· Novambra, 2010

Tantara mikasika ny Madagasikara tamin'ny Novambra, 2010

Fanampiny momba ny fanenjehana ara-politika eto Madagasikara

  30 Novambra 2010

Fanazavana lavalava ihany no nosoratan'ny mpamaham-bolongana Alain Rajaonarivony momba ny fisamborana mifandraika amin'ny raharaha politika vao nitranga teto Madagasikara (fr). Mitantara ny fandehan'ny fisamborana [na fisavana ny trano] nahazo azy ireo ny havana akaiky an'i Raymond Ranjeva sy ny zanany vavy. Eto moa misy fanangonan-tsonia manameloka izao fanenjehana azy ireo izao (fr)...

Madagasikara: Ny fizotry ny fanongam-panjakana tsy nahomby raha zohina arak'ireo Tweets

  24 Novambra 2010

Ary satria efa toa zary isan-taona mihitsy no itragan'ny tetika fanonganam-panjakana any Madagasikara, ny fandefasana Twitter ataon'ireo mponina any an-toerana dia ahitana taratra ny fivoatry ny fiokoan'ny manamboninahitra maromaron'ny tafika, ny sasantsasany amin'ireo vao avy nandray anjara tamin'ny fanonganam-panjakana nahomby tamin'ny taona 2009. Avylavitra no nandrohy Tweets ho vakana ahafahana manaraka mandritra ny andro mifanesy izay fizotr'ity fanongam-panjakana tsy nahomby ity.

Madagasikara : Antenaiko ho “pont” hatramin'ny faha-16 mihitsy aza!

  17 Novambra 2010

Ny mpiblaogy Lay Andriamialy dia mitatitra ireo fomba fijery samihafa ananan'ny sarambambem-bahoaka manoloana ity fitsapan-kevibahoaka momba ny lalam-panorenana vaovao ity: - Est-ce que le 17 Nov sera férié? – J'espère et même que le 16 soit pont “- Ho andro tsy fiasana ve izany ny faha-17-n'ny volana Novambra? – Antenaiko...

Madagasikara: Voasingotra amin'ny fanondranana andramena tsy ara-dalàna ny Filoha

  06 Novambra 2010

Wild Madagascar no nampakatra lahatsary navoakan'ny Global Witness (Vavolombelona Ankapobeny) sy ny Environmental Investigation Agency (Sampana mpanadihady momba ny Tontolo iainana) ahitana fa voasaringotra amin'ny fanondranana tsy ara-dalàna andramena (bolabola) ny filohan'ny [Fahefana Avon'ny Tetezamitan’] i Madagasikara Andry Rajoelina.

FOKO: Tamboho Gasy

Rising Voices  02 Novambra 2010

Ny mpitoraka bilaogy ao amin’ny Rising Voices mpikambana ao amin’ny FOKO Madagasikara dia mankafia manoratra mikasika ny tontolo manodidina azy ireo. Ao anatin'ity fantina ity no ahafantarantsika mikasika ny “Tamboho gasy” – tamboho nentin-drazana Malagasy, sy zavatra hafa koa.