amin´ny teny malagasy » D.R. of Congo

RD Congo: Radio sy tele maro nakatona
Mediatic [Fr] no manoratra ny fikatonan'ny foibena televiziona dimy sy fampielezam-peo roa any Kinshasa tsy nahazo alalana ary maminaviina fa io ilay nampiomanan'ny fitondrana any fa “hanadio ny trano” izy.  (via Réseau International de correspondants francophones)

RDC: 1.3 miliara dolara ny vola niodina
[Tsikin'ny mpandika teny: Tsy vola maditra tsy akory no lazaina fa vola navilivilin'ny sasany] Tany Congo, Nomelohin'ny fiadidiana ny praiminisitra ny sampan-draharaham-panjakana folo any aminy, ary tafiditra amin'izany fanodikodinam-bola mahatratra 1.3 miliara dôlara izany ny sampan-draharaha mpitaky hetra sy haba isan-karazany, ny JIRAMA kongoley ary ny fiantohana, hoy ny tatitry Forum Realisance [Fr] avy amin'i Le Potential.

Cedric Kalonji : Kongo (RDK) an-tsary
I Cedric Kalonji dia mpilaza vaovao ao amin'ny Radio Okapi, ary mpanoratra ny blaogy mety malaza indrindra avy ao Kongo.

Fa ankoatra ny asany ao amin'ny radio sy ny fitorahana blaogy dia mpaka sary matihanina koa i Kalonji. Nandritra ny andro maromaro izay dia mitety ny sary apetrany ao amin'ny Flickr aho.

Ny tahirin-tsary no ampiasain'i Kalonji hiresahana zavatra iray tahaka ny fitomboan'ireo trano simba ao Binza Ozone, manodidina an'i Kinshasa, noho ny fihotsahan'ny tany isaky ny avy ny orana.

Ny fitokonana ataon'ny miaramila ao amin'ny MONUC

Resadresaka miaraka amin'i Ismael Lo, mpanankato Senegaly

Ary ny tantara nampalahelo nitranga tamin'ny nampiatoana olona roa tao Kinshasa, ny iray nangalatra tariby mampita herin'aratra ary ny iray nividy izany.

Ny tena nahaliana ahy tamin'ireo sary ireo dia noho izy mampiseho ny fiainana andavan'andro ao Afrika izay tsy dia fahitan'ny maro loatra. Ny mpanao gazety iraisam-pirenena mantsy toa manarontsarona ny loza sy ny zavatra tsy mahazatra na mampiavaka an'i Kongo.

Nanapa-kevitra ary aho fa hanontany an'i Kalonji mikasika ny sary alainy ; nanaiky soa aman-tsara hamaly ny fanontaniana izy, ary ity ny resakay nadikako avy amin'ny teny Frantsay :

Oviana, ary nahoana ianao no nanapa-kevitra fa hanokatra blaogy ?

Tamin'ny Septambra 2005 aho no nanokatra ny blaogiko. Tamin'ny voalohany dia fizarana sary mikasika ny isan'androko amin'ny aterineto no nanaovako azy. Rehefa hitako fa nihamaro hatrany ny olona liana amin'ny sary nalaiko dia nampiseho sary maro kokoa aho, ary nampiako lahatsoratra kely. Tao anaty fotoana fohy dia an-jatony ny mpitsidika ny blaogiko, zanak'ampielezana kongole ny ankamaroany. Izay no nampirisika ahy hanohy ny blaogiko, ary amin'izao fotoana izao dia 1000 eo ho eo ny mpitsidika isan'andro.

Oviana ianao no nanapa-kevitra fa haka sary ? Inona no mahasamihafa ny hevitra ampitaina an-tsary sy ny hevitra ampitaina an-tsoratra ?

Tamin'ny 2002 aho no nanomboka naka sary, fakan-tsary kely “numerique” nomen'ny reniko no nampiasaiko tamin'izany. Mieritreritra aho fa mba hahafahana mamaky sy manoratra dia mila mandalo fianarana farafaharatsiny, fa tsy tahaka izany ny sary. Na dia tsy mahay manoratra aza dia afaka maka sary milaza hevitra tahaka ny lahatsoratra. Na dia tsy mahay mamaky teny aza dia afaka mahazo ny zava-misy miseho an-tsary.

Ahoana ny eritreritrao mikasika ny fahitana an'i Kongo any ivelany ? Mampiseho ny zava-misy any an-toerana ve ?

Firenena feno ady no fahitana an'i Kongo, rava daholo ny zava-drehetra ary tsy misy na inona na inona mandeha. Marina ihany io fomba fijery io amin'ny lafiny iray satria, taorian'ny 32 taona nanaovan'i Mobutu didy jadona sy ny 10 taona nanjakan'ny ady izay namono olona mahery ny 5 hetsy, dia tsy tena mandroso ny tanana.

Etsy andanin'izany nefa dia misy tranga izay hadino ny miresaka azy matetika : mitsiky hatrany ny Kongole, mandray ary mifikitra amin'ny fiainana, na dia teo aza ny herisetra nianjady taminy. Mbola eo foana ny mahaolona, ary heveriko fa harena lehibe izany.

Nahoana no sary amin'ny fiainana andavanandro, tranga efa mahazatra no alainao sary ?

Satria mieritreritra aho fa misy zavatra tsy fahitan'ireo olona amin'ny toerana hafa amin'izao tontolo izao, tsy azony an-tsaina akory mety mitranga, tahaka ny hiainako amin'ny andavan'androko. Ny fizarana ireny tranga isan'andro ireny no tena mampirisika ahy, mba hahafahan'ny olona mieritreritra ny toeran'ny Kongole, na ny mponina ao Kinshasa rehefa mijery ny sary asehoko.

Inona ny anjara tazomin'ny fampitam-baovao ataon'ny olom-pirenena amin'ny asanao ? (na dia any ivelany aza ny ankamaroan'ny olona mpamaky ny blaoginao noho ny tsy fahafahana manjifa ny aterineto ao kongo) Inona no mety ho entiny amin'ny ho avy ?

Mamela antsika hihoatra ny sakana ny filazam-baovao avy amin'ny olon-tsotra, ary hahafahana mifandray amin'ny fomba tsy azontsika atao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra. Raha ho ahy manokana, ny tombony hitako amin'ny blaogy dia ny fahafahako milaza ny hevitro manokana ary ny fahafahan'ny olona avy amin'izao tontolo izao mamaky ahy. Afaka mampahafantatra ny fiainana isan'andro aho izany, ary misarika mpamaky avy amin'ny firenena samy hafa, izay manana fomba fijery sy kolotsaina samy hafa. Heveriko fa fomba fifandraisana tsy azo atao tsinontsinona ny blaogy ho an'ny firenana tahaka an'i Kongo sy Afrika amin'ny ankapobeny.

Mampianatra maimai-poana ny tanora kongole aho mba hizarako ny fitiavako mitoraka blaogy, sy hahazoan'izy ireo ny fandehan'ny fitorahana blaogy sy ny fampitam-baovao amin'izao. Nampianatra olona aho izay efa manana takelaka roa sahady : Ndule2Kin.com sy rdcbel . Tiako hitarina manerana ny fireneko io fampianarana io, ary manerana ny kontinanta Afrika.

Natokana ho an'ny fanadihadiana ataonao ihany ve ny sary alainao ? Sa fialam-boly koa ?

Fialam-boly ny fakan-tsary ho ahy. Tsy misaraka amin'ny fakan-tsariko mihitsy aho ary maka sary mila ho isan'andro. Manana sary an'arivony aho, ary mahafinaritra ahy ny mamadibadika azy ireo, satria mampatsiaro ahy fotoana manokana.

Kôngô (RDK) : Fihaonambe mikasika ny sarimihetsika Eorôpeana sy ny fidangan'ny fisondrotry ny vidin-tsakafo
Tsy mahagaga an'i Du Cabiau a Kinshasa raha tsy rototra akory ireo mpijery manoloana izay tsy fahatanterahana nandritra ny Fihaonambe mikasika ny sarimihetsika Eorôpeana [festival du film européen] notanterahina tany Kinshasa, ary dia manararaotra mizara izay fijeriny ny fihetsiky ny mponina manoloana ny fidangan'ny fisondrotry ny vidin-tsakafo any Kôngô (RDK) izy :

Observant la vie à Kinshasa, la pénibilité du quotidien, on est en droit de se demander comment il est possible de survivre dans un tel environnement. Comment cette ville n’entre-t-elle pas dans une colère dévastatrice ? Comment ne plonge-t-elle pas dans le chaos alors que les structures étatiques semblent encore bien fragiles pour pouvoir l’en empêcher ? Sans structures formelles efficaces, cette ville devrait se désintégrer ou au moins, mourir à petit feu.

La montée des prix des denrées alimentaires devait être la goutte, la dernière, celle qui ferait déborder le vase. Et pourtant non! Pas encore. Kinshasa continue à vivre, à porter son fardeau. Sa souffrance est un peu plus intense aujourd’hui qu’hier mais l'équilibre tient toujours. Curieusement, cette stabilité est peut-être moins fragile qu’il n’y paraît. Kinshasa supporte […]

C’est ainsi que la hausse des prix est digérée par la société. Chacun exigeant un peu plus de ceux sur qui il exerce une forme ou une autre d’influence. Le policier demandera un peu plus à l’automobiliste, le journaliste à l’homme politique, l’enseignant aux parents d’élèves… et ainsi de suite. Reste qu’une frange importante de la population se trouve forcément en bas de cette pyramide sociale. Ceux là n’ont personne sur qui se payer pour compenser la hausse des prix. Mais ceux là sont à ce point marginalisés, à ce point fragilisés qu’ils n’ont aucun moyen de contester le système. Ils encaissent les chocs, impuissants, développant un peu plus leur tolérance à la souffrance… jusqu’au jour du point de non retour.

“Raha dinihina ny fiainana any Kinshasa, ny hasarotan'ny fiainana andavan'andro, dia rariny raha manontany tena hoe amin'ny fomba ahoana no ahafahan'ireo mponina mbola manohy ny miaina anivon'izany toe-javatra izany ? Amin'ny fomba ahoana no tsy mbola tsy irehetan'ny tanàna nohon'ny hatezerana ? Nahoana no tsy mbola maha fanjakan'i Baroa azy, satria toa mbola marefo ihany ireo rafi-pitondram-panjakana ka tsy hahatohitra raha itrangan'ny toe-javatra toy izany ? Tokony ho efa nirodana, na fara-faharatsiny miala aina ity tanàna ity nohon'ny tsy fisian'ny rafitra hentitra azony hianteherana.”

Ny fidangan'ny fisondrotry ny vidin-tsakafo no tokony ho tsitaitaika farany izay nampihoatra ny siny izay efa feno dia feno tokoa. Anefa dia tsy mbola ! Mitohy ny adavan'andron'ny fiainana any Kinshasa, mitohy ny fibabeny ny “enta-mazefany.” Mafy kokoa noho ny omaly ny fijaliana androany, anefa tsy mbola miankarapoka izy, fa mijoro hatrany. Mahagaga fa angamba tsy dia marefo arak'izay niheverana azy izy satria mizàka izay mitranga i Kinshasa […].”

Toy izao no fomba iteleman'ny fiaraha-monina izay fidangan'ny fisondrotry ny vidin-tsakafo. Samy mitaky bebe kokoa amin'izay ananany fahefana ny tsirairay. Ny Pôlisy hitaky amin'ny mpamily fiarakodia, ny mpanao gazety amin'ny mpanao pôlitika, ny mpampianatra amin'ny ray aman-drenin'ny mpianatra … dia torak'izany hatrany hatrany. Mazava ho azy fa ny ankamaroan'ny mponina dia any amin'ny fototra “farany ambany”-n'izany tilikambo izany no misy azy. Tsy mba manana olon-kafa azony hanaparam-pahefana izy ireo hanonerany izay fisondrotry ny vidim-piainana. Kanefa satria miaina ankilan'ny fiaraha-monina izy ireo, sady tena efa marefo tokoa, dia tsy misy fomba izay azony itakiana fanovana izay rafitra mipetraka. Miatrika am-pahanginana izay fidonany fotsiny ihany no azon-dry zareo atao, sy mampitombo izay faharim-periny … mandrak'izay tsy ijaliany intsony [mandra-pahafatiny].”

Kôngô (RDK) : Fitsarana manao mizàna tsindrian'ila ny fisamborana an'i Bemba
Siasa Duni no  mizara izay fomba fijeriny ny fisamborana an'ingahy Jean-Pierre Bemba, mpitarika ny antoko mpanohitra any Kôngô (RDK) :

Congolese opposition leader Jean-Pierre Bemba was arrested in Brussels on Saturday night on an International Criminal Court (ICC) warrant for war crimes.

Bemba is accused of having led a campaign of mass rapes, torture and pillage six years ago in the Central African Republic (CAR), where he had been called in by then president Ange-Felix Patasse to quell an attempted coup d’etat. The arrest is likely to be seen as politically-inspired, both in the DRC and the CAR […]

As long as you commit atrocities as part of the government army, they do not qualify for war crimes, seems to be the message. There is the risk of another signal Bemba’s arrest might send to Africa: Don’t stop fighting or accept defeat in elections because they’ll drag you to The Hague.

“Nosamborina tany Bruxelles tamin'ny harivan'ny Asabotsy, noho ny fiampanganan'ny FIP [Fitsarana Iraisam-Pirenena na TPI Tribunal pénale internationale] azy ho nahavita heloka bevava an'ady [crimes de guerre] ingahy  Jean-Pierre Bemba mpitarika ny antoko mpanohitra  any Kôngô (RDK).”

Ampangaina ho nitarika andiana fanolanana olo-marobe, sy fampijaliana ary fandrombana tany amin'ny Repoblika Ivon'i Afrika [RIA na République centrafricaine, RCA] enina taona lasa izay i Bemba, raha nantsoin'ingahy Ange-Félix Patassé izay  filoham-pirenenan'ny RIA izy tamin'izany fotoan'andro izany mba hampandry tany taorian'ny tetika “fanomana fanonganana” ny filoham-pirenena tsy nahomby tany RIA. Samy mamofompofona paika pôlitika avy amin'ny RDK sy avy amin'ny RIA ity fisamborana an'i Bemba ity […]”

Raha mbola ao anivon'ny maha-foloalindahim-pirenena anareo no anatanterahanareo na dia izay faran'izay fampijaliana aza dia tsy heverin-ndry zareo ho toy ny heloka bevava an'ady izany, toa izany no votoatin'ny hafatra tiana ampitaina. Misy koa anefa fomba fihevitra hafa izay ahiana handraisan'ny any Afrika izao fisamborana an'i Bemba izao : Aza manaiky ny hametra-piadiana na koa manaiky izay faharesena ara-pifidianana fa andrao dia arakarahin-ndry zareo hatrany La Haye [foibe itoeran'ny Fitsarana Iraisam-Pirenena, FIP] eo ianareo.”

Kôngô (RDK) : Fanentanana ho fampitsaharana ireo fanolanana
Black Looks [fijerin'ny mainty] no mitatitra mikasika ny fanentanana ho fampitsaharana ireo fanolanana sy herisetra mikasika ny fitaovam-pananahan'ny vehivavy any Kôngô (RDK) :

The one month campaign against sexual violence in the DRC took place between March 17-April 17th and coincided with a new law to ending the crimininalisation of children by accusing them of witchcraft. The campaign was funded by the UN Population Fund. However the question is in a country where tens of thousands of women have been raped and mutilated why did this campaign end after just one month. What happens now? The rapists remain free, and no one has been called to account for their crimes.

“Ny volana natokana ho fanentanana ho fampitsaharana ireo fanolanana any Kôngô (RDK) dia nanomboka tamin'ny 17 Martsa ka hatramin'ny 17 Aprily ary nifanandrify indrindra tamin'ny fivoahan'ny lalàna vaovao izay mampitsahatra ny fanarakarahana ara-pitsarana ireo ankizy izay misy miampanga ho mpanao sikidy. Ny Tahirimbola Iraisam-pirenena hoan'ny mponina no namatsy izany fanentanana izany. Aty amin'ny firenena izay nisedran'ireo vehivavy aman'aliny maro fanolanana sy herisetra mikasika ny fitaovam-pananahany dia mipetraka ankehitriny ny fanontaniana hoe nahoana no iray volana monja dia atsahatra ity fanentanana ity ? Dia inona no hitranga manaraka ? Tsy nisy nigadra ireo nahavita fanolanana ary tsy nisy akory izay narakarahina noho izay heloka bevava notanterahiny.”

Haïti, Kôngô (R.D.K.), sy ny pôlitikan'ny kere
Ny fidangan'ny fisondrotry ny vidin-tsakafo dia efa nipoiran'ny pitik'afo izay nandrehitra rotaka tany Haïti, sy Egypta ary Mozambika, tamin'ity volana ity toy ny fihasarotan'ny raharaha dia tsy hamela fotsiny ny kere hianjady amin'ireo osa indrindra amam-tapitrisany fa hisedra koa ny fahosana sy tsy fahampian'ny traikefan'ireo fitondram-panjakana any amin'ireo tany mahantra menrana izao tontolo izao.

Manoina izany tranga izany ny mpiblaogy roa, ny iray Haïtiana ary ny iray kosa Kôngôley, tsy ny fanampiana ara-bola ararak'ireo firenena matanjaka amin'ny fitrandrahana ireo solika nosintonina avy amin'ny zava-maniry anefa no tsikerain-dry zareo voalohany – fa natombony tamin'ny tsikera an'ireo pôlitika sy ireo mpanao pôlitika izay namela ny fireneny tsirairay tsy misy fiarovana toy izao. Namabaran'izy ireo ary fa ireo rotaka izay efa niseho sy ireo izay mbola ho avy, toy ny lozan'ny kere, dia taratr'ireo olana rehetra izay lalim-paka ka tsy ho vitavitan'ny fanafan'ireo fanampiana avy any ivelany monja.

Natifnatal izay mpiblaogy vehivavy Haïtiana dia nanapariaka ny hatezerany, tamin'ny lahatsoratra izay mahavaky fo tokoa, raha nijery ireo tranga avy any amin'ny arivony kilometatra, avy any Abu Dhabi izay onenany izy, ny fiheverany ny tenany dia toy ny sesitany antsitram-pò. “Rehefa mitrandraka ny hanoanana ho fitaovam-pandresena ireo mpanao pôlitika” [quand les politiciens se servent la faim pour marquer des points].

Ces dernières semaines, Haïti est revenu à la une de l’actualité. Quelque loin que vous soyez, les nouvelles vous rattrapent, les imagent vous bousculent, le gêne vous serre la gorge, et la colère vous embrase. Vous êtes, en effet, en colère contre la manière dont votre pays est réduite dans la presse : à des laissés pour compte semant la pagaille, détruisant les rares magasins qui opèrent dans un pays qui ne fonctionnent plus depuis longtemps, posant des barricades enflammées, et lançant des pierres sur le Palais National. Vous êtes en colère parce les réponses qui vous sont posées par les étrangers qui regardent comme vous et qui n’en comprennent rien, sont impossibles à répondre. Faut-il commencer par 1492, parler de la découverte, de l’esclavage, de la prospérité de l’ex Perle des Antilles, de la lutte pour l’Independence, de Toussaint Louverture ? Ou faut-il conter la déchéance qui ponctue notre quotidien depuis 1804, l’occupation, la dictature, les massacres, la démagogie qui a revêtu des allures de démocratie avec Aristide, puis s’arrêter sur les kidnappings, les coups d’état, la pauvreté, l’indigence, et le désespoir qui nous hantent de façon quotidienne. Car ceux qui n’y connaissent rien le plus simplement du monde peuvent poser l’équation faim + pauvreté + hausse des prix = manifestations + démission du Premier Ministre + violence, et argumenter qu’une augmentation de l’aide alimentaire devait suffire à réduire la faim.

“Nandritra ny herinandro vitsy lasa izay dia niverina ho amin'ny matoam-pejy indray i Haïti. Na manao akory elanelan-tany manasaraka anao aminy dia tratr'ireo vaovao izay manenjika anao ihany ianao, ozokozonin'ireo sary, manakenda anao ny fahasahiranan-tsaina, ary farany dia mirehitra noho ny fahatezerana ianao. Misafoaka tokoa mantsy ianao, raha mamaky ny hakelezan'izay firenenao rehefa taterin'ireo gazety : andian'olo-mahantra tsy misy mpiahy izay mandroba, sy mamaky ireo tranombarotra vitsy izay mbola misokatra anivon'ny firenena izay efa nitsahatra ela tsy nihodina intsony, mandoro toha-dàlana, mitora-bato ny tranon'ny filoham-pirenena. Misafoaka ianao satria sarotra ny mamoka ny valinteny izay takian'ny fanontanian'ireo vahiny izay mifanena aminao, sady mba very hevitra koa manoloana izao raharaha izao. Moa ve mila atomboka amin'ny taona 1492 ny fanazavana, ny nahitana io nosy io “voalohany” indrindra, ny fanandevozana, ny famirapiratana ara-toekarenan'ity perla fahinin'ny vondronosy Antilles ity, ny tolona hoan'ny fahaleovantena, ny momba an'i Toussaint Louverture [maherifò sady ngezalahin'ny tolom-panafahana ireo andevo Haïtiana] ? Sa ve mila tanisaina ny fitontogan'ny andavan'androntsika hatramin'ny taona 1804, ny fanjanahantany, ny fitondrana jadona, ny fanaovana vono-moka, ny kobak'am-bava izay notafiana demôkrasia nanditra ny fitondran'ny filoha Aristide, dia avy eo mitanisa ireo fakana an-keriny, ireo fanonganam-panjakana, ny fahantrana, ny maha-fadiranòvana, sy ny famoizam-pò izay sedraintsika isan'andro vaky izao. Satria ireo izay tsy mahalala dia afaka mametraka fotsiny ny kajikajy tsotsotra kere + fahantrana + fisondrotry ny vidin'entana = rotaka + fionganan'ny Praiministra + herisetra, sy mihevitra fa ny fampitomboana ny fanampiana ara-tsakafo dia tokony ho ampy hampihenana ny kere.”

Mais vous qui connaissez Haïti, qui respirez encore son air en dépit de la distance, qui pleurez encore en silence quand vous avez un parent au bout du fil, vous savez que la situation est loin d’être aussi simple. Vous savez que ces manifestations ne sont pas innocentes, qu’il y a des mains derrière ces actes de violence, que ces soit disant revendications ne sont pas dues au hasard, que le renvoi du Premier Ministre ou l’octroi de l’argent n’arrangerait pas grand chose, et que ces manifestants ne sont que des pions entre les mains habiles des malades du pouvoir.

“Fa ianareo izay mahafantatra tsara an'i Haïti kosa, ianareo izay mbola mifoka ny rivotra ao aminy na dia elanelanin'ny halavirana aza, mbola mitomany an-tsokosoko rehefa miresaka amim-kavana an-telefaonina, ianareo mahalala fa tsy tsotra ny raharaha. Fantatrareo tsara fa tsy tongatonga ho azy ireny rotaka ireny, fa misy tànana miafina ambadik'ireny herisetra ireny, fa tsy kisendrasendra ireny fitakiana ireny, ka na ny fionganana'ny Praiministra na ireo tolo-bola fanampiana dia tsy hampiova zavatra firy, satria vatom-panorona ampelatanan'ireo fetsy izay tsy mihevitra afatsy ny handrombaka ny fitondrana ireny mpikomy ireny.”

Parce que vous la connaissez la froide vérité, vous en avez marre. Vous avez beau fuir ces manœuvres politiques, vous avez beau rompre avec Haïti, vous avez beau vous résigner à votre condition de « sans pays », il suffit de ces moments pour que votre pouls s’accélère, que votre cœur se met a palpiter, que vous avez envie de vous arracher les cheveux, de maudire le destin, et de vous rendre a l’évidence, pour la énième fois, que vous avez bien fait de vous en aller.

“Satria ianareo mahafantatra ny marina, no sady efa leon'izany. Na dia miezaka ny handositra ireny hafetsifetsena ara-pôlitika ireny aza ianareo, miezaky ny hanapaka fifandraisana amin'i Haïti, miezaky ny mitampify amin'ny maha- « tsy manana firenena fihaviana », indray mipi-maso amin'ireny fotoana ireny monja dia ampy hampiverina indray halakin'ny fitempon'ny fonareo, ny fonareo miha-mihazakazaka, ianareo zary te-hanongotra ireo voamasonareo roa, ka te hiantso tody, ary mamerina manamafy indray fa fanapahan-kevitra tandrify sady nety ny nandaozanareo an'i Haïti.”

Any amin'ny Repoblika Demôkratikan'i Kôngô, Musengeshi Katata no manapariaka ao amin'ny Forum Realisance, ny lahatsoratra nampitondrainy ny lohateny hoe “Tany Haïti androany. Fa hanerana an'izao tontolo izao rahampitso” [Aujourd´hui Haïti, demain toute la périphérie], raha mandinika ny toe-draharaha izay niseho tany Haïti sy Egypta.

Fakafakain'i Katata ny fifandrohizan'ny hasarotana ara-tsakafo ankehitriny, sy ny fahasimban'ny tontolo iainana manerana izao tontolo izao, ny fitombon'ny filàna angovo, solika notrandrahana avy tamin'ny zava-maniry, sy izay fomba ataon'i India sy i Shinaizay, izay fatra-pandroso fatratra saingy tsy mampiasa ireo teknolojia raitra farany mikasika ny fitsitsiana angovo, ary mandeha any Afrika hikaroka harena voajanahary.

Dia velom-panontaniana izy hoe “Nahoana i Afrika no dia ela vao tonga saina fa vao mainka aza hihasarotra izany [fampandrosoana] any aoriana any ?” sady maminany fa “ireo taona izay ho avy dia ho sarotra tokoa, sarotra loatra ka hampanontany tena antsika raha tsy any Afrika no misy ny helo” satria “toy ny efa fanaony, ireo firenena efa manankarena dia vao mainka hitambesatra amin'ireo firenena mahanatra ka hampitombo ny fahasarotana izay efa eny an-tsorony …”

Amin'ny faran'ny lahatsorany anefa, dia amin'ireo olomangan'ny Afrikana ohany no ametrahan'i Katata ny andraikitra lehibe indrindra, satria heveriny fa amin'ny taona izay ho avy dia “hipoaka avy ao anatiny ka ho rava ny ankamaroan'ireo fitondrana tsy mahavòa raha sy saribakoly” raha tsy mety tonga saina ry zareo fa miankindoha amin'ny tombotsoan'ny vahoaka ireo tombotsoany.

…le Tsunami, comme l´écrit un de nos confrères de l´Internet, va bientôt atteindre l´Afrique avec, comme le prédit la Banque Mondiale, de chaudes révoltes et des famines sans issues. Comment pouvons-nous présenter les choses pour que les élites noires et africaines comprennent qu´elles sont en train de dormir, et que leurs vues des choses est désastreuse et préjudiciable au bien être et à l´avenir des leurs ? Faut-il que les africains, les afrodescendants continuent toujours à se faire rouler par l´occident, et à négliger de voir les choses telles qu´elles sont au risque de subir, de décennies en décennies les graves vicissitudes chroniques du manque et de la pauvreté ? C´est à se demander : les noirs se refusaient-ils à réfléchir et tirer des conclusions utiles ou n´en étaient-ils pas capables ?

“… araky ny nosoratan'ny namana teto amin'ny Aterineto dia tsy ho ela intsony dia hihazo an'i Afrika ny “Tsunami,” manamarina izay noheverin'ny Banky Iraisampirenena [Banque Mondiale], manambara rotaka mavaivay sy kere tsy misy fanafany. Akory re no fomba hanambarantsika izany mba hamoha ireo olomanga Afrikana izay mbola sodrian-tory, sy hanazavana fa ny fomba fijerin'izy ireo dia sady lolomorina no hitari-doza hoan'ny mpiray monina aminy ? Moa ve efa anjaran'ny Afrikana, sy ireo taranaky ny Afrikana ny mbola hotsetsefin'ny Tandrefana, sy mikipy amin'ny zava-misy ka hisedra amam-polon-taonany maharitra ireo vokadratsin'ny tsy fisiana sy ny fahantrana ? Mampanontany tena hoe : moa ve mandà ny hieritreritra sy hamoaka tsoakevitra mahasoa ny mainty hoditra sa tsy afaka manao izany tsotra izao ?”

Tous les pays qui vivent de l´aide internationale, tous ceux qui n´ont pas développé à domicile leur propre agriculture sous l´aide et les promesses fallacieuses des pays industrialisés, vont connaître, dans les années qui suivent, de dures années de vache enragée. La crise économique que nous connaissons depuis bientôt 30 ans va s´accentuer et effriter les maigres moyens de tous les pays pauvres. Et ceux qui espèrent ou croient que l´aide internationale pourrait les aider à adoucir les choses se trompent encore une fois: cette aide, quoique soulageante, est un véritable poison si parallèlement, et cela malgré la misère et la pauvreté, un effort accru n´est fait pour pallier à ce genre de pénurie dans l´avenir. Parce que, avouons-le, l´aide corrompt et trompe bien les apparences ; ce qui empêche souvent, comme on le sait, de voir « l´arbre », le mal tel qu´il se présente et d´y remédier le plus judicieusement que possible. Par ailleurs, l´endettement des pays industrialisés actuellement est effrayante, et cela va provoquer prochainement, accumule au chômage, des crises sociales remarquables.

“Ireo firenen-drehetra izay miankidoha amin'ny fanampiana iraisam-pirenena, sy ireo rehetra izay tsy nitrandraka ao aminy ny fambolena fa nanatena ny fitapitaky ny toky nomen'ireo firenena mandroso dia hisedra fijaliana fatratra amin'ny taona maro ho avy. Ny krizy ekônômika izay sedraintsika efa ho 30 taona izao dia hihahenjana ka hikiky ny ambibava kely sisa am-pelatanan'ireo firenena mahantra. Ary ho diso fanantenana indray ireo rehetra izay manantena na mametraka ny fitokisany amin'ny fanampiana iraisam-pirenena mba hanamaivana ny vesatry ny hanoanany : ireo fanampaiana ireo, na dia atao aza hoe manamaivana izay mahararin'ny tsy fisiana sy ny maha-fadiranovana, dia tena poizina mihitsy raha tsy ampiarahina amin'ny fanarenana ny toe-draharaha mba hialana amin'ny fiverimberenan'ny voina toy izany amin'ny ho avy. Aoka isika samy hiaiky fa miteraka voka-dratsy sady mifono fitaka ny fanampiana; izay matetika manafina ilay « hazo » dia ilay faharatsiana arak'izay tena fitrangany ka manakana koa ny fitadiavana izay fanafana tandrify. Miampy izany koa, ny trosan'ireo firenena mandroso ankehitriny dia efa mihoa-pampana mihitsy, ka hanaampy ny lozan'ny tsy fisian'ny asa [efa hita ankehitriny] dia hiteraka krizim-piaraha-monina goavana hafa koa izany.”

RD Kôngô: Fiaraha-miasa vaovao hamongorana ny herisetra
Ezaka ankapobe hamongorana ny fanolanana anyamin'ny repoblika demokratikan'i Kôngô: “Ny sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny ankizy (UNICEF) sy ny hetsika iraisam-pirenena miady amin'ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy sy ny ankizivavy fantatra amin'ny anarana V-Day no nametraka fiaraha-miasa vaovao hamongorana ny fanolanana any RDKôngô ary hampanjaka ny rariny ho an'ireo tràn'ity heloka maharikoroko ity.”

Kôngô (RDK) : Lozam-pifamoivoizana an'habakabaka faha-5 ao anatin'ny taona iray monja, saingy ny fidangan'ny vidin-tsakafo no loza tena izy
Nambaran'ireo biraom-paritr'ireo Fantsona Fampahalalam-baovao fa tafakatra 75 ny isan'ireo olona maty tamin'ny fianjeran'ny fiaramanidina “cargo” fotoana fohy monja taorian'ny niaingany, tany Goma omaly [Talata 15 Aprily 2008]. Ny fihoarana izay fetran'ny lanjan'ny mpandeha sy ny entany no mety ho anton'izany loza izany. Hatramin'ny volana Jona 2007 dia ity no lozam-pifamoivoizana an'habakabaka faha-5 izay namoizana ain'olona.

Tamin'ny volana Oktobra tamin'ny taon-dasa, dia efa nampitandrina i Du Cabiau à Kinshasa fa “tsy iny lozam-piaramanidina iny … no « ho farany »” raha nanoina ny fianjeran'ny fiaramanidina tamin'ny kartie isan'ny mahantra sy be mponina tokoa any Kinshasa, renivohitry Repoblika Demôkratikan'i Kôngô.

Mampalahelo anefa fa tanteraka tokoa izay nahiany. Amin'ity voina vaovao nidona ity, dia fakafakain'i Cabiau izay ho fahitan'izao tontolo izao an'i RDK noho ny fianjeran'ny fiaramanidina, RDK izay matetika loatra no idifan'ireo fantsona fampahalalam-baovao tandrefana na dia tamin'izy nilomano tao anivon'izay isan'ny loza goavana indrindra teo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona aza.

C'est bien connu, un arbre (…ou un avion) qui tombe fait plus de bruit qu'une forêt qui pourrit. Et en matière de douleurs oubliées, la RDC a déjà donné. Le pays vient de connaître le conflit le plus meurtrier depuis la seconde guerre mondiale sans émouvoir outre mesure les médias occidentaux. Un avion qui tombe suscite l'émoi et l'intérêt journalistique. Comme les moines tibétains, c'est un symbole fort qui touche les gens. Alors les voix se lèvent et l'opinion s'indigne… un peu.

Iaraha-mahalala fa hazo tokana midaraboka (… na fiaramanidina) dia andrenesam-peo kokoa noho izay ala iray manontolo mihalò. Raha ny mikasika izay fery tsy nisy mpihevitra, dia efa maro ny nosedrain'ny RDK. Vao nisandratra avy tamin'izay ady nahafatesana olona be indrindra hatramin'ny dy Lehibe faharoa ity firenena ity, izay tsy nampihesti-pò akory ireo fantsona fampahalalam-baovao tandrefana. Manintona ny mason'ireo mpanao gazety izay fiaramanidina iray mianjera. Toy ireo Mpanokantena Tibetana dia filamatra manintona ny olona tokoa izany. Ka dia miakatra ny feo, maneho ny fahatairany ny valala be mandry … kely fotsiny anefa.

Je ne conteste pas la pertinence de certaines causes médiatiques. Mais je constate seulement qu'il y a deux poids, deux mesures. L'Afrique souffre en silence de ses trous noirs (dixit BHL qui pour une fois avait raison). Ces concentrations de misère et de douleur auxquelles personne ou presque ne s'intéresse. Les victimes somaliennes ou congolaises ne bénéficiceront jamais du feu des médias… pas l'ombre d'une caméra. Ils faut croire que ces dizaines de milliers de femmes violées, ces centaines de villages pillés et ces populations terrorisées méritent moins de considération. Je n'arrive pas à comprendre pourquoi.

Izaho akory tsy mandà ny lalàna mamehy ny fifanandrifiana itaterana na tsy izay vaovao. Saingy marihiko fotsiny fa mitanila ny mizana. Am-pahanginana no ijalian'i Afrika ireo “lavaka tsy hita farany” (mba marina tamin'ity indray mitoraka ity ny fitenin'i Bernard-Henri Lévy, Filosofa, mpanotra sady mpanao gazety Frantsay BHL). Zary tsy misy miraika intsony amin'ity fifanampian'ny fahantrana sy fijaliana ity. Ny ireo Somaliana na ireo Kôngôley dia tsy nisy nitodihan'ny fahazavan'ny taratry ny jiron'ireo fampahalalam-baovao … tsy nisy na dia mpaka lahatsary iray monja aza. Angamba tsy mendrika ny hotantaraina akory ireo vehivavy aman'alinaliny izay naolana, ireo tanàna aman-jatony voaroba na ireo mponina tao aminy izay miaina amin'ny horohoro. Tsy mety mazava amiko ny anton'izany.

Ny fidangan'ny fiakaran'ny vidin-tsakafo : loza tena izy (na dia tsy ahafahana taterina amin'ny sary mahafinaritra aza)

Aujourd'hui, le nouveau drame vient de la flambée des prix. Des millions de personnes voient la famine fondre sur elles. Mais il faut attendre des émeutes pour que les consiences se réveillent… un peu. Ce matin, je lisais dans la presse locale : “En moins d’une semaine, les prix des produits de première nécessité ont quasi doublé sur le marché kinois. Les mamans déboussolées ne savent plus à quel saint se vouer”…La mesure de farine de manioc est soudainement passée de 100 à 150 fc, celle de maïs de 150 à 200 fc. Le sucre a augmenté de 25% en quelques jours et les haricots de 50%.

Ankehitriny, ny loza vaovao dia ateraky ny fidangan'ny vidin'entana. Aman-tapitrisany ireo olona tandidomin-dozan'ny kere. Anefa dia mbola matoritory ny olona raha tsy efa mipoaka ny rotaka, izay vao taitra … kely fotsiny anefa. Nambaran'ny gazety novakiako tamin'ny maraina fa “tao anatin'ny herinandro latsaka dia avo roa heny ny fisondrotry ny vidin'ireo entana PPN [Produits de Première. Nécessité] teny an-tsenan'i Kinsasha. Very hevitra ireo renim-pianakaviana, tsy fantatra intsony izay masindahy na masimbavy ivavahana”…[ny vidin'ny] kobana mangahazo dia nisondrotra avy amin'ny 100 hahatratra 150 FC [Farantsa Kôngôley], ny katsaka 150 dia lasa 200 FC. Tao anatin'ny andro vitsy monja dia nisondrotra taha 25% ny vidin'ny siramamy, ny tsaramaso kosa 50%.

C'est moins impressionnant que la chute d'un Antonov et pourtant les conséquences risquent d'être bien plus catastrophiques. A croire que Jean Ziegler [sic] a prêché dans le désert…

Tsy dia mahatalanjona toy ny fianjeran'ny fiaramanidina izany, anefa ny vokadratsiny dia atahorana ho mandripaka kokoa. Ohatry ny nitoriteny tany an'efitra i Jean Ziegler [Mpikaroka momba ny fiaraha-monina Soisa, mpitatitra manokana momba ny toe-tsakafo eran-tany hoan'ny firenena] …

Kôngô (RDK) : Ambaran'ny filoha Kabila fa tsara kokoa ny fiainan'ny Kôngôley
Ny Blog du Congolais no mitatitra ny fisalasalany miatrika ny fanatintranteran'ny filoham-pirenena Kabila mikasika izay fihatsaran'ny toetoe-piainana any Kôngô (RDK) :

Ouverture de la nouvelle session parlementaire. Les Présidents de deux chambres, se basant sur les rapports des vacances parlementaires de leurs collègues, dressent un bilan catastrophique de l’an 1 du gouvernement Kabila-Gizenga […]

Pourtant, Jeudi 6 décembre 2007, Joseph Kabila, président de la république, avait affirmé, pinces sans rire : ‘‘…les congolais vivent mieux qu’il y a une année et beaucoup mieux qu’il y en a quinze.”

“Fisokafan'ny taom-piasan'ny Antenimieram-pirenena roa. Mifototra tamin'ireo tatitra nataon'ireo solombavam-bahoaka mikasika izay hitany nandritra ny fakan-drivotra, ireo filohan'ny Antenimieram-pirenena roa tonta dia mamoaka tsoak'hevitra henjana mikasika ny taona voalohan'ny fitondran'i Kabila-Gizenga […]

Vao tamin'ny Alakamisy 6 Desambra 2007 anefa ny filoham-pirenena Joseph Kabila no nanatintrantintra, tsy mivazivazy, fa ‘‘… tsara kokoa nohon'ny tamin'ny taona lasa ary mihoatra lavitra nohon'ny tamin'ny 15 taona lasa ny fari-piainan'ny vahoaka Kôngôley” .”