· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Madagasikara tamin'ny Novambra, 2012

Ireo fehin-dalàna any Madagasikara dia tsy mahafehy ny fampanjariana volabe amin'ny fitrandrahana ny harena akibon'ny tany

Ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana “Bemolanga-Total watch” no mitatitra fanamarihan'ireo mpahay lalàna any Madagasikara [fr]: le code minier malgache et la loi sur les grands investissements miniers (LGIM) ne sont pas appropriés pour englober tous les paramètres d'un contrat d'Etat de la dimension du projet “ireo fehin-dalàna Malagasy mikasika...

Madagasikara: Fanenjehana Mpanao gazety sy Mpiblaogy maro izay nitatitra mikasika ireo fanondranana andramena tsy ara-dalàna

GV Mpisolovava  14 Novambra 2012

Ny fikambanana miaro ny fahalalaham-pitenen'ny mpanao gazety manerantany ‘Reporters sans Frontières’ (RSF) no nitatitra fa mpanao gazety efatra sy mpiblaogy iray no atao fanoavana nohon'ny fanalambaraka sy “tsikombakomba amin'ny fampielezana vaovao tsy marim-pototra” [fr]. Ny fitoriana anaovana fanoavana ireto mpanao gazety ireto dia napetraky Atoa Mamy Ravatomanga izay mpanefoefo tompom-pantsona fampahalalam-baovao maro sady efa...

Inona Ny Anjara Asan'ny Tafika Eto Afrika ?

  11 Novambra 2012

Matetika ny Tafika no nitana anjara toerana nampiova zavatra saingy manalasala teo amin'ny fiainana politika teto Afrika. tanelanelan'ny taona 1950 sy 2000, 53 ny firenena afrikana nizaka fanonganam-panjakana 85 izay tonga tamin'ny fiovan'ny fitondrana. Taorian'ny fiatoana kely nandritra ny taompolo 90, mbola fanta-daza tamin'ny fisiana fanonganam-panjakana be indrindra nandritra ny taompolon'ny taona 2000...

Ainga Vaovao Ho An'i Barack Obama Any Afrika ?

  08 Novambra 2012

Raha voafidy indray Barack Obama hitondra mandritra ny efa-taona any Etazonia, Afrika kosa dia manao tombana ny efa-taona nitondràny Amerika sahirana kokoa amin'ny olana ara-toekarena noho ny fifandraisana ivelany, indrindra ny fifandraisana amin'ny kaontinanta afrikana. Lehibe tokoa ny fanantenan'ireo afrikana, nefa maro no mieritreritra fa hahafahan'ny Filoha Obama mandinika lalindalina kokoa momba ny olana afrikana ny fe-potoam-piasàna faharoa azony.

Politikam-Pifindramonina Frantsay Nodinihana Indray sy Nahitsy

  05 Novambra 2012

Nilaza ny finiavany hanova ny politikam-pifindramonin'ny fireneny ny minisitra frantsay misahana ny atitany, Manuel Valls, nandritra ny kabary nataony tao Toulouse, atsimo andrefan'i Frantsa. Mivaky toy izao ny navokan'ny haba-tserasera afrik53.com tao amin'ny lahatsoratra iray: Le ministre de l’Intérieur, Manuel Valls, a annoncé jeudi avoir envoyé aux préfets la circulaire modifiant...

Fomba Fijery Afrikana Mikasika ny Fifidianana Amerikana 2012

  05 Novambra 2012

Atao amin'ny 6 Novambra ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana ary efa miditra lalina amin'ny zava-misy eo an-toerana ny fampielezan-kevitra. Manana hevitra samihafa ny mpitoraka bilaogy Afrikana mikasika ny mety ho fivoaran'ny fifidianana ary ny mety ho hantenaina amin'ireo kandidà.

Madagasikara: Baomba mandatsa-dranomaso tafiditra an-tranofianarana

  01 Novambra 2012

Ny vohikalam-baovao Madonline no mitatitra [fr] fa tafiditra an-tranofianarana ny iray tamin'ireo baomba mandatsa-dranomaso natsipin'ireo miaramila hanaparitahana ireto mpianatr'Ankatso izay mitokona [fr] nohon'ny fitakiana ny vatsim-pianarana izay mbola tsy narotsaka foana. Mbola izany antony izany koa no itokonan'ireo mpianatry ny Anjerimanontolon'i Toamasina ankehitriny.