Tantara misongadina momba ny Kenya
Mitondra VIH mamaham-bolongana: Mbola azo atao ny mitia
Na dia sarotra aza ny miresaka malalaka momba ny VIH/SIDA, dia mitombo hatrany ireo mpamaham-bolongana manerantany mireska ny fomba fiainany mitondra ny tsimok'aretina.
Afrika: Miteraka adihevitra ny fahatongavan’ny tambajotra Seacom
Miteraka adihevitra sy fahalinana teo amin’ny tontolon’ny fitoraham-blaogy Afrikana ny fahatongavana tambajotra ambany ranomasina izay hampiakatra ny fatran'onja [bandwidth] sy hampidina ny sandan’ny fahazoana Aterineto manerana an’i Afrika. Nalefa nivantana tamin’ny Alakamisy i Seacom, izay mampifandray an’I Afrika atsimo, Tanzania, Kenia, Oganda ary Mozambique amin’i Eoropa sy Azia, ka hampiditra an’I Afrika Atsinanana sy Atsimo ho ao anatin'ny tambajotra manana fatran'onja midadasika.
2009-08-18
Mpitoraka bilaogin'ny herinandro: Haute Haiku avy any Kenya
Anankiray amin'ireo mpitoraka bilaogy vao vaovaon'ny Global Voices aty amin'ny faritra atsimon'i Sahara i Haute Haiku. Miresaka momba ny vavy tia vavy na lahy tia lahy, ny samy tiana na lahy na vavy ary ny miova fitaovam-pananahana (LGBT) ao amin'ny tontolon'ny bilaogy aty Afrika izy, tafiditra am'izany koa ny ...
2009-08-11
Bengladesh: Ny ‘Uncultured Project' sy ny diorano
Teo am-panampiana ny tra-boinan'ny rivodoza Sidr tany Benlgadesh indrindra ny Uncultured Project (tetikasa ho an'ireo tsy voakolokolo ara-tsaina na atao hoe tsy mahalala fomba ihany koa) raha nijery ny takelany izahay tamin'ny herintaona, fa mbola tsy nitsahatra hatramin'izay ny ezaka nataon'i Shawn. Narary izy tamin'ny herintaona ka nody tany Kanadà ...
2009-08-05
2009-02-22
FitorahanaBlaogy amin'ny tokony ho izy: Midira amin'ny Fifanakalozan-kevitra Malalaka momba ny VIH/SIDA
Ity andron'ny mpifankatia (14 Febroary) dia manamarika, tsy ny fiantombohan'ny fanentanana eto amin'ny Global Voices fotsiny ihany miantso ny olona mba “hampianatra ireo Olona Tiany hampiasa Blaogy na hampiasa ny Micro-Blog,” fa ao koa ireo ainga maro samihafa mikasika ny hetsika ara-pahasalamana mitodika mankany amin'ny VIH/SIDA mba ho fandrisihana ireo ...
2009-02-05
Filaharan'ny bolongana Afrikana
Raha mpanaraka ny bolongana Afrikana ianao dia mety ho liana ihany koa amin'ny filaharana ankapoben'ireo bolongana ao amin'ny tontolom-bolongana Afrikana. Azontsika fantarina amin'ny alalan'ny fampilaharana ataon'ny Afrigator ireo mitana ny lohalaharana sy bolongana be mpamaky indrindra eto Afrika. Nandahatra lisitry ny vehivavy Afrikana mpamaham-bolongana mitana ny laharana 45 voalohany koa ...
2008-12-21
Madagasikara, Kenya: Fahendrena ve ny mampanofa tany ny vahiny?
Noho ny horakora-pahatezerana nisy teto an-toerana sy iraisam-pirenena, dia natsahatra ihany ilay fifanarahana hampanofa amin'ny orinasa Koreana Tatsimo Daewoo Logistics ny ampahany betsaka amin'ny betsaka ny tany azo volena eto Madagasikara. Nefa mihamitombo hatrany koa etsy ankilan'izany ny fifanarahana fampanofana tany eo amin'ny firenena manankohariana sy ny firenena an-dalam-pandrosoana, ary dia manontany tena ny mpamaham-bolongana raha tena ahazoan'ny olo-tsotra tombotsoa tokoa itony karazana fifanarahana itony.
2008-11-30
Andro iadiana amin'ny SIDA manerantany: Ireo mitondra ny tsimok'aretina
Ity taona ity no manamarika ny faha-20 taona ny Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA izay tanterahina isaky ny voalohany volana Desambra. Na dia tsapan'ny olona anarivoarivony amin'ny ankapobeny isan'andro aza ny fiantraikan'ny VIH sy ny SIDA dia ity kosa ny andro manokana hamphafantarana bebe kokoa ny amin'ity aretina ity.
Ny ...
Karajia (Tchat) mivantana momba ny VIH/SIDA amin'ny 3 desambra
Manomana karajia (Tchat) mivantana ho an'ny mpamaham-bolongana sy ny mpikatroka ny Rising Voices sy ny Global Voices amin'ny 3 Desambra 2008 ho avy izao (3 ota tolakandro ora ao Nairobi sy eto Madagasikara koa) ka ny lohahevitra amin'izany dia mikasika ny fomba ampiasana ny "media citoyen" na ny azon'ny ...





