Tantara mikasika ny Kamerona
Fanorisorenana nanjo ny vehivavy iray mpitsara lalao nandritra ny lalao baolina kitra iray, manasongadina ny fanamby atrehan'ireo vehivavy mpitsara lalao
Tsy mora ny asan'ireo vehivavy mpitsara, izay sady manoratra ny tantara no mitsara ilay taranjam-panatanjahantena lehibe, amin'ny famaliana ny antson'izy ireny
Global Voices, mitady toniandahatsoratra hitarika ny fandrakofam-baovaonay ao Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara
Mpanoratra no sady toniandahatsoratra ve ianao, manana fahatakarana lalina sy fahalianana momba ireo endrika rehetran'ny faritra Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara ? Mientanentana amin'ny famolavolana hevitra havadika ho tantara, lahatsoratra ho an'ny media sôsialy, sy famoahana lahatsoratra hafa iarahana amina vondrom-piarahamonina marolafy? Raha “eny” no havalinao...
Kameroney Mpikatroka nahazo ny lokan'ny Zon'olombelona RFK 2022
Nomem-boninahitra noho ny asany maharitra dia maharitra amin'ny fiarovana ny sehatra sivika sy ny demaokrasia manerana an'i Kamerona sy Afrika Afovoany ny asan'ireto mpikatroka avy amin'ny faritra miteny anglisy sy miteny frantsay avy ao Kamerona ireto.
#FreeRebecca: Melohin'ny Global Voices Afrika Atsimon'i Sahara ny fisamborana an-tondromolotra sy ny fihazonana an'i Rebecca Enonchong, mpitarika resaka teknôlôjia ao Kamerona
Takian'ny Ekipa Global Voices Afrika atsimon'i Sahara ny famotsorana tsy misy fepetra an'i Rebecca Enonchong.
Naato ny tetikasa iray nomena alàlana hanao fitrandrahana ao amin'ilay Ala Ebo manankarena biolôjika ao Kamerona, saingy mbola marefo ihany ilay faritra
« Ao, manana hazo ianao, babakoto sy rajako - milevina any ny ray aman-dreninay. Manana ny toerana masina ho anay izahay... », hoy ny tarainan'ny mpitarika iray ao an-toerana.
Ireo tantara sangany tato amin'ny Global Voices niresahana ny fahamaroam-piainana, raha eo am-pankalazàna ny Andro Erantany ho an'ny Tontolo Iainana izao ny planeta
Fantina amin'ireo tantara tsara indrindra vao haingana tato amin'ny Global Voices manasongadina ny lanja mavesatry ny fahamaroam-piainana sy ireo fanamby ary zavabita marobe vita mifandraika amin'ireny ezaka ireny nanerana izao tontolo izao.
Manameloka ny fanafihan'ny Boko Haram nandritra ny torimason'ny miaramila ny filohan'i Kamerona
Ny alin'ny vovonana tany Paris hisian'ny filaminana tany Nizeria, niampita nankany Kamerona ny vondrona mitam-piadiana Nizeriana Boko Haram na dia teo aza ny fisian'ny mpitandro ny filaminana marobe.
Ebola mampitahotra: Voafandrika eo amin'ny sisintany iraisan'i Kamerona/Nizeria efa ho 40 ora mahery
Ahoana moa raha marina fa nisy taminay no tonga niaraka tamin'ny otrikaretina [...]? Dia betsaka ny vintana hoe nifindran'ny otrikaretina daholo izahay rehetra... taorian'ny nanibohana anay niaraka, ary dia efa mitondra ny viriosy amin'izao fotoana izao ho any amina ankohonana [...] roanjato samy hafa.
Mitombo ny tranga COVID-19 ao Kamerona, mpitondra fivavahana iray milaza fa mety ny raokandrony
Nisy ihany ny fisalasalana rehefa nanao fanambarana ny Arseveka Samuel Kleda avy ao amin'ny arsidiôsezin'i Douala ao Kamerona fa nahita ny itsaboana ny COVID-19 izy tamin'ny Avrily 2020
Ny fiakaran-danjan'ny artemisia any Kamerona ao anatin'ny ady amin'ny COVID-19
Raha mitohy ny fitombon'ny trangana coronavirus tany Kamerona dia maro tamin'ireo mino ny fanasitranan'ny ravinkazo ao an-toerana no nitodika tany amin'ny zavamaniry mahery artemisia rehefa nikasa ny hanokatra indray ny toekaren'ny firenena ny governemanta.