· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Madagasikara tamin'ny Oktobra, 2010

Madagasikara: Tanàna nodoran'ny Dahalo nandritra ny halatr'omby

  28 Oktobra 2010

Notafihin'ny Dahalo ny tanànan'Ampasimbe sy Ankenihenibe [teny Frantsay | ndlr. any Fenoarivobe, faritra Bongolava, tamin'ny Talata 28 Septambra 2010] ary dia samy nangalarany omby miisa 18 sy 15. Raha lasa nanenjika ireto Dahalo ireo vatan-dehilahy tao an-tanànan'Ampasimbe, dia kilan'ny afo tsy tra-drano ireo trano tao an-tanàna nohon'ny rivotra izay nitsioka...

Afrika: Mbola mitolona ho amin'ny fahalalahana an-gazety ny mpanao gazety

  21 Oktobra 2010

Reporters Sans Frontières no namoaka ny Filaharan'ny fahalalahan-gazety androany (20/10/2010). Nomarihan'ity fizarana momba an'i Afrika moa fa faninefany misesy izay no nitazonan'i Eritrea ny laharana farany ary amin'ireo firenena afrikana mpiteny frantsay dia mampanahy tokoa ny fahalalahan-gazety [fr] any Roandà, RD Kongo, Kamerona, Cote d'Ivoire ary Madagasikara.

Madagasikara: tatitra momba ny fifandonan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminana farany

  19 Oktobra 2010

Ny mpamaham-bolongana Jentilisa no nanome antsipiriany ny hitany maso [mg] tamin'ny herisetra [fr] nifanaovan'ny mpitandro ny filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny 18 Oktobra teto Antananarivo, Madagasikara.  Mpikambana avy amin'ny mpanohitra heverina ho 1500 eo ho eo no nanao fihetsiketsehana nanoloana ny fitsarana izay niantsoana ny mpitarika. Ity moa misy ny...

Handray anjara amin'ny Iray andro manerantany ny Rising Voices

Rising Voices  17 Oktobra 2010

Hampiseho ny fahasamihafany ireo mpikambana ao amin'ny fianakaviamben'ny Rising Voices amin'ny fandraisany anjara amin'ny hetsika Andro Iray eto Ambonin'ny Tany. Haka sary ny manodidina azy ny olona mpampita vaovao maneran-tany amin'ny 10 Oktobra 2010 mba hitehirizana ny sary indray mihelatry ny fiainana eto an-tany. Jereo ny sasany amin'ireo mpandray anjaran'ny Rising Voices.

Afrika: Sarimihetsika mandiso ny fijery an'i Afrika

  13 Oktobra 2010

Africa is a Country no miresaka ilay sarimihetsika Madagascar amin'ny fomba fijery an'i Afrika anaty sarimihetsika: “Tsy mila mandinika lalina akory dia hahita fa fomba fitantara-na mpanjanatany (ilay sarimihetsika) Madagascar. Ny Tandrefana no lazaina fa maridrefy, ary i Afrika kosa lazaina ho saovazy [dia] sy vahiny [exotique] mba hanasongadinana ny...

Faritr'i Sahel: Momba ny fandoavana tamby hanavotana ireo takalonaina

  04 Oktobra 2010

Ny fakàna takalon'aina nataona vondrona Islamika iray antsoina hoe Al-Qaeda in The Islamic Maghreb (AQIM) izao no malaza any amin'ny Faritr'i Sahel izay nipariaka nanerana ny firenena maro any avaratr'i Afrika. Ho fanafahana ireo takalon'aina, manao tsindry ara-politika amin'ireo firenena Afrikana voakasika amin'izany ireo governemanta sy orinasa, na hizotra amin'ny fandoavana tamby mivantana. Na izany aza, ny tetikasa hoe handoa tamby dia mazàna no dradraina ho tsy mahomby sy mampidi-doza ao anatin'ny fotoana maharitra.