· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Cote d'Ivoire tamin'ny Avrily, 2011

Côte d'Ivoire: Lavo i Laurent Gbagbo

  14 Avrily 2011

Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana momba ny Korontana any Côte d'Ivoire 2011 ity. Nivoaka ny vaovao malaza tamin'ny 11 aprily 2011 tamin'ny 01 ora GMT : nosamborina tao amin'ny fonenany ao Cocody i Laurent Gbagbo niaraka tamin'ny vadiny, Simone, sy ireo olona akaiky azy. Dimy volana aty aorian'ny fandavany hiala amin'ny fitondrana ha hanome...

Côte d'Ivoire: Mikiribiby i Gbagbo, Fanoherana Afrikana

  08 Avrily 2011

Raha mbola mihidy ao amin'ny bunker misy azy ao amin'ny firenena hatrany ny filoha Ivoariana teo aloha Laurent Gbagbo, mikiry mandà ny fahareseny nandritra ny fifidianana filoham-pirenena 2010, niteraka adihevitra teo amin'ny olom-pirenena sy ny mpanao politika frantsay, mbamin'ny Fiaraha-monina Afrikana any Frantsa ny fandraisana anjara an'i Frantsa hanongana azy. Hatrany Paris...

Cote d'Ivoire : Mandia ny Ora Farany ny Fitondrana Gbagbo ao Abidjan

  06 Avrily 2011

Nafana aoka izany ny roa andro farany teo amin'ny fivadihan'ny tantara ho an'i  Côte d'Ivoire. Ireo tafika mahatoky an'i Alassane Dramane Ouattara, Filoha nahazo fankatoavana iraisam-pirenena ao Côte d'Ivoire, sy Guillaume Soro, praiminisitra, dia nanao fanafihana tao Atsimo sy Andrefan'ny firenena, ary tonga tao an-tanàna Douékoué izy ireo tao anatin'ny...

Côte d'Ivoire: Ara-Dalàna Ve Ny Fitsabahan'ny Avy Any Ivelany?

  05 Avrily 2011

Mety ho tonga amin'ny dingana farany ao Abidjan ato ho ato ny ady ho amin'ny fahefana ao Côte d'Ivoire, toerana nanombohan'ny Tafika Repoblikana (FRCI) manohana an'i Alassane Ouattara ny fanafihany an'ireo toerana nofehezin'ny tafik'i Laurent Gbagbo, tamin'ny Alatsinainy 4 Aprily. Nirotsaka an-tsehatra ny Firenena Mikambana sy ny Tafika Mitam-piadiana Frantsay, ary resahana betsaka any anivon'ny aterineto ny maha-ara-dalàna na tsia an'izany.

Côte d'Ivoire: Asa Famonjena Noho ny Maha-Olona Amin'ny Alalan'ny Tenifototra Ao Amin'ny Twitter

  04 Avrily 2011

Anatin'ny korontana ara-politika misy ankehitriny ao Côte d'Ivoire, ny tenifototra #civ2010 ao amin'ny twitter dia nanjary loharanom-baovao nànana ny toerany teo amin'ny firenena. Na izany aza, maro ireo mpampiasa twitter no nampiakatra ny feony ka nitaraina fa ilay tenifototra dia nanjary lasa fitaovana nampiasain'ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany handrehetana ady.. Tenifototra iray vaovao, #civsocial, no noforonina mba hifampizaràna zavatra mikasika ny famonjena noho ny maha-olona.