· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Kamerona tamin'ny Mey, 2013

Kamerona: Enoh Meyomesse, Bilaogera Mbola Any Am-ponja

GV Mpisolovava  07 Mey 2013

Mpanoratra Kamerone sady mpibilaogy atao hoe Enoh Meyomesse no voafonja any Yaoundé, renivohitr'i Kamerona, nandritra ny 17 volana mahery. Voahendrikendrika ho nangalatra sy nivarotra volamena tsy ara-dalàna izy, nohelohin'ny tribonaly miaramilan'i Yaoundé higadra nandritra ny fito taona an-tranomaizina izy, taorian'ny dingana maro izay heverin'ireo fikambanana maro ho tsy ara-drariny. Maro no miahiahy fa Meyomesse, izay nahazo ny Oxfam Novib/PEN Award tamin'ny 2013 ary ankehitriny mpikambana am-boninahitra ao amin'ny Foibe Amerikana PEN , dia miatrika fitsarana ara-politika izay mikasa hanakombonana vava ny iray amin'ireo olona manampahaizana izay tena miroborobo fatratra any Kamerona.

Takalon'Aina sy ny Tambiny : Politika Manao Ahoana ny An'i Frantsa ?

  02 Mey 2013

Tokony ho telo volana taorian'ny fanapaha-kevitr'i François Hollande hampitsaharana ny fandoavana tambiny ho an'ireo mpanao takalon'aina, dia  navotsotra ihany ny ankohonana Moulin-Fournier, izay niteraka sento ho an'ny fianakaviana sy ny namana. Hatramin'izao anefa dia tsy misy fampahafantarana tamin'ny fepetran'izany famotsorana izany. Nampafantatra tamin'ny fianakavian'ny mizaka zom-pirenena frantsay rehetra manerana izao...