· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Kamerona tamin'ny Marsa, 2013

Manako Any Afrika Ny Fametraham-pialàn'ny Papa

  24 Marsa 2013

Niteraka fihetseham-po tamin'ny Firenena Afrikana mampiasa ny teny Frantsay, na tamin'ny haino aman-jery nentim-paharazana na tamin'ny tambajotra sosialy, ny fanambaran'ny Papa Benoà XVI mikasika ny faniriany hiala amin'ny asany nanomboka amin'ny 28 Febroary 2013. Ny fankasitrahana ny Papa miaraka amin'ny hetaheta mba hisian'ny mpitarika Afrikana sasany haka ohatra amin'ny nataony no tena fihetseham-po nibahana tao.