Tantara misongadina momba ny Madagascar
Blog action day 2009: Miresaka momba ny fiovaovan'ny toetr'andro ireo tetikasa vatsian'ny Rising Voices
Androany [15 oktobra] no Blog Action Day ary kendren'ity hetsika isan-taona ity ny hanambarana ny mpamaham-bolongana manerantany hanoratra lohahevitra tokana mba hampahafantarana sy hanentanana izao tontolo izao hiresaka ilay lohahevitra. Misy amin'ireo mpikambana ao amin'ny Rising Voices ary no nandray anjara tamin'ity hetsika ity ka entinay aminareo etoana ny fantina ...
Mpamaham-bolongana malagasy nanatrika ny fihaonambe fiovan'ny toetr'andro sy ny vovonan'ny G20
Ny 27 Sept no nanamarika ny fiafaran'ny dia lavitra sy lava notontosain'ny mpamaham-bolongana malagasy Stephane, a.k.a pakysse izay mpandrindra ny Foko rahateo. Niala teto Antananarivo, Madagasikara i Stephane ny 21 septambra ary nitody teo amin'ny seranam-piaramanidin'i JFK, New York ny faha- 22 hanatrika ny Kaoferansy momba ny fiovaovan'ny toetr'andro ao ...
2009-09-30
Voasakana tsy hiteny teo anivon'ny Firenena Mikambana ny solontena malagasy
Nitetika ny hampanaiky ny fitondrany, eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, tamin'ny alalan'ny fandraisam-pitenenana teo anivon'ny Firenena Mikambana tao New York, i Andry Rajoelina izay tohanan'ny tafika, raha voasakana tsy hiteny. Miresaka momba izany ny mpamaham-bolongana sy ny mpisioka an-tserasera malagasy.
2009-09-17
Mbola manalokaloka ao Gabon sy Maoritania ary Madagasikara ny Frantsafrika
Mbola nampiharihary ny teti-panorona politika ampiharin'i La Frantsa amin'ny zanataniny teo aloha, sy mbola ananany tombotsoa politika sy toe-karena isan-karazany ny herisetra niseho vao haingana tany Gabon sy Madagasikara, sy ny fifidianana nolavin'ny maro any Maoritania. Lazaina matetika amin'ny hoe Frantsafrika (Françafrique) izy io
Noampangaina ho feno hosoka ny fifidianana tany ...
2009-08-02
“Miala fa raha tsy izany…”: Na ny endri-pamoretana mahazo ny gazety ao Madagasikara
Tanora miasa ao amin'ny fanaovan-gazety lehibe iray i VNR. Nafeniny ny laharam-pindainy tamin'ny voalohany niantsoany ahy haontaniany izay antony hitadiavako tafa aminy. Nanaiky ny hihaona tamiko, teny amin'ny toerana be mpandalo eny Anosy Antananarivo, izy sy ny namany mpanao gazety ihany koa ka eny indray no mijery toerana ahafahana miresaka ...
2009-07-18
Madagasikara: resaka tati-baovao mandritra ny krizy!
Koa satria moa mbola mitarazoka ny krizy politika eto Madagasikara saingy efa tsy dia liana amin'ny toe-draharaha loatra intsony ny iraisam-pirenena dia nihaona hiresaka momba ny fanangonana sy ny fitateram-baovao nandritra ny fotoanan'ny krizy ireo ao avy amin'ny fanapariaham-baovao mahazatra sy ireo amin'ny endriny vao haingana (sao miverina matetika loatra ...
2009-05-21
Madagasikara: Fanafahana mpitolona, fanoheran'ny mpanao gazety ny sivana

Nisento tokana ny fiaraha-monina malagasy an-tserasera nandre ny fanafahana an-d Razily, ilay mpanao fihetsiketsehana nosamborina tamin'ny volana marsa teo, ka hitan'ny rehetra (fr) ho salama tsy marofy. Na dia mbola tsy mazava loatra aza ny toe-draharaha nahafaka an-d Razily, dia manantena ny maro amin'ny mpamaham-bolongana fa io no ...
2009-05-07
Madagasikara: Mandrahona ireo mpitoraka bilaogy sy mpikirakira twitter ny miaramila
Manao fihetsiketsehana isan'andro ao an-drenivohitry Madagasikara ao ireo tsy mankasitraka ny HAT (Haute Autorité de la Transition) hatramin'ny 21 martsa 2009. Ilay diabe nokarakaraina tamin'ny asabotsy teo dia nosakanan'ny miaramila tamin'ny herisetra ka naharatrana farafahakeliny olona 34, ary nisy ankizy tamin'izany. Nandritra ny fihetsiketsehana dia nisy tovolahy nantsoin'ny mpikirakira internet ...
Tsy mitsaha-mitombo ny fanakatsakanana ataon'ny miaramila any Madagasikara

Raha tsy mitsaha-mitombo manerana an'i Madagasikara ny tsy fankasitrahana ny governemanta vaovao kanefa sakanan'ny miaramila izany, dia miasa mafy kosa ireo mpikambana ao amin'ity governemanta ity manazava ny fandehan-javatra rehetra nahatongavan'izy ireo teo amin'ny fitondrana amin'ny fikambanam-be iraisam-pirenena. Ny fiovan-kevitra tampoka teo amin'ny fanapahan-kevitra noraisin'ny HCC (Fitsarana Avo momba ny ...
2009-04-30
Madagasikara: Manitsakitsaka ny fahafahana maneho hevitra ny governemanta tetezamita
Mampidi-doza ny fahafahana maneho hevitra aty Madagasikara ny fanapahan-kevitra noraisin'ny governemantan'i Andry Rajoelina, filoha mpitarika ny Fitondrana Avon'ny Tetezamita.
Ny voalohany amin'izany dia ny fisamborana mpanao fihetsiketsehana 3, ny malaza amin'ireny dia Razily, ilay tovolahy hita amin'ny sary mihetsika fa nitondra sainam-pirenena, talohan'ny nanipazana azy tao anaty fiara sy novonoin'ny miaramila.
Araka ...




