· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Madagasikara tamin'ny Oktobra, 2012

Madagasikara: Akory ny halafon'izany atao hoe krizy pôlitika?

  29 Oktobra 2012

Ny namana mpibalogy Razoky no mamehy ny tatitra nivoaka farany amin'ny lafiny ekônômika momba an'i Madagasikara: Depuis 2009, près de 4 millions de personnes de plus gagnent moins de $1.25/jour, le nombre d‘enfants non scolarisés a augmenté de 500'000 et 336'000 emplois ont été perdus en raison de la crise...

Madagasikara: Vokatry ny fikarohana mikasika ny fitrandrahana kely velarana ny harena an-kibon'ny tany

  27 Oktobra 2012

Ny praograma ASM-PACE izay sady mifantoka amin'ny fitrandrahana kely velarana ny harena an-kibon'ny tany [ASM na Artisanal and Small-scale Mining] no mifantoka koa amin'ny faritra natokana hiarovana ireo zavaboahary sy ny tontolo-iainana osa [PACE na Protected Areas and critical ecosystems] no nanapariaka ny vokatry ny fikarohana amin'izay fomba mety hataon'i Madagasikara...

Madagasikara : Miaro ny Vako-Pirenena Amin'ny Alalan'ny Fandraketana Ny Haino Aman-Jery

Mampiady hevitra matetika ny tantaran'i Madagasikara noho ny antony samihafa: tsy fifanarahan-kevitra tamin'ny fizotran'ny voina manan-tantara, fomba fijery voafetran'ny fitenim-[pirenena] [mg], na ny famotehana ny arsivan-tantara rehefa misy ny krizy politika. Misy fandraisana an-tanana ataona fikambanana iray ho fandraisana anjara amin'ny fandraiketana ho nomerika ny tahirin-kevitra haino aman-jery amin'ny tantaran'i Madagasikara.

Tolo-Tanan'i Frantsa Sy Ny Banky Mondialy Hanampy Ny Firenena Afrikana Hahay Hifampiraharaha Amin'ny Harena An-kibon'ny Taniny

  10 Oktobra 2012

Ho fankalazana ny tsingerin-taona faha-40 ny fifanaraham-piaraha-miasa ao anatin'ny Faribola Franc, dia namoaka taratasy iraisana ny filohan'i Côte d'Ivoire, Alassane Ouattara, sy ny minisitry ny vola Frantsay, Pierre Moscovici, hamaranana ny “fitrandrahana tafahoatra ny tahiry Afrikana” [fr]. Taorian'io kabary io dia namoaka fanambarana an-gazety ny Banky Mondialy fa nanangana tahirim-bola...