapana ihany fa manana ny heriny ny fahalalam-baovao sy ny fanaovan-gazety.
Nosafoiko vetivety ny fiaraha-miasan'ny fampitam-baovao mahazatra sy vao haingana manerana izao tontolo izao, sy ny fiantraikany goavana nandritra ny krizy ary manantena fa hitera-bokatsoa koa ny thaka izany eto Madagasikara. Nisy zaikakely fanaon'ny Foiben-kolontsaina Amerikana antsoina hoe “Friday talk” (resadresaka isan-joma) nifanatrehan'ny mpamaham-bolongana sy ny manao gazety izay nampiseho fa mbola misy ny toerana ho amin'ny fiaraha-miasa sy fifanabeazana eo amin'ny roa tonta.
Ny tena nahaliana nandritra ny fihaonana moa dia rehefa nifandimby niteny avokoa ireo olom-pirenena avy amin'ny vazantany efatra teto an-toerana nilaza ny fomba nizarany tamin'ny takelakany tsirairay avy izay zavatra hitany sy ny sandan'izany avy eo. Nilaza ny fitiavany hanangom-baovao mivantana i Andry ka nahatonga azy ho ao anaty kianja mihitsy. I Jentilisa indray nitantara zavatra hafahafa nandritra ny Alatsinainy maizina (26 Janoary) fa miresaka sahady ny fahamaizan'ny trano iray mbola tsy nirehitra akory ny olona izay mahatonga ny eritreritra fa efa voaomana iny toe-draharaha iny fa tsy kisendrasendram-pihetsiky ny mpitokona. Nitantara ny tahony i Avylavitra raha nisy miaramila iray nanambana basy azy sy nitaky ny fakantsariny. Jaona avy any Fianarantsoa nitantara fa  notondroina ampahibemaso ho mpanakorontam-bahoaka any an-toerana ny bolongany  ka tokony akatona. Maro ny mpamaham-bolongana/mpisioka (twitterers) nizara tantara mitovitovy amin'izany nandritra ny fotoan-tsarotry ny krizy.
Thierry Andriamirado indray nanazava ny anjara asan'ny tambajotran- tserasera ifampizarana mihamahazo vahana rehefa hifanakalo vaovao momba ny krizy. Thierry no voalohany nitantara mivantana an-tsioka (tweet) ny fotoana nampivarahontsana voalohany indrindra tamin'ny krizy, “Alatsinainy Maizina,” ary nanazavany fa tery izy hitantara eo no ho eo ny toe-draharaha hitany.
Nanitrikitrika avy eo ny minisitry ny kolontsaina sy ny serasera teo aloha  Tsilavina Ralaindimby fa asa mahamendrika ny olompirenena ny fijoroana vavolombelona sy ny fikirizana hitantara tahaka izao ka mendrika ny arovana eo amin'ny seha-panjakana.
Tsilavina Ralaindimby, minisitry ny serasera teo aloha, mandrisika ny fanaovan-gazetin'olom-pirenena.
Barijaona Ramaholimiaso indray nandresy lahatra fa mitaky ny hanehoana  ny tena anarany ny etika maha-mpamaham-bolongana azy nefa navoitrany fa misy ihany koa ny karazana endrika faneriterena hafa eto Madagasikara, ny fanerena ara-tsosialy izay mahatonga ny olona tsy ho afaka milaza araka izay tena ao an-tsainy.
Christie Turner sy Affick Gassard indray namahavaha ny ho fampiroboroboana ny “radio communautaire” eto Madagasikara. Nisy ny toerana ambanivohitra vitsivitsy naharaka tsara ny toe-draharaha noho ny serasera sy antso am-pinday ho an'ny tontolo ambanivohitra.
Claire Ulrich indray nitatitra feno ny momba ny sivana an-tserasera manerantany ka nakany ho ohatra ny any Iran sy Shina ka nanasongadinany  ny mahavaindohan-draharaha ny fiarovana ny ain'ny mpanao gazety sy mpamaham-bolongana. Nampitandremany ny mpanatrika hahay hijery tsara hatramin'ny andinin-dalàna bitika indrindra amin'ny lalàna mifehy ny fampitam-baovao an-tserasera hampiharina eto Madagasikara. Navoitrany ihany koa fa tokony hotsarovan'ny roa tonta (mahazatra sy vao haingana) mandrakariva ireo mpanao gazety maty nandritra ny krizy toa an' i Ando sy ny hafa.
Farany, nanazava ny sehatra Ushahidi-n'i Foko i  Harinjaka sy i  Arinaina ary i Tahina ary nanazava ny nahatonga azy ho nampiasana azy, ny fampiasana  SMS-n'ny finday  iray hitateram-baovao, sy ho azo ampiasaina ihany koa ho raha sanatria misy ny voina fa azo itaterana voka-pifidianana ihany koa.
Fa manana ny anjara toerany ihany koa ny mpanao gazety. Randy Donny, mpanao gazety sady mpiaro ny fanaovan-gazetin'olo-tsotra no nandresy lahatra fa tsy misy fahasamihafana izany eo amin'ny roa tonta eto Madagasikara. Tamin'ny zavatra rehetra nambarany dia nolazainy fa ny olo-tsotra no tsara fitatitra vaovao kokoa satria tsy misy ny faneriterena avy amin'ny fitondrana nifandimby.
Ny marimaritra niraisana tany amin'ny faran'ny fihaonana dia hoe tena nisy fiantraikany lehibe tamin'ny habetsaky ny vaovao ny krizy. Nifanaiky ny tao amin'ny tontolon'ny fampitam-baovao fa tokony hiezaka tsara ny rehetra hiadiana amin'ny sivana sy ho afa-mamoaka vaovao tsy misy faneriteren'ny  governemanta. Fotoana nanararaotan'ny mpanara-baovaon'ny bolongana samihafa ihany koa ity fotoana ity hihaonany mivantana amin'ny mpitatitra vaovao ho azy.  Ohatra amin'izany i Jacqueline, anisan'ny mpanatrika, faly tokoa niara-nitafa tamin'ny mpamaham-bolongana Jentilisa. Hoy izy hoe
:” I read his blog everyday since January. It is just awesome to put a face and a personality on such remarkable people. “
Mamaky ny bolongany isan'andro aho hatramin'ny volana janoary. Tena mahafinaritra ny mifanatri-tava amin'ny olona tahaka azy
Henoy mandrakariva ary ny toetran'ny fampitam-baovao misy eto Madagasikara.
Indreto tatitra fanampiny momba ny fihaonana:
Ariniana:
Tahina:
Avylavitra
Harinjaka:
sixthman:
sary
Madagascar matin ( an-taratasy ihany)
Lova Rakotomalala
Madagasikara: Fanafahana mpitolona, fanoheran'ny mpanao gazety ny sivana
Nisento tokana ny fiaraha-monina malagasy an-tserasera nandre ny fanafahana an-d Razily, ilay mpanao fihetsiketsehana nosamborina tamin'ny volana marsa teo,  ka hitan'ny rehetra (fr) ho salama tsy marofy. Na dia mbola tsy mazava loatra aza ny toe-draharaha nahafaka an-d Razily, dia  manantena ny maro amin'ny mpamaham-bolongana fa io no fanombohan'ny fiverenana amin'ny filaminana sy ny fahaizan'ny mpitandro ny filaminana eto amin'ny firenena mitondra tena.
Niha-niroborobo ihany nandritra ny herinandro vitsivitsy izay ny sivana, tamin'ny fisamborana ny mpanangom-baovao Evariste Ramanatsoavina,  nampidirina am-ponja tamin'ny 5 Mey, sy ny fandroahana an-d Ravoajanahary Johary, talen'ny Televiziona Malagasy tamin'ny 19 May. Nanao fihetsiketsehana ho amin'ny fahafaham-piteny moa ny mpanao gazety tamin'ny 15 mey, nitatitra ny Committee to Protect Journalists (CPJ) [komity fiarovana ny mpanao gazety] sy ny Reporters without Borders (RSF) [Mpitati-baovao tsy voafehin-tsisintany]
Nanazava i Mohamed Hassim Keita avy ao amin'ny CPJ :
The protestors were showing solidarity for Ramanatsoavina, a presenter held in Antananarivo's Antanimora Prison on charges of “incitement to rebellion” and “civil disobedience,” according to defense lawyer Fidele Rakotondrainibe. The journalist, who denies the charges, is expected to appear in court for sentencing on Wednesday.
Naneho firaisan-kina tamin-d Ramanantsoavina ny mpanao fihetsiketsehana, Ramanantsoavina izay mpanolo-baovao notazonina ao amin'ny fonjan'Antanimora Antananarivo ary ampangaina ho “mandrisika fikomiana” sy ny “tsy fankatoavam-bahoaka” araka ny nolazain'ny mpisolovavan'ny voampanga ny maître Fidele Rakotondrainibe, . Mitsipaka ny fiampangana azy ny mpanao gazety ary miandry ny didim-pitsarana amin'ny alarobia.
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/uXyqTLaSwEg&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&feature=player_embedded&fs=1" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/uXyqTLaSwEg&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&feature=player_embedded&fs=1" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
( lahatsary avy amin'i  pakysse )
Nanome ny antsipiriam-baovaon'ny fisamborana an-d Ramanatsoavina ny Mpitati-baovao tsy voafehin-tsisintany (RSF) avy eo :
He was arrested at his home at 5 a.m. on 5 May by masked soldiers as his daughters looked on, and was taken to the National Mixed Committee for Investigations (CNME), which is located in the suburb of Ambohibao, in premises that used to be the headquarters of the former domestic intelligence service, the DGID [..] The decision to bring charges against Ramanantsoavina contradicted an initial statement by communication ministry secretary-general Charles-Aimé Randriamorasata that the authorities had arrested him simply to find out where Radio Mada was broadcasting from.
Nosamborin'ny miaramila misarontava tao an-tranony izy ny 5 mey tamin'ny 5 maraina araka ny nolazain'ny zanany vavy, ary dia nentina teny amin'ny Komity marolafy momba ny fanadihadiana (CNME), izay miorina eny Ambohibao foiben-toeran'ny sampam-pitsikilovana DGID tamin'ny androny[..] Nifanohitra tamin'izay nambaran'ny tale jeneralin'ny minisiteran'ny fifandraisana Charles-Aimé Randriamorasata tamin'ny voalohany izay lazaina fa fitadiavana ny misy ny fampielezam-peon'ny Radio Mada fotsiny ny fiampangana an-dRamanantsoavina.
Ny Famotsorana an-d Razily
Etsy andaniny kosa dia heniky ny vaovao tsara tamin'ny namotsorana an-d Razily ny tontolom-bolongana Malagasy. Ndimby ao amin'ny bolongana  fijery no namelabelatra ny andraikitra goavana noraisin'ny mpamaham-bolongana tamin'ny fanerena ny fanjakana sy ny ventin'ny fanafahana azy eo imason'ny fiaraha-monina an-tserasera manaraka ny vaovao'ny krizy eto Madagasikara:
Devant la démission des médias traditionnels sur le sujet, et il faut bien le dire, de l’opinion publique nationale devenue par la force des choses blasée, ce sont les blogueurs qui ont mis la pression. Alors qu’on n’a jamais vu un article de la presse écrite malgache poser la question, les internautes malgaches se sont mobilisés aux quatre coins du monde. Des gens qui ne se connaissaient pas, qui ne se parlaient pas, qui ne connaissaient pas Razily, en ont fait le symbole de leur lutte pour la démocratie et les droits de l’homme. Rappelons que suite à la mobilisation de la société civile et des blogueurs, le haut-commissaire des Nations unies aux droits de l’homme a envoyé discrètement un émissaire discuter avec le pouvoir de transition. Ce diplomate a rencontré à plusieurs reprises le Colonel Rakotonandrasana, le chef des mutins devenu Ministre de la défense
Eo anoloan'ny fialana andraikitry ny fampahalalam-baovao mahazatra amin'ity raharaha (Razily) ity, ary tsy maintsy itrikitrihina izany, sy ny fahitana ny olona eto an-toerana ho leo ambony ihany, dia ny mapmaham-bolongana no niasa mafy. Ny mpiserasera malagasy manerana ny tany no nihetsiketsika raha tsy nandrenesam-peo mihitsy ny gazety an-tsoratra (an-taratasy). Olona tsy nifankahalala, tsy nifampiresaka, tsy nahalala akory an-dRazily no nandray azy ho olomangan'ny tolona hampanjakana ny demaokrasia sy ny zon'olombelona. Aleo ampahatsiahivina fa noho ny firaisan-kinan'ny mpamaham-bolongana sy ny fiaraha-monim-pirenena nanao fanangonan-tsonia dia nandefa iraka tsy nisehoseho nivantana ny tompon'nadraikitra ambony misahana ny zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana. Maromaro ny fihaonana nataon'ity diplaomaty ity tamin'ny Kolonely Rakotonandrasana, (iray amin'ny) lehiben'ny mpioko izay lasa minisitry ny fiarovana avy eo.
Ny mpamaham-bolongana  Avylavitra no manontany fa nahoana no mihetsiketsika fatratra amin'izao fotoana izao ary taizan ny nalehan'ny rehetra nandritra ny fifanandrinana teo aloha teo (mg) ?
Fanamarihana kely avy amiko fotsiny ny hoe: fa maninona moa no tsy nihetsika toy izao ny mpanao gazety fony nitranga ny fahafatesan’i ANDO (RTA)?[tamin'ny volana febroary]
Sarin'ny fihetsiketsehana tao amin'ny  http://gazetyavylavitra.wordpress.com/
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/-vrDp6EW2OA&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&feature=player_embedded&fs=1" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/-vrDp6EW2OA&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&feature=player_embedded&fs=1" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
( Sarin'ny fihetsiketsehana manohitra ny sivana nalain'i Avylavitra)
Nomarihan'ny TopMada, vohikala malagasy malaza iray fa leon'ny firoborobon'ny fitongilanan'ny mpanao gazety sasany ny komitin'ny mpanao gazety raha itodihana ny tontolo politika malagasy:
Selon le comité des journalistes, l’image du journalisme est fortement ternie suite à la participation active de certains de leurs confrères dans les actions et activités politiques. Les journalistes veulent revenir à la déontologie et à l’éthique de la profession
Simba dia simba tokoa ny asam-panaovan-gazety, araka ny nolazain'ny komity mpandrindra ao amin'ny fanaovan-gazety, noho ny nidiran'ny sasany lalina tamin'ny resaka sy fihetsiketsehana politika. Te-hiverina amin'ny fahaiza-mitondra tena sy ny fahaiza-miasa (ankehitriny) ny mpanao gazety
Lova Rakotomalala
Madagasikara: Mandrahona ireo mpitoraka bilaogy sy mpikirakira twitter ny miaramila
Manao fihetsiketsehana isan'andro ao an-drenivohitry Madagasikara ao ireo tsy mankasitraka ny HAT (Haute Autorité de la Transition) hatramin'ny 21 martsa 2009. Ilay diabe nokarakaraina tamin'ny asabotsy teo dia nosakanan'ny miaramila tamin'ny herisetra ka naharatrana farafahakeliny olona 34, ary nisy ankizy tamin'izany. Nandritra ny fihetsiketsehana dia nisy tovolahy nantsoin'ny mpikirakira internet hoe Razily nanantona tamim-pahasahiana ireto miaramila sady nanofahofa sainam-pirenena tamim-pireharehana. Nitifitra azy ny miaramila kanefa nandroso ihany izy na dia teo aza ny bala, sady vao mainka nanangana avo ny sainany, ary farany dia tonga teo akaikin'izy ireo ka nosamboriny, avy eo natsipiny tao anaty fiara rehefa avy nodarohany; rehefa izany dia natsipiny tamin'ny tany ny sainan'i Madagasikara. Hatramin'izao dia mbola tsy fantatry ny mpiserasera internet izay niafarany.
Ny fisamborana an-dRazily, sary radotiana.blaogy.com
Mitondra an'i Madagasikara ny HAT ankehitriny, taorian'ny fanapahan-kevitry ny filoha teo aloha Ravalomanana tsy hametra-pialana fa hamindra kosa ny fitondrana amin'ny miaramila. Ity farany no nanome ny fahefana tamin'ny HAT tao anaty fandrahonana (araka ny hita amin'ny sary mihetsika ao amin'ny YouTube ary araka ny zava-nisy niainan'ny masoivoho amerikana izay norahonana tamin'ny fitaovam-piadiana koa). Hatreo dia neken'ny HCC (Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana) izay miandraikitra ny fanajana ny lalàna sy ny lalàm-panorenana ao amin'ny firenena ny HAT.
Hatreto dia tsy misy firenena manaiky ny HAT sy ny filohany, Andry Rajoelina, na dia iray aza. Andry Rajoelina, filoham-pirenena afrikana tsy notendrena zandriny indrindra, izay na dia ny lalàm-panorenana Malagasy aza dia tsy manaiky azy satria mbola misy 6 taona izy vao afaka milatsaka ho fidiana filoham-pirenena! Ho an'ny filoha teo aloha kosa, Marc Ravalomanana, dia afaka nitsoaka ny lapam-panjakana izy ary lasa nialokaloka tany Afrika Atsimo avy eo nankany Swaziland.
Ny Fikambanana Fampandrosoana an'i Afrika tapany Atsimo sy ny Fikambanam-be Afrikana, izay ivondronan'ny firenena maro fantatra amin'ny fihirana ny demokrasia sy ny fanajana ny zon'olombelona, no nampiakam-peo ary nilaza fa tsy hilefitra mihitsy manoloana ny fanonganam-panjakana mihatra amin'ny anakiray amin'ny mpikambana ary tsy vitan'ny hoe nampiato an'i Madagasikara tsy ho mpikambana fotsiny fa mieritreritra koa ny hanasazy. Madagasikara moa dia nahato tsy ho mpikambana koa ao amin'ny Fikambanan'ny Firenena Mampiasa sy Miteny ny Teny Frantsay (Francophonie) ny alakamisy 02 aprily.
Firenena tandrefana maro, tahaka an'i Norvège sy Etazonia no nampiato ny fanampiana an'i Madagasikara ary mampanontany tena hoe ahoana no hahafahan'i Madagasikara miaina, Madagasikara izay firenena tena mahantra ary ny 80% ny fivelomany dia fanampiana avy any ivelany. Sarotra izany na dia nilaza aza ny HAT fa hamidy ny fiaramanidina vaovaon'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay novidiany 45 tapitrisa Euros ary nomeny ny anarana hoe Air Force One/Two. Frantsa, izay nolazaina taty an-toerana fa nanohana ny fanonganana, dia nanitsy ny heviny ary nilaza fa Marc Ravalomanana ihany no filoha ara-dalàna araka ny lalàm-panorenana Malagasy.
Tsy mbola niainana ny krizy politika toy ity indray mandeha ity kanefa maneho endrika efa fahita ihany ka mahatonga ny mpitoraka bilaogy sy ny mpiserasera amin'ny twitter hanaraka akaiky ny fizotry ny tantara. Mitobaka amin'ny internet ny vaovao mahakasika ny krizy ary mahaliana izao tontolo izao. Ny mpiara-miasa aminay, Lova Rakotomalala, no voalazan'ny lahatsoratra iray tao amin'ny Wall Street Journal sy tao amin'ny fakana feon'ny CNN fa manana finiavana mandika ny teny ampiasain'ny mpiserasera amin'ny twitter ho amin'ny teny Anglisy. Mpitoraka bilaogy iray, Solofo Rafeno, no nahazo fanasana hanatrika ady hevitra tao amin'ny France 24.
Zavatra mampanahy no nihatra tamin'ny fampitam-baovao ho an'ireo mpikirakira twitter sy ireo mpitoraka bilaogy Malagasy vao tsy ela akory izay. Ny 30 martsa lasa teo, tao amin'ny sita Topmada.com no nahitana izao:
“20:00 - Nosamborin'ny polisy ny mpanao gazety sy mpaka sary sasany ary notereny hamafa ny sary nalainy”
Nohamarinin'ny mpampiasa twitter izany vaovao izany. Ny anankiray amin'ireny, Thierry_ratsiz no tratra ambodiomby naka sary ary niangaviana hamafa ny sary nalainy noho ny tahotra hiparitahan'izany ao amin'ny internet!!
thierry_ratsiz: hola, interpele par les gendarmes pour avoir ete surpris en prenant des photos… :/ #madagascar
R1lita syPakysse koa niaina izany zavatra izany:
TRT @r1lita: @pakysse, mpampiasa twitter hafa koa no noteren'ny polisy hamafa ny sary nalainy.
Fa ny zavatra tena nampatahotra indrindra tamin'ireny dia izay notantarain'i Avylavitra, mpitoraka bilaogy iray:
“Nahazendana ny maro ny zavatra nitranga teto satria tsy nanmpoizina velively: nisy iray tamin’ireo miaramila avy tao amin’ny RM1 izay nivoaka teo amin’ny arabe no tonga dia nanondro basy AHY no sady niteny hoe:
Miala any ny mpanaogazety, Tsy mila mpanao gazety eto. Miala sao tifiriko eo an.
Tsy nahita izay hatao aho no sady nanangana fotsiny ny karatra niantona tety ambozoko. Eo ambony Scooter aho amin’io raha mandeha an-tongotra kosa ny maro tamin’ireo mpanao gazety sy mpaka sary maro namana teny an-kianja mafana teny. Rehefa hitany fa tsy nihetsika aho no sady mbola nanangana ny karatra tety an-tanako, dia vao mainka niakatra ny feon’ilay ranamana. Tsy haiko na mpifehy ao amin’io toby io ilay zalahy iny, na iza. Fa ny fihetsika nataony aloha no niarahana nahita.
Nisy tamin’ireo mpanao gazety sasany no nihiaka niteny azy nanontany hoe :
Fa hatramin’ny oviana ny mpanao gazety no tsy mahazo maka sary sy manao ny asany. Sa efa niova indray koa ny lalàna?
Namaly ranamana no sady efa nikendry ny lohako. Ny elanelan’ny trotoir roa no manasaraka anay amin’io fotoana io. Hoy indrindra izy:
Rehefa hoe tsy mila mpanao gazety eto dia tsy mila, miala hoy aho sao tifiriko eo. Tifiriko ialahy an!’
Fahatsiarovana sady tsara no ratsy ho ahy iny ry zalahy namana. Kanefa tsy mba voatahiriko an-tsary, fa dia ny nanodina ny Scooter sy ny nidina ambanimbany namonjy ireo mpanao gazety sy mpaka sary sasany no nataoko sisa.
Koa miangavy anareo izay nahazo sary an’iny ’scène’ iny aho, tena miangavy. Mba omeo sary hotehiriziko, na farafaharatsiny, mba omeo rohy hahafahako mijery azy.
Enga anie ka ho anatra ho an’ireo miaramila rehetra ny namoahako ity lahatsoratro ity, fa aleo hivoaka ny marina sy ny nisy. Izay rahateo no ezahako ijoroana hatrany amin’ity GazetyAdaladala ity. “
mydago.com no nanao resaka hanihany ny zava-niseho farany:
“Mais que peut internet contre des armes à feux ? Contre des lacrymogènes ? Contre des militaires en pick up et brodequins ? Et fusils ? Rien ! Mais absolument rien ! Alors quel est le problème ? Et puis Madagascar est une île. Laissez donc tranquille cette île. C’est bien une île. Il y a la mer autour. Et la prochaine terre est loin. Cà permet de tout cacher. Les violence, les excès, et tout. La dictature même. Les dictatures.
Mais aujourd’hui, plus rien ne va. Quand on fait un coup d’état, les militaires ne peuvent plus faire leur travail normalement comme avant. Les jeunes d’aujourd’hui sont intenables. Ils sont extrêmement ennuyeux !!! Ils prennent des photos et des vidéos. Ensuite ils les transmettent par internet à des sites. Qui ensuite les publient dans le monde entier. Ah, ils sont vraiment ennuyeux ces jeunes d’aujourd’hui. Il n’y a plus de valeurs. Ils ne respectent plus la force ! La force militaire !”
“Inona moa no azon'ny internet hatao manoloana ny fitaovam-piadiana? Manoloana ny baomba mandatsa-dranomaso? Manoloana ny miaramila mandeha fiara sy manao kiraro be? Ary ny basy? Tsy misy! Tena tsy misy! Noho izany, inona àry ny olana? Ambonin'izany dia nosy i Madagasikara. Avelao hilamina ny nosy. Tena nosy izy. Misy ranomasina manodidina azy. Ary ny tany farany akaiky azy dia mbola lavitra ihany. Afaka iafenana tsara. Ny herisetra, ny fanararaotana, sy ny sisa. Ny didy jadona koa. Sy ny mpanao didy jadona.
Fa androany kosa, tsy misy zavatra mandeha amin'ny tokony ho izy. Rehefa manao fanonganam-panjakana, dia tsy afaka manao ny asany ara-dalàna toy ny teo aloha ny mpitandro ny filaminana. Tsy voafehy anefa ny ankizy amin'izao fotoana izao. Tena mandreraka be!! Maka sary sy sary mihetsika izy ireo. Avy eo dia aparitany any amin'ny internet sy ny sita samy hafa ireny. Avy eo aseho ho hitan'izao tontolo izao. Tena mandreraka be mihitsy ny ankizy ankehitriny. Tsy misy lanjany intsony. Tsy hajainy intsony ny hery! Ny herin'ny miaramila!”
Mialy Andriamananjara
Tsy mitsaha-mitombo ny fanakatsakanana ataon'ny miaramila any Madagasikara
Raha tsy mitsaha-mitombo manerana an'i Madagasikara ny tsy fankasitrahana ny governemanta vaovao kanefa sakanan'ny miaramila izany, dia miasa mafy kosa ireo mpikambana ao amin'ity governemanta ity manazava ny fandehan-javatra rehetra nahatongavan'izy ireo teo amin'ny fitondrana amin'ny fikambanam-be iraisam-pirenena. Ny fiovan-kevitra tampoka teo amin'ny fanapahan-kevitra noraisin'ny HCC (Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana) ny amin'ny maha-ara-dalàna ny famindrana fahefana no sarangotin'ny governemanta tetezamita ary nahatonga ny fisamborana ny lehiben'ny mpiambina ity andrim-panjakana ity.
Solon-tena avy ao amin'ny Firenena Mikambana momba ny filaminana sy ny Firaisam-be Afrikana no namorona ny atao hoe “Madagascar Contact Group” tany Addis Ababa mba hanome antoka fa ny firenena maro dia mampiaram-peo ny amin'ny tokony hiverenana amin'ny lalàm-panorenana. Milaza ny antoko politika tsirairay avy fa nanana solontena tamin'izany fivoriana izany, kanefa tsy nanatrika izany kosa ny antoko mpanohitra.
Nandritra izany rehetra izany dia nanendry praiministra vaovao ny filoha teo aloha Ravalomanana, izay mialokaloka any Afrika Atsimo, dia i Manandafy Rakotonirina ary handrafitra governemanta vaovao, izay mifandrirotra amin'ny maha ara-dalàna ny governemanta tetezamita. Andro vitsivitsy taty aoriana dia nanendry ireo mpikambana tao amin'ny kabinetrany Andriamatoa Rakotonirina, ary nosamborin'ny miaramila izy sy ireo olona mpanara-dia azy noho ny “fanosoran-tena ho praiministra, fanakorontanana ary fitazonana fitaovam-piadiana”.
Avy hatrany dia naneho ny heviny tamin'iny fisamborana iny ny mpitoraka bilaogy Malagasy:
Rakotonirina nosamborin'ny Commandant Andrianasoavina via andrydago.wordpress.com
Ilay mpitoraka bilaogy, andrydago no nandefa sary sy nilaza ny fandehan-javatra tamin'ny nisamborana an-dRakotonirina Manandafy amin'ny antsipiriany ary manontany tena raha iny fisamborana iny no hampijanona ny fihetsiketsehana.
Avylavitra nandefa sary mihetsika mitahiry ny fisamborana tao amin'ny bilaoginy :
<object width="425" height="344" type="application/x-shockwave-flash"></object>
Jentilisa kosa no manoritsoritra ny zava-nitranga rehetra tao amin'ilay sary mihetsika:
Efa tsy zoviana intsony fa ny Komandà Charles Randrianasoavina no nitarika ny miaramila hisambotra ireto mpitari-tolona ireto. Io Komand io no nitazona tamin'ny vozon'akanjony ny praiminisitra Manandafy sady niedinedina hatrany niteny hoe : “Ahy ialahy manomboka androany! Ahy ialahy manomboka androany!”.
Manamarina iny fisamborana iny ny governemanta tetezamita ary nilaza fa i Manandafy dia enjehina satria nitonon-tena ho praiministra tsy ara-dalàna, nandranitra fanimbana fananana ary nitazona fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna.
Ny sary mihetsika nalaina ny andro manaraka iny tao amin'ny toerana nitazonana an-dRakotonirina no mampiseho fa mangana ny tarehiny.
Iny fotoana fisamborana nataon'ny miaramila iny dia tsy nijanona tamin'ny fanraraotana fampiasana hery ihany akory. Mpitoraka bilaogy maro no nilaza fa nahita olona nirongo fitaovam-piadiana nihaodihaody manodidina ny toerana nanaovana ny fisamborana, nandeha 4×4 ary nanao tifi-danitra hampitahorana ireo mpandalo. Nandefa sary maromaro i Solofo, sary mampiseho fiara iray misy olona milanja basy mamoaka ny lohany ety ivelan'ny fitaratra manaraka fiara iray feno miaramila mirongo fitaovam-piadiana.
I Vola kosa ao amin'ny fanamarihana nataony, no nanoratra fa nanazava ny anton'ny fahafatesana olona 2 mpanao fihetsiketsehana ny lehiben'ny tafika:
… ils se sont cognés avec des véhicules dans la mêlée [..] il est comique Noël Rakotonandrasana sur ce coup là quand même. Ecoutez l'interview [RFI] à la fin
Nidona tamin'ny fiara izy ireo nandritra ny fifanjevoana. Nampihomehy iny filazana nataon'i Noel Rakotondrasana iny. Henoy ny filazan'ny RFI any amin'ny farany.
Fanararaotam-pahefana hafa koa no nataon'ny miaramila tamin'ny nisamborana an-dRazily. Razily ilay tovolahy iray nitondra ny sainam-pirenena namakivaky irery ny andiana miaramila ary nosamborina niaraka tamin'ny saina nentiny. Mampahatsiahy antsika ny tantaran-dRazily i Ethan Zuckerman. Misy fanangona-tsonia natao hangatahana ny miaramila hijery akaiky ny momba an-dRazily ary hanafaingana ny fotoam-pitsarana azy. Efa nahavory sonia vitsivitsy izy ity ary efa aparitak'ireo mpikirakira twitter:
Ireo mpikirakira twitter miresaka ny momba an-dRazily
Lova Rakotomalala