· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Madagasikara tamin'ny Janoary, 2012

Madagasikara: Tsy Navela Hody Ny Filoha Teo Aloha Ravalomanana

  26 Janoary 2012

Nanambara ny hodiany an-tanindrazana, rehefa nanao sesintany ny tenany efa ho telo taona, tany Afrika Atsimo, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ny 21 Janoary 21, nitaintaina ny tao an-drenivohitra miandry ny fiverenany fa an'arivony ny olona no eny an-dalana mankany an-tseranana. Saingy minitra vitsy taoriany ny nidirany ny faritr'habakabaka malagasy dia nilazana mba hivily lalana ny voromby ka higadona any an-tanàna hafa. Mitantara mivantana ity toe-draharaha mafampana ity ny Malagasy.

Madagasikara : Taorian'ireny raharahara fanaovana ampihy mamba ny tany lonaka ireny, dia efa tafaverina sahady ve ny Daewoo?

  16 Janoary 2012

Ny namana mpiblaogy Sam Ganegie no manapariaka taratasy malalaka izay nosoratan'Atoa Mamy Rakotondrainibe hoan'Atoa Andry Rajoelina ary mangataka fangaharahana mikasika ny raharaha manodidina ny fiverenan'ny orinasa Daewoo Logistics anivon'ny tontolo ekônomika Malagasy [fr]. Manolotra fanampim-panazavana manodidina ny fiverenan'io raharaha Daewoo io [fr] i Mahefa Rakotomalala [gazety lexpressmada.com]. Ity orinasa Koreana tatsimo...

Madagasikara, Etiopia: Varoboba tany lonaka

  12 Janoary 2012

Ny fikambanana “TANY” izay miady hoan'ny fiarovana ny tany any Madagasikara no nanapariaka lisitra mitanisa ireo tany any Madagasikara efa ataon'ny vahiny ampihy mamba [fr]. Mampahanfatatra ny rehetra ry zareo fa na ny varotra na ny fampanofana tany lonaka amin'ny vidiny tsizarizary dia samy tena misy tokoa any Madagasikara (2...