The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Angola Tahiry Firenena

RSS ho an i Angola

2008-05-23

Diary iombonana hoan'i Afrika miteny Pôrtogey

Ny mpanao gazety mpiblaogy Orlando Castro monina any Angôla no manapariaka ao amin'ny Alto Hama ny fivoriana hotanterahin'ireo firenena Afrikana miteny Pôrtogey izay hanomboka amin'ny faha-28 May 2008 any Lisboana, any Pôrtogala : O passado, presente e futuro de África vai estar em Lisboa durante dois dias, durante os trabalhos do ...

2008-05-13

Angôla : Lahatsary mikasika ny fitsaharan'ny Fanjanahantany

Carlos Pereira no mampita ao amin'ny blaogy meus escape [ny fitsoahako ny figadrana] ny lahatsary mahaliana izay hitany mikasika ny fitsaharan'ny Fanjanahantany izay ahitana ny fitsoahan'ireo taranaky ny voanjo sy Angôley fotsy hoditra marobe avy any Luena, ary ahitana zava-miseho izay heveriny ho toy ny : Momentos de grandes dramas das ...

2008-04-28

Angôla : Lalàna mikasika ny fitaovam-piadiana

Cazimar no manapariaka ao amin'ny blaogy África Minha [Ny Afrikako] mikasika ny vaovao izay manambara fa nahazo alàlana ny hiantsona any Luanda mba hametraka “entana” hoan' Angôla ny sambo Shinoa An Yue Jiang [izay mitondra koa ireo fitaovam-piadiana saika hoan'i Zimbaboe]. Anontanian'ity mpiblaogy ity izay antony ilàn'ny filoham-pirenena Angôlana José ...

2008-04-23

Angôla : Ny fahafaham-panehoankevitra sy ny fanatontoloana

Kianda no manapariaka ny heviny momba ny fahafaham-panehoankevitra sy ny fanatontoloana : que o facto de alguém não ter nascido num País não lhe deve retirar o direito a opinar, criticar, eventualmente até votar ou mesmo governar … estamos numa era de globalismo, de um mundo com cada vez menos fronteiras ...

2008-04-11

Media ,
Rindrambaiko & Fitaovana

Ambaran'i Francis Pac [pt] fa misy ny tranonkala web 2.0 mitovy amin'ny Digg mba ahafahan'ny olona mijery sy mifampizara vaovao avy any Angola. “ Ny nahatonga ny safidy ampiasana ity fitaovana ity ho an'i Angola manokana dia noho ny fahavitsian'ny vaovao mikasika an'i Angola  sady ankavitsiana tokoa no mba ahitana ireny vaovao avy any ireny. Na eo aza izany dia hahazo vaovao tsy tapaka sady hahaliana kokoa avy any Angola isika noho ity fitaovana ity”. Azonao jerena eto moa io tranonkala io.

2008-04-06

Fifidianana ,
Politika

Antsoina hifidy ny solombavambahoakany ao amin'ny antenimieram-pirenena ny Angoley amin'ity taona ity, dia ny volana septembra 2008 izany. 17 taona izay no lasaa hatramin'ny nifidianan'ny Angoley farany.

Manana ny lisitra manakaiky ny 100 mety hifaninana amin'io fifidianana io i Feliciano J.R.

Zavakanto & Kolontsaina ,
Gender

Nomena ny satro-boninahitra ny oliravina (tratran'ny) vanja milevina :

Augusta Urica no nandresy tamin'ny fifaninanana hatsara-tarehy sy bika amin'ireo tovovavy niharan'ny fipoahan'ny vanja milevina notanterahina tao Angola. Natokana ho an'ireo sisa niangana tamin'ny fipoahana vanja milevina moa ity fifaninanana ity. 18 no isan'ny mpifaninana tamin'ity hetsika nampisy adihevitra nokarakaraina hampitandremana ny zavamisy mbola iainana any Angola momba ny vanja milevina ity.

2008-04-05

Governance

Ao amin’ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ‘Fandriampahalemana’, no ankalazan’i PValente [pt] ny tsingerintaona niverenan’ny fandriampahalemana tamin’ny 04/04/2002 tao Angola taorian’ny fitsaharan’ny ady an-trano, ary dia navoakany koa ny sarin’ny T-shirt ‘ahatsiarovana ny fahaenintaonan’ny andron’ny fandriampahalemana sy ny fampihavanam-pirenena tao Angola.’

2008-03-29

Fifidianana ,
Governance

“Nikarajia (ni-chat) nandritra ora roa tamin'Atoa Anthony Alberto Neto, filohan'ny Antoko Demokratika Angoley (PDA) aho. Amin'izao fotoana mampitombo isa ny Angoley any ampielezana (anatin'izany aho) manontany tena hoe mbola tokony hotohizana ve ny ady, hoe mbola azo atao ve ny mino (ny fandrosoan') i Angola, dia hitako fa ny lehilahy irery no manaporofo fa ilaina ny mino - sy miady (mitolona) mazava loatra.”

Jereo ary ny tohin'ny lahatsoratry Orlando Castro amin'ny teny Portiogey.

2008-02-01

Angôla : “We CAN do it” na VITAnay io

Mialoha ny resaka dia miala tsiny raha naverina kely ilay lohateny avy tamin'ny lahatsoratra nadika satria misy teny anglisy tsy mety ho voavadika eo. Misy teny hoe CAN izay azo lazaina hoe (Coupe d'Afrique des Nations) izay tsy ho voavadika teny malagasy manko eo ary ny lohateny malagasy dia afaka atao ...