Tantara mikasika ny Kenyà tamin'ny Janoary, 2013
Hetsi-panoherana Ny Sarintsarim-pandevenana Ny Fanjakàna Ao Kenya #BallotRevolution
Ny 16 Janoary 2013, natao tao Nairobi renivohitra ny hetsi-panoherana am-pilaminana teo ambanin'ny teny faneva Fandevenana Fanjakàna #BallotRevolution. Nanao antso ho an'ireo Keniana mpiray tanindrazana aminy izy ireo mba tsy handrotsaka vato hifidy indray ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta mandritra ireo fifidianana solombavambahoaka hatao ato ho ato, voalahatra ho ny 4 Martsa.
Manampy Ny Keniana Hampibaribary Ny Hosoka Amin'ny Maha-mpikambana Anaty Antoko Politika Ny Teknolojia
Satria miomana hiatrika fifidianana izay ho filoham-pirenena ry zareo Keniana ato anatin'ny 90 andro, noporofoin'ny teknolojia ny sady maha-namana no maha-fahavalo azy ho an'ireo maro mpanao politika: Nivoitra tamin'izany àry fa tao amin'ny tranonkalan'ny Kaomisiona Keniana Mahaleotena Momba ny Fifidianana Sy Ny Vakim-paritra dia marobe ankehitriny ireo antoko politika no nangalatra ny antsipirihany avy amin'ny Kara-panondrom-pirenen'ireo Keniana tsy misy ahiahy ary dia nanao hitsin-dàlana nanoratra azy ireny ho toy ny mpikambana ao anatin'ny antokon-dry zareo .
E-boky GV Vaovao: Feom-Panantenana sy Fiovàna Afrikana
"Feom-panantenana sy fiovana Afrikana" mampanakaiky anao kokoa amin'ireo tantara sy vahoakan'i Afrika atsimon'i Sahara, amin'ny alalan'ireo lahatsoratra tsara indrindra amin'ny teny anglisy nandritra ny taona 2012 - kadoa lavorary entina hiarahabana ny taona vaovao.