· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Kamerona tamin'ny Janoary, 2012

Afrika : CAN 2012, Fihodinana Voalohany Feno Zava-tsy Nampoizina

  29 Janoary 2012

Nitahiry zava-tsy nampoizina maro ho an'ireo firenena sangany toa an'i Sénégal sy Maraoka ny fihodinana voalohan'ny CAN 2012, efa nihintsana sahady. Ireo mpiondana aterineto aty Afrika dia naneho hevitra momba ireny vokatra ireny izay nahaliana ny rehetra nanerana ny kaontinanta.

Kamerona: Nosamborina Fa Voampanga Ho Mpangalatra Ilay Mpanoratra sady Mpamaha-Bolongana Enoh Meyomesse

  15 Janoary 2012

Enoh Meyomesse, mpanoratra Kameroney no sady mpamaham-bolongana no voasambotra tamin'ny 22 Novambra 2011, tao antseranam-piaramanidina Nsimalen ao Yaoundé, ao Kamerona, raha avy tany Singapore izy. Nampangain'ny fitsarana ady miaramila Bertoua, ao atsinanan'ny firenena,  ho nangalatra izy ka notazomina tao amin'ny fonjan'i Nkondengui ao Yaoundé, izay efa feno hipoka araka ny fanadihadiana nataon'ny Amnesty...