· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Madagasikara tamin'ny Jolay, 2008

Madagasikara: Ny fandrindram-piterahana

  18 Jolay 2008

Jayne Taylor Gaubatz, mpanolotena ao amin'ny Vondron'ny mpitandro fandriampahalemana ( Corps de la Paix) mpamaham-bolongana ao atsimon'ny tanànan'i Fianarantsoa, no mitantara ny fiantraikan'ny afisy miresaka ny fandrindra-mpiterahana tsara soritra iray, ny maha-zava-dehibe ny fandanjana ny zaza ary ny  nanatrehany hira-na chorale indray mandeha [en].

Madagasikara: Fanambadiana aloha loatra sy fahasimban'ny taova

  18 Jolay 2008

Mialy, mpamaham-bolongana avy eto Antananarivo, no mamelabelatra ny fahoriana mianjady amin'ny  zazavavy manambady [fr] any ambanivohitra noho ny olana ara-tsosialy sy ara-pahasalamana vokatry ny fanambadiana aloha loatra. Azavainy ary fa ny fistule (fahasimban'ny taova toy ny lalanjaza), vokatry ny fiterahana aloha loatra, ka miteraka tsy fahatazonana fivalanandrano (tsy matatanty poritra)...

Fanamelohana ho faty ireo tantsaha malagasy noho ny ady tany

  14 Jolay 2008

Samihafa ny heloka nomen’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Miarinarivo ireo tantsaha 21 avy ao Ankorondrano Analavory (90 km andrefan’Antananarivo) noho ny fihokoana nataon’izy ireo noho ny ady tany nifanaovan’izy ireo tamina tompon-tany iray. Ho fanoheran’izy ireo ny fanalana azy tamin’ny tany izay heveriny fa efa azy ampolony taona izao dia...