Tantara mikasika ny Kenyà
Coca-Cola, ilay mpandoto be indrindra amin'ny fako plastika, manohana ny COP27. Indro ny maha-olana an'izay
Ao anatina asa fanesoesoana goavana, ny Coca-Cola, ilay mpandoto plastika goavam-be eran-tany, no manohana ny COP27, ilay kaonferansa lehibe indrindra erantany ho an'ny tontolo iainana, izay hatao ao Sharm El Sheikh, Egipta amin'ity volana ity.
Nahoana ny “kiswahili” no tsy lasa teny fampiraisana an'i Afrika?
Na eo aza ny finiavan'ny firenena marobe handray ny Kiswahili ho toy ny fiteny mampiray, dia mbola mijanona ho sakana tsy hampahomby azy ny tsy fitoviam-pijery amin'ny resaka jeôpôlitika sy ny dindon'ny avy any ivelany
Fanomezam-boninahitra poeta Keniàna, Grandmaster Masese izay niaro ny kolontsaina Abagusii tamin'ny alàlan'ny tononkalo sy hira
Ny fanambarana ny rakikira iray malaza an'i Masese tamin'ny Desambra 2021 tamin'ny endrika Dizitaly, CD sy Vinyl no rakikira voalohany lava indrindra an'ny mozika Obokano novokarina hatramin'ny taona 1972.
Niova fomba fanjifàna hira ny Afrikana ary miditra amin'ireo goavan'ny fandefasankira iraisampirenena aza
Taorian'ny fironana maneran-tany, tsy nitsahatra nijotso ny fivarotana kapila mangilatra (CD) noho ny fizoran'ny mpankafy hira any amin'ny fitrohana ankihy.
Tsy hanohitra ny fandisoana ny vaovao mandritra ireo fifidianana ho avy ao Kenià ny Twitter sy Facebook
Na dia mitombo haingana aza ireo mpampiasa media sosialy ao Kenià, tohizan'ny Facebook sy ny Twitter ny fanolorana fepetra tsy mahomby sy tsy fampiasana vola betsaka amin'ny ady hanoherana ny fandisoana vaovao mifandraika amin'ireo fifidianana.
Shagz Chronicles: Ilay rakipeo Keniana izay maniry anao ho tia ny fiteny sy kolontsaina Kikuyu
Mitohy ho fanamby lehibe iray ny fandikàna ny fiteny Kikuyu. Maniry ny Shagz Chronicles mba hatao fenitra eo amin'ny fiainana andavanandro ny Kikuyu am-bava sy an-tsoratra, na amin'ny aterineto izany na any ivelany.
Hiram-panoherana matanjaka ao Kenya sy Afrika Atsimo
Ao Kenya sy Afrika Atsimo, fitaovana tsy azo ialàna ireo hiram-panoherana ho an'ny tolom-panafahana
Olomangan'ny hira feminista manerana an'i Afrika ho fankalazana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy
Na miteny hanohitra ny fanararaotana ara-nofo, ny didipoitram-behivavy (FGM), ny fankalazana ny maha-lahy sy maha-vavy, na ny fampiroboroboana ny miralenta, ho an'ireo mpihira Afrikana feminista ireo, ny mozika no fitaovam-piadiana faratampony indrindra.
Enda, kirarom-pihazakazahana voalohany avy ao Kenya manantena ny hahomby amin'ny sehatry ny fanatanjahantena manerantany
Enda, izay midika hoe "Andao!" amin'ny teny Swahili, no te-hifanala hazakazaka amin'ny Adidas, Nike, ary Puma hahazo ny volan'ny sangany sy ireo manerantany manao ny hazakazaka ho fialamboliny.
Nambara ho Andro Manerantany ho an'ny teny Kiswahili ny 7 Jolay; Tetikasa vaovao iray mikasa hahatakatra tsara kokoa ny karazan-tenim-paritra Swahili
"Ny antenainay koa dia ny hankalazana ny teny Swahili ao anatin'ny fahasarotany — amin'ireo karazany sy fitenim-paritra maro, amin'ireo vondrona mpiteny Swahili..." – Ny ekipan'ny Tetikasa