· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny R.D. Kongo tamin'ny Jolay, 2012

Repoblika Demaokratikan'i Congo : Voampanga Any Avaratr'i Kivu i Rwanda

  26 Jolay 2012

Hatramin'ny volana Aprly, ny M23, ivondronan'ireo mpiady tranainy tao amin'ny mpihoko tutsi Kongoley avy amin'ny Congrès national pour la défense du peuple CNDP dia manakorontana ny faritany Avaratr'i Kivu any Atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo. Ankoatry ny zavatra hafa dia takian'ireny miaramila ireny ny hanajàna ny fifanarahana tamin'ny 2009 izay, araka ny hevitr'izy ireo, dia tsy hajain'ny governemanta kongoley Mihevitra ny sasany fa tsy noho ny tsy fanajàna ireny fifanarahana ireny ihany no anton'ireny fitsoahana an-daharana ireny fa misy ihany koa finiavana hizarazara ny firenena. Mitohy miteraka fahafatesan'olona marobe sy fifindra-monina faoben'ny vahoka ny hetsika M23.

Repoblika Demaokratikan'i Congo : Thomas Lubanga, Sazy Maha-be Resaka

  14 Jolay 2012

Ny 10 jolay lasa teo, ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao amin'ny "Cour pénale internationale (CPI)" dia nanameloka ilay Kongole Thomas Lubanga Dyilo higadra 14 taona an-tranomaizina. Izy dia voampanga ho tompon'antoka taminà heloka an'ady tamin'ny fitsimponana sy fandraisana ireo ankizy latsaky ny 15 taona ary nampandray anjara mavitrika azy ireny taminà habibiana ny 1 Septambra 2002 hatramin'ny 13 Aogsitra 2003 tany Ituri, Repoblika Demaokratikan'i Congo (RDC). Tahaka ny maivana ihany ilay sazy raha ny hevitr'ireo mpiondana aterineto marobe.

Vondrona Afrikana Malemy Ho An'ny Firenena Mikambana 53

  13 Jolay 2012

Nikorotandrotana ny taona 2011 ho an'ny kaontinanta Afrikana tamin'ny fisian'ny revolisiona, fikasana hanongam-panjakana ary ny krizy politika mahery setra maro. Saingy nampalahelo moa fa nampiharihary ny hany fara-vitany amin'ny fiatrehany ireny toe-draharaha ireny ny vondron'ny firenena afrikana 53 izay manana ny iraka hanamafy ny fitoniana eo amin'ny faritra sy ny fampandrosoana.