· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Madagasikara tamin'ny Aogositra, 2012

Afrika: Hialàna Amin'ny Ozon'ny Harena An-kibon'ny Tany

  24 Aogositra 2012

Maninona ireo firenena Afrikana feno harena an-kibon'ny tany tahaka ny Repoblika Demokratikan'i Kongô, Nizeria na Madagasikara raha tsy hilaza afa-tsy vitsivitsy, no tratran'ny fahantrana tsy fahita any ankoatra ihany koa? Izany no hevitr'ilay ozon'ny harena an-kibon'ny tany, izay nanimba firenena maro tany Afrika ambanin'i Sahara.

Azo iainana Tsara Ve Any Amin'ireo Tanan-dehibe Afrikana ?

  20 Aogositra 2012

Fanadihadiana iray nataon'ny The Economist Intelligence [en] momba ireo tanàn-dehibe eran'izao tontolo izao azo iainana tsara (ny tatitra manontolo amin'ny endriny pdf) , no manolotra hoe amin'ireo tanàna 10 sarotra iainana indrindra eto ambonin'ny tany, 6 no aty Afrika. Kanefa, misy fandaharana iray hafa mampiseho fa sambatsambatra kokoa any amin'ny firenena afrikana sasantsasany noho ny any amin'ny firenena eoropeana maro