The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

D.R. of Congo Sokajy ara-tany

RSS ho an ny D.R. of Congo

2008-09-16

D.R. of Congo

Mediatic [Fr] no manoratra ny fikatonan'ny foibena televiziona dimy sy fampielezam-peo roa any Kinshasa tsy nahazo alalana ary maminaviina fa io ilay nampiomanan'ny fitondrana any fa “hanadio ny trano” izy.  (via Réseau International de correspondants francophones)

2008-07-27

D.R. of Congo

[Tsikin'ny mpandika teny: Tsy vola maditra tsy akory no lazaina fa vola navilivilin'ny sasany] Tany Congo, Nomelohin'ny fiadidiana ny praiminisitra ny sampan-draharaham-panjakana folo any aminy, ary tafiditra amin'izany fanodikodinam-bola mahatratra 1.3 miliara dôlara izany ny sampan-draharaha mpitaky hetra sy haba isan-karazany, ny JIRAMA kongoley ary ny fiantohana, hoy ny tatitry Forum Realisance [Fr] avy amin'i Le Potential.

2008-06-12

Cedric Kalonji : Kongo (RDK) an-tsaryThis is a Photos post

I Cedric Kalonji dia mpilaza vaovao ao amin'ny Radio Okapi, ary mpanoratra ny blaogy mety malaza indrindra avy ao Kongo. Fa ankoatra ny asany ao amin'ny radio sy ny fitorahana blaogy dia mpaka sary matihanina koa i Kalonji. Nandritra ny andro maromaro izay dia mitety ny sary apetrany ao amin'ny Flickr ...

2008-05-30

Kôngô (RDK) : Fihaonambe mikasika ny sarimihetsika Eorôpeana sy ny fidangan'ny fisondrotry ny vidin-tsakafo

Tsy mahagaga an'i Du Cabiau a Kinshasa raha tsy rototra akory ireo mpijery manoloana izay tsy fahatanterahana nandritra ny Fihaonambe mikasika ny sarimihetsika Eorôpeana [festival du film européen] notanterahina tany Kinshasa, ary dia manararaotra mizara izay fijeriny ny fihetsiky ny mponina manoloana ny fidangan'ny fisondrotry ny vidin-tsakafo any Kôngô (RDK) ...

2008-05-27

Kôngô (RDK) : Fitsarana manao mizàna tsindrian'ila ny fisamborana an'i Bemba

Siasa Duni no mizara izay fomba fijeriny ny fisamborana an'ingahy Jean-Pierre Bemba, mpitarika ny antoko mpanohitra any Kôngô (RDK) : Congolese opposition leader Jean-Pierre Bemba was arrested in Brussels on Saturday night on an International Criminal Court (ICC) warrant for war crimes. Bemba is accused of having led a campaign of ...

2008-05-13

Kôngô (RDK) : Fanentanana ho fampitsaharana ireo fanolanana

Black Looks [fijerin'ny mainty] no mitatitra mikasika ny fanentanana ho fampitsaharana ireo fanolanana sy herisetra mikasika ny fitaovam-pananahan'ny vehivavy any Kôngô (RDK) : The one month campaign against sexual violence in the DRC took place between March 17-April 17th and coincided with a new law to ending the crimininalisation of children ...

2008-04-23

Haïti, Kôngô (R.D.K.), sy ny pôlitikan'ny kere

Ny fidangan'ny fisondrotry ny vidin-tsakafo dia efa nipoiran'ny pitik'afo izay nandrehitra rotaka tany Haïti, sy Egypta ary Mozambika, tamin'ity volana ity toy ny fihasarotan'ny raharaha dia tsy hamela fotsiny ny kere hianjady amin'ireo osa indrindra amam-tapitrisany fa hisedra koa ny fahosana sy tsy fahampian'ny traikefan'ireo fitondram-panjakana any amin'ireo tany mahantra ...

2008-04-18

D.R. of Congo

Ezaka ankapobe hamongorana ny fanolanana anyamin'ny repoblika demokratikan'i Kôngô: “Ny sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny ankizy (UNICEF) sy ny hetsika iraisam-pirenena miady amin'ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy sy ny ankizivavy fantatra amin'ny anarana V-Day no nametraka fiaraha-miasa vaovao hamongorana ny fanolanana any RDKôngô ary hampanjaka ny rariny ho an'ireo tràn'ity heloka maharikoroko ity.”

2008-04-16

Kôngô (RDK) : Lozam-pifamoivoizana an'habakabaka faha-5 ao anatin'ny taona iray monja, saingy ny fidangan'ny vidin-tsakafo no loza tena izy

Nambaran'ireo biraom-paritr'ireo Fantsona Fampahalalam-baovao fa tafakatra 75 ny isan'ireo olona maty tamin'ny fianjeran'ny fiaramanidina "cargo" fotoana fohy monja taorian'ny niaingany, tany Goma omaly [Talata 15 Aprily 2008]. Ny fihoarana izay fetran'ny lanjan'ny mpandeha sy ny entany no mety ho anton'izany loza izany. Hatramin'ny volana Jona 2007 dia ity no lozam-pifamoivoizana ...

2008-03-20

Kôngô (RDK) : Ambaran'ny filoha Kabila fa tsara kokoa ny fiainan'ny Kôngôley

Ny Blog du Congolais no mitatitra ny fisalasalany miatrika ny fanatintranteran'ny filoham-pirenena Kabila mikasika izay fihatsaran'ny toetoe-piainana any Kôngô (RDK) : Ouverture de la nouvelle session parlementaire. Les Présidents de deux chambres, se basant sur les rapports des vacances parlementaires de leurs collègues, dressent un bilan catastrophique de l’an 1 du ...