· Desambra, 2010

Tantara mikasika ny Cote d'Ivoire tamin'ny Desambra, 2010

Côte d'Ivoire: Vahoaka mizotra mankany amin'ny “Revolisiona Orange” iray hafa?

  27 Desambra 2010

Na dia efa tsy milamilana be ihany aza ny rivotra iainana any Côte d'Ivoire, dia niakatra zana-tohatra vitsivitsy indray ny fihenjanana nandritra ny andro faramparany teo. Taorian'ny korontana tamin'ny 12 Desambra teo amin'ny antoko roa mpifanandrina sy ny fanalavàna ny tsy fahazoana mivoaka amin'ny alina nataon'i Laurent Gbagbo, dia miantso ny vahoaka ankehitriny i Alassane Ouattara sy ny mpiara-dia aminy mba "hanao fanoherana faobe am-pilaminanana sy ara-demokratika mba hametrahana ny fitantanana ara-dalàna sy ara-drariny". Maneho fihetseham-po mialoha ilay fotoan-dehibe mamaivaiy loatra ny mpitoraka bilaogy:

Côte d'Ivoire: Manahy ny vanim-potoana vaovao hisian'ny fandrahonana any Abidjan ny mpampiasa Aterineto Ivoriana

  24 Desambra 2010

Mihamahery setra tsikelikely ny krizy ara-politika any Côte d'Ivoire. Raha ny hevitry ny Firenena Mikambana, dia olona 50 no maty ary 200 no naratra nandritra izay telo andro farany izay. Nesorina tamin'ireo fampisehoana tantara misy herisetra nandritra ireo ady sasany ny haino aman-jery nentim-paharazana fa ny mampiasa aterineto koa dia niezaka ny naneho ny horonan-tsary sasany ahitana ireo herisetra manodidina ny firenena.

Côte d'Ivoire: maneho hevitra momba ny korontana politika ny mpitoraka bilaogy any Ghana

  24 Desambra 2010

Côte d'Ivoire (Ivory Coast) dia firenena ao Afrika andrefana. Avy aty atsimo dia manatrika ny Ranomasimbe Atlantika izy, ary hodidin'i Ghana ao atsinanana, Liberia ao andrefana, Guinée ao avaratra andrefana, Mali ao avaratra, ary Burkina Faso ao avaratra atsinanana. Ny fifandirana teo amin'ny vokam-pifidianana izay ho filoham-pirenena sy ny disadisa...