· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Cote d'Ivoire tamin'ny Janoary, 2012

Afrika : Valisoa sy Hadisoam-panantenana Amin'ny CAN2012

  29 Janoary 2012

Any Afrika ary hatrany an-toeran-kafa mihitsy, angonin'ny baolina kitra hanodidina ny ekipam-pirenena iray ny olona. Ao anatin'ny fientanentana manodidina ny CAN2012, misy teboka roa mahasarika ny sain'ireo bilaogera. Ny voalohany, dia ny tsy fisian'ireo firenena vaventy mahazatra amin'ny resaka baolina kitra afrikana..

Afrika : CAN 2012, Fihodinana Voalohany Feno Zava-tsy Nampoizina

  29 Janoary 2012

Nitahiry zava-tsy nampoizina maro ho an'ireo firenena sangany toa an'i Sénégal sy Maraoka ny fihodinana voalohan'ny CAN 2012, efa nihintsana sahady. Ireo mpiondana aterineto aty Afrika dia naneho hevitra momba ireny vokatra ireny izay nahaliana ny rehetra nanerana ny kaontinanta.

Côte d'Ivoire: Manosihosy Ny Zon'ny Mpamorona Ny Gazety

  10 Janoary 2012

Hafa noho ny teo aloha ny fetin'ny faran'ny taona 2011 tao Côte d'Ivoire. Valo volana taorian'ny fiovam-pitondrana, te-hanamarika ny fiovana tamin'ny alalan'ny ravaka tsy fahita tao amin'ny firenena tamin'ny alalan'ny fanomanana afomanga goavana ny 30 sy ny 31 desambra 2011 ny fitondrana. Maro ny Ivoariana no nivoaka nanararaotra nivoaka nijery ny fampisehoana isan-karazany izay ampian'ny teknolojia, samy naka sary fahatsiarovana ny tsirairay. Nampiasain'ny gazety kosa ny sary nopihan'i Audrey Carlalie

Global Voices Podcast: Taom-baovao 2012 Feno Fahavitrihana

  04 Janoary 2012

Anatin'ity andian'ny podcast ity dia hamerina hibanjina ny taona 2011 isika, handinika ireo fitoviana sy fahasamihafàna eo amin'ny fanaovan-gazety mahazatra sy ny fampiasàna ny media vaovao, hamantatra momba ny fihaonan'ny Rising Voices mitondra aingam-panahy natao tany Bolivia mba hanohanana ny fivoaran'ny tontolon'ny bilaogin'ireo teratany sy tsy mitovy ara-piaraha-monina. Nanao dia tamin'ny kodiaran-droa eraky ny aterineto ihany koa izahay