· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Cote d'Ivoire tamin'ny Janoary, 2011

Côte d'Ivoire : Sehona habibiana ao amin'ny fonja be gadra indrindra

  08 Janoary 2011

Misy video mampikorontana ny fiaraha-monina Ivoriana amin'ny aterineto amin'izao fotoana izao. Ahitàna ny miaramila midaroka gadra - voalaza ho mpomba an'i Alassane Ouattara - ao amin'ny MACA, fonja any Abidjan. Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny krizy ara-politia any Cote d'Ivoire, am-polony ireo olona nosamborina tany Abidjan noho ny fironany ara-politika, ary nogadraina ao amin'ny MACA.