· Janoary, 2009

Tantara mikasika ny Madagasikara tamin'ny Janoary, 2009

Madagasikara: Fahapotehana tsy roa aman-tany

  31 Janoary 2009

( Zandary eny an-tanàna, sary Mehmoud Karim) ) Taorian'ny rotaka nandritra ny roa andro sy ny fahafatesan'olona heverina ho 80 manerana ny firenena, ny fandrobana toeram-pivarotana ampolony dia milamindamin-dratsy ny firenena ankehitriny. Mivezivezy manerana an'Antananarivo ny miaramila ary samy miantso fitoniana ny roa tonta ankehitriny. Miantso hanaovana an'Antananarivo ho “tanàna...

Madagasikara: Miverina mba handatsa noho ny rotaka ny tantara!

  27 Janoary 2009

Tena azo itokisana fa tsy avy amin'ny polisy io tovolahy kely io. Ahitanao setroka haintrano ao ambadik'ilay tovolahy. (Sary nalain'i Maika Razafindranbeza ao amin'ny takelaka Facebook) Samy lasan'eritreritra amin'ny fivadihan'ny toe-draharaha teto madagasikara ho lasa fandrobana, fanjakan'ny Baroa ary ny fahabangan'ny fahefana ny mpikambana ao amin'ny Yahoo! forum; Ahoana no...

Madagasikara: Niato ny fifampiraharahana, niitatra ny korontana

  27 Janoary 2009

Mba nisy masoandro nihiratra kely ihany ny hisian'ny famahana ny olana ara-tsosialy teto Madagasikara. Samy nilaza ny roa tonta avy amin'ny fitondrana sy ny fanoherana fa hisy ny fihaonana omaly. Niato anefa izany fihaonana izany rehefa tsy nifanaraka tamin'ny fepetra mialoha ny roa tonta. Mandritra izany fotoana izany dia mbola...

Madagasikara: Fahapotehina noho ny rivodoza Fanele sy Eric

  22 Janoary 2009

Vao tsy ela akory izay dia noteren'ny rivomahery Eric sy ny rivodoza Fanele andaniny sy ankilany i Madagasikara. Manahy ny ho fiantraikan'ny loza voajanahary tahaka izao ny mpamaham-bolongana eto Madagasikara raha fantatra ihany fa tena nampididoza manokana ny vanim-potoanan'ny rivodoza tamin'ny herintaona. Na dia mihahenjana aza ny toe-draharaha politika dia maro avy...

Miditra an-tanety any atsimo andrefana ny rivodoza Fanele

  21 Janoary 2009

Ny mpamaham-bolongana Pierre Maury no mahatsiaro ny faritra atsimo andrefan'i Madagasikara rehefa niditra an-tanety ny rivodoza Fanele tokony androany tamin'ny 4:17 marainan'ny 21 Janoary 2009 (fr). Ahiana hisedra ny setrasetran-drivotra mahatratra 281 km/h ny tanànan'i Belo-sur-Mer. Lova Rakotomalala

Madagasikara: Fihaonana politika nahazo olona be fa mihahenjana ny tady

  19 Janoary 2009

Mpamaham-bolongana Malagasy roa no nitantara an-tsary sy nitantara ny fizotran'ny fihaonam-be politika teto Antananarivo rehefa mihahenjana ny tady eo amin'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo Andry Rajoelina sy ny filoha Marc Ravalomanana mitondra amin'izao fotoana izao noho ny fanakatonana tobim-pahitalavitra an-toerana iray (mg). Avylavitra namoaka ny sary manontolon'ny fihaonana ary Jentilisa kosa nitantara...

Madagasikara: Tohin'ny Prison Break, fandoroana ny fonjan'Ambalatavoahangy

  14 Janoary 2009

Taorian'ny fahavakisana fonja misesisesy nanerana an'i Madagasikara tamin'ny herinandro, dia notaterin'i Jentilisa fa may ny fonja hafa any Toamasina ( morontsiraka atsinanan'i Madagasikara) omaly ( 13 Janoary) [mg]. Nitatitra ny fisian'ny setroka mitakovona sy ny feom-basy 5 ny nanatrimaso. Mbola hofantarina moa ny anton'ny setroka sy ny feom-basy. Lova Rakotomalala

Madagasikara: “Prison Breaks” na Maka Tahaka Televiziona ny Fiainana

  10 Janoary 2009

Vaky loha ihany ny mpamaham-bolongana eto Madagasikara tratran'andiana vaky fonja faran'ny herinandro lasa teo. Tamin'ny 4 Janoary teo, dia gadralava 22 mpiray efitra no tafatsoaka ny fonjan'i Tsiafahy izay miala kely ny renivohitra Antananarivo. Tamin'ny fomba ahatsiarovana an'i Andy Dufresnes raha nitsoaka ny fonja tao amin'ny tantara “The Shawshank Redemption”,...