Tantara mikasika ny Borkina Faso
ONU, nataon'ny governemanta Maliàna lasibatra mivantana tamina fandroahana nisesy ireo solontenany
Mandroaka solontena avy amin'ny Firenena Mikambana ry zareo manampahefana Maliàna. Nohitrikitrihany tamin'zany ny tsy fanekeny ny fanakianana, na avy ao anatiny io na iraisam-pirenena, miresaka ny toedraharaha momba ny zon'olombelona
Global Voices, mitady toniandahatsoratra hitarika ny fandrakofam-baovaonay ao Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara
Mpanoratra no sady toniandahatsoratra ve ianao, manana fahatakarana lalina sy fahalianana momba ireo endrika rehetran'ny faritra Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara ? Mientanentana amin'ny famolavolana hevitra havadika ho tantara, lahatsoratra ho an'ny media sôsialy, sy famoahana lahatsoratra hafa iarahana amina vondrom-piarahamonina marolafy? Raha “eny” no havalinao...
Manandratra avo ny Teny Moore i Alhassan Alidu amin'ny alalan'ny fitondrana izany an-tserasera
Amin'ny maha-tale mpantanteraka amin'ny Moore Wikimedia Community an'i Alhassan, dia omeny sehatra nomerika ny fiteny Moore, eo anatrehan'ny fanjazakazakan'ny haino aman-jery sy fiteny Tandrefana
Misaona ny famonoana ilay mpanao gazety Espaniola tany Burkina Faso ireo mpanao gazety mpitatitra ady
Nitombo hatramin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2015 ny ady nifanaovan'ireo vondrona jihadista
Ady amin'ny torohay diso any amin'ireo fiteny tsy tsara tohana; lesona avy amin'ny lafivalon'ny tany
Nisy kaonferana "webinar" iray nandalinana ny fomba mahatonga ireo vondrompiarahamonina ara-piteny izay tsy manana fitaovana sahaza ho lasa anjorom-bàla amin'ny fidirana maka ireo tohana tokony hananana ny fahaizana mifehy ny haino-vaky-jery ary ny ady atao amin'ny fanelezana vaovao / torohay diso.
Afrika Andrefana: Ireo anganongano ara-tantara efatra momba an'i Kamerona
Manomboka amin'ny fanamarihana momba ny literatiora ny fitsidihana bilaogy amin'ity herinandro ity, miaraka amin'ny fanadihadian'ny Voice in the Desert momba ny The Door of No Return - boky natao ho an'ny ankizy:
Resaka famerenan’i Frantsa ireo asakanto avy aty Afrika
Avy any Tchad (zavakanto miisa 9.200), Kamerona (7.800) ary Madagasikara (7.500), ny ankamaroan’ireo vakoka Afrikana hita ao amin’ny Mozea Frantsay.
Burkina Faso : Fahatsiarovana ny faha-10 taona namonoana an’i Norbert Zongo
Folo taona lasa izay tamin’ny faha 13 ny volana Desambra 1998, no hita tao anaty fiara iray main’ny afo teo amin’ny lalan’i Sapouy, eo ho eo amin’ny 100 km miala ny renivohitra ny vata mangatsiakan’ilay mpanao gazety Norbert Zongo sy ireo olona telo niaraka taminy izay rotidrotiky ny bala
Ny teny manjavozavon'ny 419, miaraka maka sary amin'ny voay sy dadabe noely ao Ouagadougou
Ny teny manjavozavo 419, resaka fisolokiana, bilaogera maka sary miaraka amin'ny voay ary dadabe noely ao Ouagadougou
Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?
Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny onjam-panandevozana izay nanafay ny tanibe ary tsipihany fa tsy manan-danja lehibe amin'ny literatiora haisiana ihany koa izany, hitany ho azo leferina ihany ireo antony'ny fanesorana izany ho an'ireo haisiana mpanoratra.