Tantara mikasika ny Ginea-Bisao

Sénégal: Namoy ny Ainy ao anaty Haintrano Ny Ankizy eny An-dalambe ao Dakar

  14 Marsa 2013

Farafahakeliny sivy no maty nandritra ny hain-trano tamin'ny alahady harivan'ny 4 marsa lasa teo nitranga tao amin'ny fokontanin'i Médina ao Dakar. Farafahakeliny ny sivy amin'ireo dia talibés (mpianatra ao amin'ny sekoly koranika iray). Efa maro ny tompon'andraikitra politika no niseho sehatra tamin'ity voina ity. Avoitran'ity voina ity manko ny fahasarotam-piainana...

Mifanome Tànana Ny Fisavoritahana Sy Ny Horohoro Ao Guinée-Bissau

  10 Febroary 2013

Raha mbola mifantoka any amin'ny faritra iray hafa amin'i Afrika Andrefana ny sain'izao tontolo izao, ny olom-pirenen'i Guinée-Bissau, firenena kely iray mikorontana kosa, dia mitolona hitondra ny zava-misy momba ny zon'olombelona ho ao an-tsain'ny any amin'ny faritra sy ny iraisam-pirenena. Namoaka tatitra iray mavesa-danja [pdf] ny Ligy Gineana momba ny Zon'olombelona, mikasika ny zava-misy ankehitriny momba ny zon'olombelona, tena dobok'amponga gavana ho an'ireo izay mihevitra ny fahanginana misy dia midika fa mandeha tsara ny zavatra rehetra ao amin'ilay firenena

Mpanao Gazety Gineana Nanjavona Tampoka Tany Angola

  31 Janoary 2013

Aiza i Milocas Pereira? Manako eran'ny tambajotra sosialy izany fanontaniana mikasika fanjavonana mpanao gazety sy mpampianatra amin'ny anjerimanontolon'ny tanànan'i Luanda, renivohitr'i Angola izany, toerana nipetrahany hatramin'ny 2004. Ety anaty aterineto, natomboka ny fanangonan-tsonia havantana ho amin'ny Kaomisiona Ambonin 'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona.

E-boky GV Vaovao: Feom-Panantenana sy Fiovàna Afrikana

  02 Janoary 2013

"Feom-panantenana sy fiovana Afrikana" mampanakaiky anao kokoa amin'ireo tantara sy vahoakan'i Afrika atsimon'i Sahara, amin'ny alalan'ireo lahatsoratra tsara indrindra amin'ny teny anglisy nandritra ny taona 2012 - kadoa lavorary entina hiarahabana ny taona vaovao.

Ginea-Bisao: Voasambotra i Pansau N'Tchama izay heverina ho mpitarika ny fikasana fanonganam-panjakana farany teo

  29 Oktobra 2012

 Ny mpiblaogy Zenaida Machado no nanapariaka tamin'ny alalan'ny siokan-tserasera [na twitter] fa: “@zenaidamz: #GuineaBissau: Pansau N´Tchama, the man who allegedly plotted Sunday attack to army barracks which killed six, has been captured” “Voasambotra i Pansau N´Tchama, izay heverina ho mpitarika ny fikasana fanonganam-panjakana tamin'ny Alahady amin'ny alalan'ny fanafihana toby miaramila izay namoizana aina enina.”