Global Voices teny Malagasy » Ghana
Ghana: Ady hevitra, fientanana ary fanantenana amin'ny fitsidihan'i Obama
Enim-bolana monja taorian'ny fanovana ny fitantanana tao Ghana tamin'ny alalan'ny fifidianana natao tamim-pilaminana ny volana desambra 2008, ary tahaka ny hoe fifanandrifian-javatra fa enim-bolana aty aorian'ny fanovana nankalazaina tamin'ny haino aman-jery tany Etazonia, dia hitsidika an'i Ghana mandritra ny 2 andro ny filohan'i Etazonia Barack Obama amin'ny fiandohan'ny volana jolay ho avy izao mandritra ny fitsidihana voalohany hotanterahany any Afrika Atsimon'i Sahara hatramin'ny nahavoafidy azy.
Nampientana ny mponina rehetra tsy an-kanavaka any Ghana ny fanambarana ity fitsidihana ity tamin'ny volana may lasa teo. Hatramin'ny mpivarotra madinika ka hatramin'ny tanora manam-pahaizana any an-drenivohitra, hatramin'ireo solombavam-bahoaka voafidy vao haingana dia tsy manana resaka afa-tsy izay ihany. Mitantara an'i Mr. Henry Boahene avy any Accra ny sita All Africa,
Tsy hiasa aho amin'izay faran'ny herinandro izay. Hataoko izay rehetra azoko hatao hiarahako amin'ireo vahoaka betsaka hitsena azy amin'io fotoana io - amiko, izay dia hahafa-po ahy.
Fa manerana ny kaontinanta dia maro ireo mametram-panontaniana: “Fa nahoana no i Ghana?” Milaza ny mpandinika maro fa ny safidy hitsidika an'i Ghana voalohany dia fanekena ireo fifidianana notanterahana tamim-pilaminana tany amin'io firenena io, ary mihevitra koa i Etazonia fa ny filaminana sy ny demokrasia no ambony indrindra eo amin'ny fototra mahaolona sy ny tanjaky ny firenena.
Nanoratra ao amin'ny bilaogy nosoratany avy any Atlanta ilay mpitoraka biloagy nizeriana Farooq Kperogi:
Ireo mpandinika sy mpanao politika amerikana sy ny sandan'ny fitsidihana ataon'ny filoham-pirenena dia maneho fa ny fifidianana an'i Ghana hotsidihan'i Obama voalohany any Afrika mainty dia mety ho fanamafisana ny fafandraisana amin'ity kaontinanta ity, izay tokony mbola hamaritany politika mazava tsara.
Ho faritana io, hoy izy ireo, amin'ny alalan'ny fankatoavana ny politikan'ireo firenena izay tsapa fa nanao ezaka goavana hampanjakana ny demokrasia sy fitantanana tsara - sy ny fanombohan'ny vanim-potoan'ny “fitiavana sarotra” miaraka amin'ireo firenena toa an'i Nigeria sy Kenya, izay manimba ny fahaiza-manaony amin'ny firobohana lalina amin'ny kolikoly sy ny fomba fitantanana tsy azo antoka.
Mamerina izay voalazan'ny Maison Blache koa izy tao amin'ny fanambarana nataony izay manamafy ny voalazan'ireo mpanehohevitra:
Mitady hanamafy ny fifandraisana misy eo amin'i Etazonia sy ny firenena anakiray any Afrika Atsimon'i Sahara mendrika itokisana ny filoha Obama sy Ramatoa vadiny, ary notsipihany fa ny fahaiza-mitantana sy ny fiarahamonim-pirenena dia afaka mandray toerana lehibe eo amin'ny fitadiavana izay ho fandrosoana maharitra, hoy ny fanambaran'ny mpanao gazetin'ny Maison Blanche.
Tsy mahagaga, manamafy izany ny mpandinika sasany, fa horesahana any ny solintany izay hita vao haingana tany Ghana. Manontany i Amedor ao amin'ny bilaogy All Voices,
Fitsidihana ara-pirahalahina ve izy ity sa tombotsoan'i Etazonia noho ireo solintany vao hita?
na dia ny ambany indrindra eran-tany aza, 600 tapitrisa barila, dia tsy hanomboka ny famokarana raha tsy amin'ny taona 2010 ary hihoatra ny 1 lavitrisa dolara ny vola hiditra amin'i Ghana isan-taona.
Manontany ny manam-pijery miabo tahaka an'i Elizabeth Dickinson,
Tsy aleo ve mividy solintany any amin'ny firenena manana tantara tsara eo amin'ny lafiny fanajana ny zon'olombelona, ny fitantanana sy ny lafiny ekonomika? Misy fahasamihafana be eo amin'ny mpamatsy solintany an'i Etazonia fahatelo goavana indrindra dia i Nigeria eo akaiky eo izany. Mazava ho azy fa misy tahotra ihany eo amin'i Ghana fa sao sanatria hitovy amin'i Nigeria eo izy, sao dia hanjary firenena mpanangona risitorina eo fotsiny izy, kanefa hita fa tapa-kevitra hiala amin'izay i Ghana. Ary mety ho resahana mandritra ny fitsidihana izany.
Milaza ny teny nataon'ny Ministeran'ny raharaham-bahiny any Ghana ny sita All Africa:
Aleo miomana fa mety hanontany an'izay ny filoha. Ndeha hojerena vetivety izay hita ao amin'ny Corruption Perceptions Index mamoaka isan-taona ny Transparency International, izay milaza fa misy fifandraisana ny kolikoly, ny fifandirana sy ireo firenena andalam-pandrosoana tahaka an'i Tchad, Soudan, Nigeria ary Angola.
Arosontsika ny hevitra fa tokony hanova ny fifanarahana sy ny lalakombana hahazoantsika tombony ny rafitra eran-tany, hahazoantsika manomboka fa tsy hangataka lava izao:
Afaka mandresy lahatra tsara ireo rafitra ireo i Etazonia araka ny fahafantaran'ny ministera azy. Varotra sa fanampiana? Ahoana no fomba hahafahana manatsara ny fiainan'ny Ganeana tsotra iray amin'ny alalan'ny fifanarahana eo amin'ny 2 tonta - Ganeana tsotra izay miaina amin'ny karama latsaky ny 2 dolara isan'andro - ny fotoana ihany no afaka hilaza izany. Filaminana sy fitantanana tsara - aloha sy aorian'ny fivoahan'ny solintany - dia ampy na iza na iza no hividy azy.
Gayle Pescud
Filaharan'ny bolongana Afrikana
Raha mpanaraka ny bolongana Afrikana ianao dia mety ho liana ihany koa amin'ny filaharana ankapoben'ireo bolongana ao amin'ny tontolom-bolongana Afrikana. Azontsika fantarina amin'ny alalan'ny fampilaharana ataon'ny Afrigator ireo mitana ny lohalaharana sy bolongana be mpamaky indrindra eto Afrika. Nandahatra lisitry ny vehivavy Afrikana mpamaham-bolongana mitana ny laharana 45 voalohany koa ny mpanangona bolongana Afrikana Afrigator.
Indreto ary ny lisitry ny bolongana 10 voalohany:
1. Thought Leader: (Mpitarika fisainana) izay vondrom-bolongana mpanadihady sy mpanome hevitra avoakan'ny M&G Online (an-tserasera)
2. iMod: Bolongana mitana ny laharana faharoa eto Afrika sy ao Afrika atsimo. Bolongana anoratan'i Chris M izay mipetraka ao Le Cap, Afrika Atsimo. Mpiasa tenany misahana ny php i Chris.
3. Times Multimedia: Fampirantiana ny lahatsary, sary, feo ary sombin-tsarimihetsika atolotry The Times.
4. Web AddiCT(s): (Miankin-doha amin'ny web) izay fahanana Afrikana Tatsimo telo. Web AddiCT dia fanafohezana ny hoe Web “2.0″, Applications, Developments,Designs & Innovation in Cape Town (na Fampiharana, Fampandrosoana, Haiendrika & Fanavaozana eto an-Tananan'i Le Cap).
5. My Heart's in Accra: (Ny foko eto Accra) dia bolongana miresaka ny momba an'i Afrika, ny fampitam-baovao ary ny fampandrosoana iraisam-pirenena anoratan'i Ethan Zuckerman. Mpiara-manorina ny Global Voices Online moa i Ethan. Mitana ny laharana fahadimy manerana an'i Afrika fa voalohany any Ghana ny bolongany.
6. Blat: Mamoaka feo tsy am-pisainana.
7. Adii: bolongana miresaka ny haiendrika (fananganana) mahaleotena, Web 2.0, fandraisana andraikitra & tetipanorona avy amin'ny mpihira rock Adii.
8. Urban Sprout: (Tsimoka an-tanandehibe) Bolongana Afrikana Tatsimo mampisongandina ny tontolo maitso, ny vaovao sy ny hevitra mikasika izany, ary mifantoka ihany koa amin'ny vokatra misakaiza amin'ny tontolo iaianana.
9. So Close  nanakaiky tokoa) Bolongana tanan'ilay mpamaham-bolongana malaza Afrikana Tatsimo Tertia. Misy soratra toy izao moa milazalaza momba ny bolongany : Tonga ihany aho rehefa tena nanakaiky nandritra ny fotoana maharitra. Fiainana taorian'ny fahamombana. Niainga tamin'ny fitantarana ny fiainany  anaty fahamombana moa ny bolongany, So Close.
10. Wonkie Cartoons: Bolongan-kisarisary (samy hafa amin'ny bolongan-tsary) maneho ny vaovao ao haingana, ny tsahotsaho momba ny olo-malaza, fahagolan'i (sarimihetsika malaza) bollywood ary fanehoan-kevitra politika.
Ho tsikaritrao fa ankoatra an'i My Heart's in Accra (ny foko eto Accra) dia Afrikana Tatsimo avokoa ireo bolongana folo ambiny voalohany. Ny bolongana tsy Afrikana tatsimo ao anaty lisitra dia Black Looks (laharana faha-14) avy amin'ilay mpamaham-bolongana Nizeriana Sokari Ekine, Bankelele (laharana faha-18)avy any Kenya miresaka momba ny fahandroan-tsakafo fanao @ lafaoro (baking), fitantanam-bola ary ny fampiasam-bola any Kenya ary ny Bongo Celebrity (laharana faha-20), bolongana amin'ny teny Swahilimiresaka momba ny olo-malaza Tanzaniana. Mahaliana ny mahita bolongana tsy miteny anglisy tafiditra anaty laharana 20 voalohany eto @ kaontinanta.
Ndesanjo Macha
Ghana : miandry izay ho filohany
Tato anatin'ny 2 taona farany no nahitana ny fifidianana tsy nanjary indrindra taty amin'ny ilany atsimon'ny faritra Sahara aty Afrika. Ny fifidianana filoham-pirenena sy parlemantera tany Kenya tamin'ny herintaona dia nahitana tsy fahombiazana ary niteraka herisetra ara-pôlitika izay narahana fitakiana tsy hita isa.Ny fifidianana tany Zimbaboe ny volana martsa 2008 nikasana ny mety hamindrana ny fitondran'Ingahy Robert Mugabe amin'i Morgan Tsvangarai,  kanjo ny fanerena narahana herisetra nataon'ireo mpanohana ity farany no nirosoana tamin'ny fiodinana faharoa. Raha noheverina fa tanteraka tamim-pilaminana ny fifidianana tany Nizeria ny volana Aprily 2007 dia nomelohin'izao tontolo izao kosa.
Sary Ghanaelections2008
Tsetsatsetsa tsy aritra ihany iny fa ny fifidianana filoham-pirenena tany Gana no nitsapana ny tanjaky ny demokrasia aty Afrika. Ilay miaramila mpanongam-panjakana Jerry Rawlings dia voafidy tamin'ny fomba demokratika in-droa ary ny nahagaga dia neken'ny lalam-panorenana tsara izany tamin'ny taona 2000. Voafidy i John Kufuor avy ao amin'ny antoko mpanohitra NPP ary nahavita fe-potoana 2. Ny fiodinana voalohany tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenenana no natao ny 7 desambra 2008 teo ary niafara tamin'ny fandresen'i John Atta-Mills avy ao amin'ny antoko NDC an'i Nana Akufo-Addo mpitarika ny antoko NPP tamin'ny isam-bato tery dia tery.
Omaly 28 desambra no natao ny fiodinana faharoa ary ny vokatra vonjy maika dia mampiseho fa angamba hiverina amin-dry zareo NDC ny fitondrana raha tsy hita mihitsy ry zareo nandritra ny 8 taona.  Mifanety be ny isam-bato, na izany aza anefa dia milaza ny mpanara-baovao fa tsy ho mafy tahaka ny tamin'ny fiodinana voalohany ity faharoa ity.
Araky ny tatitra nataon'i Elia Varela Serra tamin'ny fiandohan'ity volana ity dia Twitter no fitaovana nofidiana hamoahana ny vaovao rehetra mahakasika ny fifidianana. Fifdianana any Gana, Twitter tohanan'ny AEP (African Election Project) no loharanom-baovao hamoaka ny vokatra vonjy maika.
Ny vaovao farany navoakan'ny Twitter :
EC to declare results of the Presidential Run-off on on Tuesday December 30 at 12:00 GMT
Havoaka ny 30 desambra amin'ny 12:00 ora GMT ny vokatry ny fifidianana.
Ora vitsivitsy lasa izay :
Provisional Results from 226 out of 230 constituencies: NPP-4,365,158 (49.48%) NDC-4,456,538 (50.52%)
Toy izao ny vokatra vonjy maika azo tamin'ny faritra 226 amin'ny 230 : NPP - 4.365.158 (49,48%) NDC -4.456.538 (50,52%).
Ireo Ganiana sasany koa dia mampiasa Twitter nitaterana ny fizotry ny fifidianana sy ny hevitr'ireo mpanohana tsirairay mahakasika ny vokatra.
Edlynne avy any Totonto, nitsidika an'i Gana no nilaza ny 26 desambra fa :
Saw police intervene in rally of opposing party supporters in Dwtn Accra 2day. Riot shields & guns. Hope election will be peaceful in Ghana
Nahita mpitandro ny filaminana aho nanakana ny fivorian'ireo mpanohitra tany Dwtn Accra 2 andro lasa izay. Miaraka amin'ny fiarovan-tratra sy basy. Enga anie ka hilamina ny fifidianana aty Gana.
AfricaTalks nitarika ny fanadihadihana no nahamarika fa ny fampielezam-peo sy ny fahitalavitra dia saika tsy miresaka afa-tsy ny toe-draharaha any an-toerana. Hoy indrindra izy :
big celebration around the NDC head office off Ring Road central in Accra. For an old clip see http://tinyurl.com/a46yrg
Fifampiarahabana makotroka no misy eo anivon'ny NDC ao amin'ny foiben-toeran'izy ireo ao Ring Road any Accra. Jereo http://tinyurl.com/a46yrg.
Mazava ho azy fa ity fiodinana faharoa ity dia tsy mora tahaka ny tamin'ny fifidianana parlemantera. CODEO, izay tsy mpanohana ny CDEO (Coalition of Domestic Election Observers) no nanambara fa biraom-pifidianana 34 no tsy nahitana ireo fitaovana ilaina amin'ny fifidianana ary 24 no nahitana korontana, fanalam-baraka na herisetra. Na izany aza anefa dia manamafy ny maha-ara-dalàna ny fizotry  ny fifidianana ny CODEO :
As with the presidential and general elections of December 7, CODEO observers reported many lapses in the voting process in the presidential runoff election of December 28, including setting up and opening of polling stations, voting and vote counting. However, the problems reported by CODEO observers do not fundamentally undermine the integrity of the overall process.
Raha ampitahaina tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 7 desambra dia manambara ny mpanara-mason'ny CODEO fa nisy tsy fahatomombanana maro ity fiodinana faharoa ity, niampy ny ora fisokafana sy fikatonan'ny birao fandatsaham-bato, ny fifidianana sy ny fanisam-bato. Na izany aza dia tsy azo lazaina ho mikorontana ny fizotry ny fifidianana manoloana ireo olana notaterin'ny CODEO ireo.
Nangataka tamin'ny Kômisiona momba ny Fifidianana ny CODEO ny mba hanohizana ny fifidianana any Tain distrikan'ny Brong-Ahafo. Tsy nisy ny fifidianana tany amin'ny biraom-pifidianana sasantsasany, ary mafana ny toe-draharaha pôlitika any amin'ny faritra sasany miaraka amin'ny Kômisiona momba ny Fifidianana efa niasa tao an-toerana herinandro vitsivitsy mialoha.  Manoloana ny vokatra tery dia tery, ny fifdianana any amin'io distrika io dia mety hampiova zavatra. Kwabena Akuamoah-Boateng no nilaza tamin'ny Twitter fa :
Voatazon'i Brong-Ahafo ve ny anarana hoa “andrarezin'ny pôlitika any Gana” ?
Manoloana ny tsy fahalalana izay mpandresy marina, ny fandresena amin'ny isam-bato tery dia tery izay tsy misy salan'isa amin'ny isan-jato akory dia ho henjana ny toe-draharaha amin'ireo antoko pôlitika nifanandrina tamin'iny fifidianana iny. Kanefa Ganiana vitsivitsy no matahotra ny Twitter na ireo hafatra avoakan'ny sita toy ny GhanaWeb. Etsy an-kilany kosa, araka ny navoakan'ny Kwabena tamin-kafaliana raha nahare ny vokatry ny fanisam-bato tany amin'ireo birao fandatsaham-bato sasantsasany dia hoe :
Avy nijery ireo toeram-pifidianana maromaro izahay tany Sunyani ary mbola ety an-dalàna. Efa nandresy sahady i Gana !
Kwameoh, mpanara-maso avy any Londres, no tokana namoaka tamin'ny vaovaony farany mikasika ny voka-pifidianana fa :
Misy zavatra kononkononina ao amin'ny EC, ny ao Ambony no mahalala izay hanjo an'ny EC, aza manaiky ny hangalarana ny fitondrana eo aminao… Miantso ny fikambanam-be iraisam-pirenena izahay hanampy anay raha mbola tsy misy ny ra mandriaka any Accra anio alina dia miangavy izahay.
Maro amin'ireo mpanara-maso anefa no tsy matahotra ary filôzôfika kokoa. Ny mpitoraka bilaogy Ganiana Nubian Cheetsh any Accra miala sasatra no nanoratra fa :
Naneho ny heviny ny Ghaneana. Mila fiovana izy ireo !
Niombon-kevitra amin' izany i Mawulitse :
Tsara ny fiovana, ary ho tonga any Gana izany fiovana izany !
Ary nilaza koa :
Milamina i Accra fa manahy.
Tsy mahandry ny voka-pifidianana farany fotsiny izao i Andkofucious :
Ny faha-30 n'ny volana ??!! tsy lasa sady tsy miady izany ! tsy mpomba an'ny NDC aho kanefa rehefa mitarika izy araka ny hitantsika izao dia aleo izy handresy amin'izay afaka manangana ny kabinetrany izy.
Satria efa voalaza ny voka-pifidianana ary mihamazava ny raharaha dia heveriko fa mety angamba raha jerentsika ao amin'ny bilaogy Ganiana ny fanadihadihana ny pitsopitsony mikasika iny fifidianana iny. Raha nanoratra talohan'ny fiodinana faharoa ny Mighty African dia nanolotra fanontaniana miharo fandrangitana 10 tamin-dry zareo mpifidy Ganiana ka ny voalohany tamin'izany ny hoe :
Tsy tsapanareo ve fa mila miova isika mba handrosoantsika, etc?
Nanolotra fanontaniana ho an'ny NPP sy ny NDC koa izy.
Nanoratra tao amin'ny famelana hafatra an'ny GhanThink i Omanba, nanakivy ny mpifidy Ganiana, nanasokajy ireo mpanohana sasany ho “ireo voavidy sy manana fahazaran-dratsy” sy ny hoe “maty, fotsy ary tsy manan-kery ny fifidianana”. Iray ihany no manantena fanadihadihana tsara ny amin'ny fisafidianana ny kabinetran'ny fitantanana.
Ny fanadihadihana ny fifidianana tany Gana tamin'ity taona 2008 ity dia mitaky ny fijerena akaiky ny andraikitr'ireo teknolojia sy fitaovana momba ny fifidianana. I Katrin Verclas, mpampiasa ny twitter mandehandeha, no mampahatsiahy ansika fa ny fitaovam-pifidianana dia tokony hampiasa ny fototra SMS manara-penitra :
Nitarika ho amin'ny fifidianana mifanaraka tsara amin'ny fampiasana SMS ny CODEO Ghana mba hahamarina ny amin'ny voka-pifidianana tehirizin'ny EC.
Nampiasa  ny fomba fanisana mahazatra ny mpanara-maso ary nanamarina fa tery dia tery ny elenelam-bato tamin'ity fifidianana fiodinana faharoa ity ary manome toky izao tontolo izao fa azo ekena ity fiodinana faharoa ity.
I Oluniyi David Ajao, mpitoraka bilaogy Nizeriana monina sy miasa any Gana, no nilaza fa nampiasa finday tamin'iny fifidianana iny :
Raha nahita nimerao +233 10 0000 aho teo amin'ny findaiko dia nidobodoboka be ny foko. Satria nahoana ? Hafahafa be io tarehimarika io ary fantatro fa tsy misy kanefa novaliako ihany, tamim-pahamalinana mazava ho azy. Lo and behold, feo mahazatra an'Ingahy Nana Addo Dankwa Akufo-Addo mpitarika ny NPP, miteny amin'ny Twi ary mangataka ahy hifidy azy. Naharitra 45 segondra katroka ilay hafatra.
Fantatro fa hafatra efa noraiketina ilay izy. Angamba izay no paik'ady natao atmin'ny minitra faran'ny fampielezan-kevitra nataon-dry zareo APP, mba hangalana ny fon'ireo mpifidy. Hitako fa mila mandroso mihitsy i Gana miaraka amin'ny teknolojia.
Tsy nahomby ny hafatr'i Akufo-Addo, hoy i David mampahatsiahy antsika, satria Nizeriana izy dia tsy mifidy.
Ethan Zuckerman
Ghana: Mitory ny vaomieran'ny fifidianana ny kandidà iray
Ampangaina ho nanintsana kandidà ho filoham-pirenena iray  ny vaomieran'ny fifidianana any Ghana: “Raha tsy nahafeno ny fepetra rehetra ahafahana mifaninana amin'ny fifidianana amin'ny volana desambra ho avy izao Atoa Dan Lartey mpitondra tenin'ny Antokom-bahoaka lehibe tafaray [Great Consolidated Popular Party (GCPP)], dia mikonokonona ny hametraka fitoriana any amin'ny fitsarana ny vondron'asa ghaneana misahana ny fifidianana ho “minia” mandà ny firotsahany hofidiana.”
Ghana: Nahandro sy tsironkanina
Emeka no manoratra orinasa iray mampiely amin'izao tontolo izao ny tsironkanina sy ny nahandro Afirikana : “Natsangan'ilay efa nahazo ny loka manokana Felicia Twumasi, (ny orinasa mamokatra) sakafo araka ny fomba Homefoods (vita an-trano), voafono avy amin'ny ravim-boanio mena fanaova-menaka, ny Episy (fanatsarana tsiron-kanina) Afirikana tonga lafatra, mangahazo voatoto, saosy mafana vita amin'ny shito ary voankazo masa-tsiramamy (kaofitora fa tsy kaofiboay).”
Ghana: Kiana resaka medaily
Ghana Unite for Development (Ghana miray ho amin'ny fampandrosoana) no maneho hevitra amin'ilay raharaha niteraka adihevitra any an-toerana momba ny fividianana medaily volamena ka manao hoe Moa ve  tena mbola azo tohizana ny fitrandrahana volamena eto Ghana: “Zendana tanteraka aho raha namaky fa ny tetibidin'ny medaily volamena novidiana tamina mpivarotra firavaka iray tany Angiletera dia mahatratra  £740,000 (£1 mira 3 130Ar izany hoe maherin'ny 2,3 miliara Ariary) […] Mety ve ny hanohizantsika ny fitrandrahana volamena eto Ghana, amidintsika mora ny bolongam-bolamena avy eo dia vidiantsika lafo dia lafo tamin'ilay nividy tamintsika ihany”.
Afrika : Nokia sy ireo tany andalam-pandrosoana
White African [Afrikana fotsy] no manamarika fa Nokia dia mitrandraka tolotra manokana tandrify an'i Afrika :
There is a reason that Africans, by and large, love Nokia and there’s a reason that the brand has made such an impact in that part of the world. While most companies around the world are ignoring Africa, Nokia actively develops solutions for the continent.
“Misy antony matoa ankafizin'ny ankamaroan'ny Afrikana ireo finday vokarin'ny orinasa Nokia ary misy misy antony nahatonga an'ity orinasa ity hanana izany laza any amin'ity faritra ity izany. Satria raha [mody] tsy mahalala akory izay Afrika ny akamaroan'ireo orinasa [vaventy] eran-tany, Nokia kosa dia tsy mitsahatra mikaroka tolotra manokana tandrify an'i Afrika.”
Afrika: Vaovao momba ny lamaody afrikana
Vaovan-damaody afrikana Ladybrille: “Angom-baovaon-damaody mivoaka isan-kerinandro miresaka momba an'i Afrika na avy eto Afrika. Vaovao misongadina vitsivitsy tamin'ity herinandro ity: a) Mikarakara ny herinandron'ny lamaody voalohany indrindra miaraka amin'ny herinandron'ny Lamaody Coca-cola Accra i Ghana; b) Mamolavola fifandraisana amin'i Azia i Afrika Atsimo, Mikasa hanao seho any Nizeria ilay mpamoron-damaody Nizeriana mipetraka any Afrika Atsimo Fred Eboka ary efa ho hipoka tanteraka ny any Johannesburg renivohitry ny Lamaody Afrikana Tatsimo!”
Ghana : Nihinana “Waakye”
Fran mitatitra momba ny sakafo fihinana any Ghana antsoina hoe “Waakye” :
Last night I cooked up some waakye (pronounced “WAAchi where the “i” sounds like the “i” in “in” and made from rice and beans or black-eyed peas), fried some ripe plantain slices, made a little gravy (oil, onion, tomatoes, hot peppers, salt and tomato paste), and stir-fried some cabbage and carrots for dinner.
“Omaly alina hoan'ny sakafo hariva dia nahandro waakye aho (tononina hoe “OAAshi” izay ifangaroan'ny vary sy tsaramaso mena), nanendy akondrobe notapahina manifinify [banane plantain], nanamboatra saosy voatabia (tongolo oinon, voatabia, sakay, sira ary voatabia am-bifotsy) ary nanendy koa laisoa sy karaoty.”
Ghana: Sarin'ny CAN (fiadiana ny amboara ekipam-pirenena Afrikana)
David Ajao no manome saripika maromaro nalaina nandritra ny CAN na ny fifaninanan'ny ekipam-pirenena afrikana 2008: “Afaka tendrenao (kilikenao na pihanao) ny eo ambony sary ahitanao sary hafa na tendrenao ny rohy eo ambany hizoranao mankany amin'ny rakitsarin'ny Ghana 2008.”