Tantara mikasika ny Kenyà tamin'ny Oktobra, 2012
Afrika: Izay fahasarotana tsy maintsy atrehina amin'ny fananganana foto-piarahamiasa Afrikana
John Karanja no miresadresaka mikasika izay fahasarotana tsy maintsy atrehina amin'ny fananganana foto-piarahamiasa [na platforme] Afrikana: What is an African platform? What does it look like? and perhaps more importantly what does it do? Will it address a Need or a Want? What exactly will make it African? […] Will it work...
Rosia : Tetikasa “Bribr” Hamantarana ny Fisian'ny Kolikoly
Fampiharana vaovao amin'ny iPhone/iPad ny Bribr [amin'ny teny rosiana] ; App Store, Facebook] izay ahafahan'ny mpisera azy tsy ho fantatra anarana (anonyme) ao Rosia mandefa ny toerana nisian'ny kolikoly sy ny totalin'ny vola natao kolikoly. Afaka ampahafantarina arak'izany ny vola noraisina tamin'ny kolikoly. Araka ny fanambaran'ny Bribr [rosiana], […] Mpitsabo, tafika, fadin-tseranana –...
Kenya: Afaka Mividy Antsika Ny Vola Hoy Ny ‘Campus Divas for Rich Men’
Ny "Campus Divas For Rich Men" (Kalamanjan'i Campus ho an'ireo Lehilahy Manan-karena) dia pejy irao ao amin'ny Facebook natokana hanjonoana ireo tovovavy Kenyana mbola mpianatra ary latsaky ny 26 taona hiaraka amin'ireo lehilahy manan-karena, anatin'ny sokajin-taona rehetra. Ny adihevitra mikasika ilay pejy dia nampipongatra ny olana tahaka ny fanarahamaso ny tambajotra sosialy, VIH/AIDS, finoana sy fomban-drazana Afrikana, ny vintana ho an'ireo tanora Keniana, ny fahantrana, ny fitiavam-bola tafahoatra ary ny tsindrin'ireo mitovy amin'ny tena eo amin'ny samy Keniana mpianatry ny anjerimanontolo.
Kenià: Tompondaka Safari Rugby 7s Mampientanentana Ny Mpanohana
Lalao ara-panatanjahantena lehibe iray no natao tany Afrika Atsinanana ny 21 ka hatramin'ny 23 Septambra,2012, teo tany Nairobi, renivohitr'i Kenià - Ny Safari Sevens , lalao fifanintsanana rugby ataon'ny firenena fito manana moron-drano izay niandoha tamin'ny 1995 nefa tafiditra amin'ny fandaharam-potoana amin'ny fihaonana ara-panatanjahan-tena Keniana.