· Desambra, 2008

Tantara mikasika ny Madagasikara tamin'ny Desambra, 2008

Madagasikara: Televiziona noterena hijanona

  23 Desambra 2008

Noho ny nandefasany ny lahatsarin'ny mpanohitra iray an-tsesintany dia nakaton'ny fanjakana ny VIVA televiziona. Miady hevitra momba ity fanapahan-kevitra politika ity sy ny fiantraikan'izany eo amin'ny fahafaham-pitenenana ny mpamaham-bolongana.

Madagasikara, Kenya: Fahendrena ve ny mampanofa tany ny vahiny?

  21 Desambra 2008

Noho ny horakora-pahatezerana nisy teto an-toerana sy iraisam-pirenena, dia natsahatra ihany ilay fifanarahana hampanofa amin'ny orinasa Koreana Tatsimo Daewoo Logistics ny ampahany betsaka amin'ny betsaka ny tany azo volena eto Madagasikara. Nefa mihamitombo hatrany koa etsy ankilan'izany ny fifanarahana fampanofana tany eo amin'ny firenena manankohariana sy ny firenena an-dalam-pandrosoana, ary dia manontany tena ny mpamaham-bolongana raha tena ahazoan'ny olo-tsotra tombotsoa tokoa itony karazana fifanarahana itony.

Madagasikara: Namaly izay lazaina fa sivana atao amin'ny piesy “47” Lafrantsa

  21 Desambra 2008

Pierre Maury no mitatitra fa efa novalian'ny fitondram-panjakana frantsay ny fanamelohana fa tratran'ny sivana ilay piesin'ny tantaran'ny tolona ho amin'ny fahaleovantena “47″ nataon'i Jean-Luc Raharimanana sy Thierry Bedard. Victoire Bidegain Di Rosa, mpanolotsaina ao amin'ny minisiteran'ny kolontsaina frantsay no manazava fa tsy voatery hahaliana ny firenenkafa aty amin'ny faritra ilay...

Madagasikara: Nosivanin'ny Fitondrana Frantsay ny piesy teathralin'ny Tolom-panafahana

  15 Desambra 2008

Nofoanan'ny solotenam-panjakana frantsay misahana ny tapany atsimon'i Afrika sy ny ranomasimbe Indiana tsy misy fanazavana ny fitetezantany ilay piesy teathraly mampahatsiahy ny tantaran'ny tolom-panafahana hahaleovan'i Madagasikara tena tamin'ny 29 marsa 1947. Mbola mitohy ihany koa ny adihevitra momba ity resaka ity ato amin'ny aterineto. Misy lahatsary ato.

Madagasikara: Famakiam-boky mandehandeha hampirisihana vakinteny

  05 Desambra 2008

Tahina, mamaham-bolongana ao amin'ny Madagasikara tsy ilay sarimihetsika, no mamoaka sary vitsivitsy  ny “bibliobus”, famakiam-boky iray anaty fiarakodia mandehandeha, tetikasa iray entina hampiroboroboana ny famakianteny eto Antananarivo (en). Nohazavainy ary fa nahitana fahombiazana tanteraka ity tetikasa ity ho an'ny manodidina azy. ” Raha toa tsy afaka mankany amin'ny famakiam-boky ny...

Nahoana no hamaham-bolongana ho an'i Afrika

  02 Desambra 2008

Andro vitsivitsy lasa izay dia nitagy ny mpamaham-bolongana namany i Théophile Kouamouo [Fr], mpamaham-bolongana mipetraka any Abidjan (Côte d'Ivoire), hilazalaza ny eritreriny tsirairay avy amin'ny antony hamahanam-bolongana momba an'i Afrika: Bloguons nous pour la diaspora et le vaste monde, coupé de nos contemporains sur le continent ? Blogue-t-on sur l'Afrique comme...