Tantara mikasika ny Liberia

Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?

  15 Oktobra 2018

Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny onjam-panandevozana izay nanafay ny tanibe ary tsipihany fa tsy manan-danja lehibe amin'ny literatiora haisiana ihany koa izany, hitany ho azo leferina ihany ireo antony'ny fanesorana izany ho an'ireo haisiana mpanoratra.

Charles Taylor: Satria mandeha ny tantara

  16 Aogositra 2018

''Tamin'ny Aogisitra 2003, nentina tamin'ny Boeing 727 fiaramanidin'ny filoham-pirenena Nizeriana i Charles Taylor, Liberiana mpitondra taloha, avy tao Monrovia nankany Abuja. Vao nahazo fialofana tany Nizerià tao anatin'ilay fifanarahana teo ambany fiahian'ny Firaisambe Afrikana, ny Firenena Mikambana (ONU) sy Etazonia i Taylor, izay natao mba hanajanonana ny ady an-trano tao Liberia. ''

Liberia: Ny fiandohana sarotra ho an'ny tontolon'ny blaogy

Rising Voices  24 Jolay 2018

Sarotra ny maminavina toerana iray izay tena sarotra kokoa ny fitazonana blaogy noho ny any amin'ny firenena izay tsy misy fizarana herinaratra ho an'ny daholobe fotsiny tsotra izao. Fa ireo liberiana mitsiriritra ny ho mpanao gazety mazoto kosa dia miasa mafy mba hanjohy an'ireo mpanao gazety sy blaogera mpiara-miasa aminy any amin'ny sisintanin'ny haino aman-jery afrikanina vaovao''

Manapariaka Ny Bilaogy Aty Afrika Amin'ny Alàlan'ny Onjampeo

  16 Septambra 2017

Mety miahiahy angamba ny mpihaino sasany  - "be pitsony loatra ny famahanana bilaogy ... aiza ny fahafahana hifandraisana, mbola lafo vidy ny aterineto, " izany no fanehoan-kevitry ny mpihaino iray - kanefa mampiseho ny fandaharan'ny Onjampeo BBC World Tambajotra Afrika fa zava-misy ary anisan'ny miroborobo ny famahanana bilaogy eto Afrika .