Tantara mikasika ny Cote d'Ivoire tamin'ny Febroary, 2012
Afrika: Mifidiàna Izay Afrikana Mpisaintsaina Tena Henoin-teny Indrindra Mbola Miaina
Ny bilaogy "Africa is a Country" dia mangataka ireo mpamaky mba hifidy ny Afrikana mpisaintsaina tena henoin-teny indrindra ao anaty lisitra ahitàna mpifaninana 12. Ilay lisitra dia ahitàna an-dry Chinua Achebe (Nizeria), Mahmood Mamdani (Oganda), Mamdouh Habashi, (Ejipta), Kwame Anthony Appiah (Ganà/Etazonia), J M Coetzee (Afrika Atsimo/Aostralia) ary Issa Shivji (Tanzania). Misokatra amin'ny 5 Martsa 2012 ny fifidianana.
Frankofonia : Andro Manerantany Ho An'ny Tenin-dreny
Ny 21 febroary no Andro Manerantany Ho an'ny Tenin-dreny. Ny niandohan'io fanomezam-boninahitra io sy fihodinkodinana kely ao anatin'ny tontolon'ny tany miteny sy mampiasa ny teny frantsay ary ireo teknolojia vaovao.
Afrika: Mitodika Amin'i Afrika Andrefana Ny Jirobe Noho ny Dingana Manasa-dalana Amin'ny CAN 2012
Mitarika fibitahana tsara tany Afrika Andrefana ny dingana manasa-dalana tamin'ny CAN 2012, satria telo tamin'ny ekipa efatra mbola nifaninana no avy tao amin'ity faritra ity. Mitatitra izany lalao izany i Francois-Xavier Ada-Affana.
Côte d'Ivoire: Mandrahona ny Sampam-pitsikilovan ireo Mpijirika Taorian'ny Fisamborana Mpanao Gazety
Nosamborin'ny Sampam-pitsikilovana Ivoariana (DST) ny mpandrindra lahatsoratry ny gazety Le Patriote, Charles Sanga, taorian'ny lahatsoratra mampiadihevitra momba ny fitsaràna avon'ny Lalam-panorenana ao Côte d'Ivoire. Ny ampitson'io, nandrahona ny hamoaka antontan-taratasy miaty tsiambaratelon'ilay sampana ireo piraty "anonymous" raha tsy avotsotra izy.